Alarobia, faha 15 Oktobra 2025

Sal 146.1-4 / Hira 310.1,3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 479.1.4

Andraikitra lehibe izay notanterahan’i Jaona teo anatrehan’ny mpiara-belona taminy, indrindra ho an’ireo niandrandra fatratra ny fiavian’ny Mesia ny manao batisa. Nambara ampahibemaso izany, ary izany no nahatonga ny olona maro nihaino sy nanaraka azy: manao batisa amin’ny rano, manala ny loto ety ivelany eo amin’ny olona, mba ho diovina ka hiroso amin’ny fibebahana. Notanterahina izany mba hamerenana ny olona ho ao amin’Andriamanitra. Karazan’olona maro no nanatona an’i Jaona. Tsy batisa ihany no noraisin’ireo olona ireo, fa nisy andraikitra nomena azy ireo teo amin’ny mpiara-belona taminy ho mariky ny fiombonana sy fifanampiana ho an’ny mila vonjy, ary ho fanajana ny marina tokony ankatoavina. Mitaona antsika ny Tompo, ho amin’ny batisan’ny fibebahana, koa valio ny antsony.

« Izy no hanao batisa anareo amin’ny Fanahy Masina » (and 16). Ny fanaovan’i Jesoa Kristy batisa ireo mpanara-dia Azy amin’ny Fanahy Masina no famantarana vaovao hanavahana azy ireo amin’ny maha olon’Andriamanitra azy (Joe 3.1; Asa 1. 4-8; Asa 2.4). Izany dia fanompoana mitohy mandraka ankehitriny, ary Izy (Jesoa Kristy) no manao izany. Natao ho an’ny olona rehetra izay mino an’i Kristy ny batisan’ny Fanahy Masina, hananany fahasahiana manokana, hijoroany ho vavolombelona. Noho izany dia tsy ilay nampidinana voalohany ny Fanahy Masina tamin’ny Pentekosta fotsiny akory no tondroin’i Lioka eto fa eo koa ilay asa fanompoana ataon’i Jesoa amin’ny maha Mpanao batisa ao amin’ny Fanahy Masina Azy.

Ahoana ny fahazoanao ny amin’ny batisa fanindroany?

Perikopa 2025

Oktobra: MAMORIA VOKATRA HO AN'NY TOMPO

| | 26. Ala. XX man. Trinite - SaFif / Reformasiona
Isa. 66. 18-24 | Jao. 11. 47-53 | 1Kor. 9. 19-23

Novambra: MAHANDRASA, HO AVY NY TOMPO

| | 02. Ala. XXI man. Trinite
Hos. 12. 4-7 | Mat. 16. 24-28 | Rom. 8. 18-25

| | 09. Ala. XXII man. Trinite - Fitantanana Fananana
2 Mpa. 22. 1-7 | Lio. 12. 41-48 | 1Kor. 4. 1-5

| | 16. Ala. XXIII man. Trinite -SAMPATI
Zef. 3. 6-8 | Mar. 13. 33-37 | 1Pet. 4. 1-6

FJKM Fahazavana

Fivoriana voalohany – taorian’ny SLXX ao amin’ny CFD AMPANDRANA

Fandaminana ny Alahady 19 Oktobra 2025 eny amin’ny FJKM AMBOHIMALAZA FIRAISANA KANANA VAOVAO