Talata, faha 14 Oktobra 2025
Sal 106.1-5 / Hira 14 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 307. 1,2
Hosea 6. 6-11
Ny fiverenana ao amin’Andriamanitra
1-Mba ho tia famindrampo
« Fa famindrampo no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà » (and 6a). Vanim-potoana sarotra mantsy no niainan’i Hosea satria tao anatin’ny korontana sy sahotaka be ny zanak’Israely. Nisy akony izany, indrindra teo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Nihodina tamin’ Andriamanitra izy ireo, ary tsy mba nisy indrafo, eny na teo amin’ny mpiara-belona aza. Ny famindrampo no tena ilain’ Andriamanitra amin’ny olony, izany hoe fitiavana maharitra mandrakizay, sady mahatoky no tsy mivadika. Takian’ Andriamanitra amintsika ny hamindra fo amin’ny mpiara-belona, ny mpiara-mivavaka amintsika. Tsy amin’ny alalan’ny herisetra na fanerena no hamoriana vokatra ho an’ny Tompo fa famindrampo. Amindrao fo ny manodidina anao, fa Izy dia efa namindrafo tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy.
2-Mahalala an’Andriamanitra
« …. ary fahalalana an’Andriamanitra » (and 6b). Tsy fahalalana Azy ambaran’ny vava fotsiny no tadiavin’Andriamanitra, fa ny fitondrantena izay andrasana avy amin’ireo mahalala Azy: fitondrantena mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra, satria sarobidy lavitra noho ny fombafombam-pivavahana ny fahadiovam-pitondratena. (Mat 9.13; 12.7). Koa izay milaza ho mahalala an’Andriamanitra dia tokony hifanaraka amin’izany koa ny ataony. Hiverina ho eo amin’ny olona ihany i Jehovah rehefa mibebaka marina izy. Hitarika azy ireo ho amin’ny tena fanompoana an’ Andriamanitra ny fibebahany, ary hampiorina azy ireo amin’ny fahalalana marina an’Andriamanitra.
Fanontaniana:
Mba maharitra amin’ny fanompoana an’Andriamanitra ve ny olona amin’ny vanim-potoana ankehitriny?
Sampana Sekoly Alahady Foibe

