Alatsinainy 13 Oktobra 2025

Sal 145. 1-5 / Hira 7.1,2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 307.1

« Koa raha vory ny mpiangona rehetra, ary ny olona rehetra samy miteny amin’ny fiteny tsy fantatra » (and 23). Averimberin’i Paoly matetika eto ny amin’ny hoe « miteny amin’ny fiteny tsy fantatra« . Mampandroso ny Fiangonana tokoa izany raha misy mahay mandika izany na aiza na aiza itenenana azy. Tsy voatery ho ao amin’ny Fiangonana ihany fa na eo amin’ny fivoriam-be aza. Raha tsy misy mahay mandika teny anefa dia tsy mahasoa ny rehetra izany. Satria ny tsy mpino dia tsy hahatakatra izay lazaina, rariny ny azy raha hiteny hoe: « very saina hianareo » (and 23). Maro amin’izao fotoana izao ny milaza hoe mahay ny amin’ny fitenenana fiteny samy hafa. Mila fantarina tokoa ny toy izany, sao dia tsy avy amin’ny Fanahy Masina. Tsy mahasoa nyfihamboana ho mahay ny toy izany, nefa tsy misy akony amin’ny hafa.

Ny fitenenana tena azo antoka ampiasain’ny Fiangonana dia ny toriteny azon’ny olona, izay ambaran’ny mpitondra hafatra. Tsy ho teny tsy fantatra akory ka hahatonga ny hafa hitsara izay miteny. Ilàna ny fitarihan’ny Fanahy Masina anefa izany ka hiantsoana ny olona hibebaka, mba haharesy lahatra ny mpanota. Amin’izany, izay rehetra tonga ka mandre ny antso ho amin’ny fiombonana ao amin’ny fanompoam-pivavahana iraisan’ny besinimaro dia tonga manambara ny finoany ary mankalaza an’Andriamanitra sy ny famindrampony amin’ny alalan’ny hira fiderana. Ny vokatra dia ny fiovam-po tanteraka. Hiankohoka sy hivavaka amin’Andriamanitra izy ireo, ary hilaza hoe: « Andriamanitra dia ao aminareo marina tokoa » (and 25).

Tianao ve ny hiteny amin’ny fiteny tsy fantatra?

Perikopa 2025

Oktobra: MAMORIA VOKATRA HO AN'NY TOMPO

| | 26. Ala. XX man. Trinite - SaFif / Reformasiona
Isa. 66. 18-24 | Jao. 11. 47-53 | 1Kor. 9. 19-23

Novambra: MAHANDRASA, HO AVY NY TOMPO

| | 02. Ala. XXI man. Trinite
Hos. 12. 4-7 | Mat. 16. 24-28 | Rom. 8. 18-25

| | 09. Ala. XXII man. Trinite - Fitantanana Fananana
2 Mpa. 22. 1-7 | Lio. 12. 41-48 | 1Kor. 4. 1-5

| | 16. Ala. XXIII man. Trinite -SAMPATI
Zef. 3. 6-8 | Mar. 13. 33-37 | 1Pet. 4. 1-6

FJKM Fahazavana

Fivoriana voalohany – taorian’ny SLXX ao amin’ny CFD AMPANDRANA

Fandaminana ny Alahady 19 Oktobra 2025 eny amin’ny FJKM AMBOHIMALAZA FIRAISANA KANANA VAOVAO