Alakamisy 09 Oktobra 2025

Sal 105.1-6 / Hira 14 1,2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 310.1,3

Zava-dehibe eo amin’ny asan’ny Tompo ny fanekena ny fanirahana mba hahazoana vokatra. Eto i Jesoa dia maniraka ny fitopolo lahy, ka ny fepetra dia mandeha tsiroaroa. Nataony izany mba hampitombo avo roa heny ny finoana amam-pahendren’ny isam-batan’olona, hanamasinana ny herim-po sy hisian’ny fiaraha-miasa. Izao lamina nataon’i Jesoa izao dia azontsika ambara hoe « tafika masina » lehibe, hamoriana ny vokatra.

Tsy mora ny manatanteraka asa anirahan’ny Tompo. Tsarovy fa hotandindomin-doza marobe ny mpamory vokatra, tahaka ny zanak’ondry tsy misy fiarovana eo anivon’ny ambodia. Tsy maintsy mangataka ny fanatrehan’Andriamanitra sy ny fiarovany isika, mba hahatanteraka ny fanirahany. Aoka hiomana fa feno ambodia ny toerana famoriam-bokatra.

Aoka tsy ho lany andro na ho variana izay mahakasika ny nofo. Ny tanjona dia ny hahatanteraka ny iraka anirahina. Izany akory sy midika hoe aza miraharaha ny momba anao, na ny manodidina anao, fa atao ho laharam-pahamehana ny asan’ny Tompo.

Izay mampiantrano na izay andalovana dia anonony ny fiadanana (fandriam-pahalemana); mba ho amin’izy ireo ny fiadanan’ny Tompo hananany fifaliana, faharetana, mandrapiavin’ny tompo eny amin’ny rahon’ny lanitra. Dia ho aminao koa anie ny fiadanana!

Mba anisan’ny nanaraka ny fepetra apetraky ny Tompo ve ianao amin’ny iraka tanterahinao?

Perikopa 2025

Oktobra: MAMORIA VOKATRA HO AN'NY TOMPO

| | 26. Ala. XX man. Trinite - SaFif / Reformasiona
Isa. 66. 18-24 | Jao. 11. 47-53 | 1Kor. 9. 19-23

Novambra: MAHANDRASA, HO AVY NY TOMPO

| | 02. Ala. XXI man. Trinite
Hos. 12. 4-7 | Mat. 16. 24-28 | Rom. 8. 18-25

| | 09. Ala. XXII man. Trinite - Fitantanana Fananana
2 Mpa. 22. 1-7 | Lio. 12. 41-48 | 1Kor. 4. 1-5

| | 16. Ala. XXIII man. Trinite -SAMPATI
Zef. 3. 6-8 | Mar. 13. 33-37 | 1Pet. 4. 1-6

FJKM Fahazavana

Fivoriana voalohany – taorian’ny SLXX ao amin’ny CFD AMPANDRANA

Fandaminana ny Alahady 19 Oktobra 2025 eny amin’ny FJKM AMBOHIMALAZA FIRAISANA KANANA VAOVAO