FANAMBARANA

Ry havana,

Ampitomboina amintsika rehetra anie ny fahasoavan’i Jesoa. Manoloana ny zava-mitranga eto amin’ny firenena, ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe sy ny FJKM manontolo dia:

1. Mitaona antsika hitodika amin’Andriamanitra sy hitrotro am-bavaka ny firenena. Hoy indrindra ny Soratra Masina, « Raha ny oloko izay nantsoina amin’ny Anarako no ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin’ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela  ny helony  ary hahasitrana  ny taniny ». Koa manentana  ny isan-tokantrano,  isam­ batan’olona, isam-pitandremana hanao rojom-bavaka mitohy ho an’ny firenena.

2. Miarak’ory amin’ireo fianakaviana namoy havan-tiana tao anatin’izao trangan-javatra izao ary mampahery indrindra ihany koa ireo rava fananana, very asa, mitondra ratram-po. Andriamanitra anie hanasitrana  azy  ireny sy  hampitraka  ary  hanonitra ny very,  satria  fantatsika  fa Andriamanitra manakarem-pahasoavana lzy, ary tsy manary ny zohim-pahoriana

3. Mampahatsiaro  antsika   mianakavy fa sady  tsy   ara-tSoratra    Masina, no  tsy ankasitrahan’Andriamanitra, ary mifanohitra amin’ny maha-Malagasy ny fampiasan-kery tsy ara-drariny, ny fandatsahan-dra, ny fandrobana sy fandravana ny fananana iombonana. Koa mitaona antsika ho tony, hibebaka, hifampitaiza sy hifanitsy ao anatin’ny fanajana ny sitrapon’Andriamanitra sy fitandroana ny fihavanana.

4.   Mitaona antsika mianakavy hampiato ihany koa ny fifampihantsiana miseho amin’ny endrika maro samihafa ary mitaona ny fifampidinihana sy ny  fifampiresahana mba hisian’ny filaminana sy ny fiainam-piarahamonina araka ny tokony ho izy.   

5.   Betsaka ny fahasahiranana  aterak’izao tranga izao, koa  mampahery  antsika  hifampitsinjo, halala-tanana amin’ireo izay tra-boina, tra-pahoriana, araka ny Tenin’Andriamanitra hoe « mifampitondra izay mavesatra ».

Fa « ny fiasan’ny  fivavaky  ny marina  dia mahery indrindra » (Jak.5: 16b).

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra!

Zoma, faha- 26 Septambra 2025

Amin’ny anaran’ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe

Ny Filohan’ny FJKM

ANDRIAMAMPIANINA Zaka Hary Masy, Mpitandrina

.

Perikopa 2025

Oktobra: MAMORIA VOKATRA HO AN'NY TOMPO

| | 12. Ala. XVIII man. Trinite - Radio Protestanta
1 Mpa. 18. 21-39 | Lio. 3. 15-18 | Asa 15. 30-35

| | 19. Ala. XIX man. Trinite - Masera MAMRE
Jos. 2. 17-24 | Jao. 4. 31-38 | Efe. 1. 3-6

| | 26. Ala. XX man. Trinite - SaFif / Reformasiona
Isa. 66. 18-24 | Jao. 11. 47-53 | 1Kor. 9. 19-23

Novambra: MAHANDRASA, HO AVY NY TOMPO

| | 02. Ala. XXI man. Trinite
Hos. 12. 4-7 | Mat. 16. 24-28 | Rom. 8. 18-25

FJKM Fahazavana

ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina