Hafatra Fihaonambe SaAFF – Morondava 2025

FIANGONAN’I JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARA

SAMPANASA ASA FITORIANA FILAZANTSARA

NY KOMITY FOIBE 17-18 SEPTAMBRA SY FIHAONAMBE 18-21 SEPTAMBRA

Mahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo. 1 Kor. 15,58d

Ry Fiangonana o, iaino ny Filazantsara mahefa be amin’ny asa tsara !

HAFATRA

Ry havana

Ho aminareo anie ny fahasoavana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo. Amen

Isaorana ny Tompo fa tanteraka soamantsara ny fivorian’ny Komity Foibe, izay natao teto amin’ny FIKM Mahagaga Morondava, Synodamparitany Menabe Fahazavana (SP MEFA 36) ny 17-18 septambra 2025. Isaorana Atoa ANDRIAMAMPIANINA Zo Nantenaina, Mpitandrina, Mpiandraikitra Foibe mpiahy ny SaAFF, nanokatra ary nanakatona ny fivoriana.

Tolorana fisaorana mitafotafo manokana ireto Raiamandrenintsika ireto :

_ Atoa RAKOTONAVALONA Maholy, Mpitandrina, Filoha mpanampy ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe

_ Rtoa DISAINE Lala, Mpitahiry vola ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe

_ Atoa RADIMISAON Jonah, Mpitandrina, Mpanolotsainan’ny Biraon’ny Mpandraikitra Foibe

_ Atoa ROBSON RADO Lalaina Johary, Mpitandrina, Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana

_ Atoa RAZAFIMAHALEO Rowlands Peter, Mpitandrina, ny Prezida Synodalin’ny Synodamparitany Menabe Fahazavana sy ireo Biraon’ny Synodamparitany,

_ Ireo Komity Foîbe isaky ny Synodamparitany sy isam-Paritany ara-panjakana ary ireo solon-tenan’ny Sampana, Sampan’asa, Asa foibe izay tonga nanontrona ny fivoriana.

Izao fivorian’ny Komity foïbe izao dia nanapaka fa :

  • Hojerena manokana ny fanohanana ny asan’ny Evanjelista
  • Hatao ho zava-dehibe koa ny loharanom-bola mahariten ho amin’ny Asa misiona sy ny Asa Fitoriana ny Filazantsara
  • Ifotorana koa famokarana ireo fitaovana ho fitoriana ny Filazantsara
  • Hamafisina ny antso manao hoe « Ry FJKM ô, miverena amin’ny maha Fiangonana Misionera anao».
  • Ny SaAFF dia hampiely sy hanentana hatrany ny teny fanainga tinapaky ny Synoda Lehibe faha-XX manao hoe Ry Fiangonana ó, laino ny Filazantsara, mahefa be amin’ny asa tsara toy izany koa ireo asa misiona sy fitoriana ny Filazantsara notapahan’ny Synoda Lehibe falha-XX tany Taolagnaro

Ny SaAFF koa araka izany dia manentana ny hampanjakana ny fahamarinana eto amin’ny firenena.

Notanterahina teto Morondava koa ny Fihaonambe AFF, ny 18-21 Septambra 2025, izay natrehin’ ireo solon-tena isam-pitandremana. Saika hita teto avokoa ny solon-tenan’ny Synodamparitany manerana ny Nosy. Nisongadina tamin’ izany ny fandalinana ny lohahevitra avy tao amin’ny 1 Kor. 15, 58 tamin’ny endrika marolafy mba hahefa be amin’ny asan’ny Tompo ny kristiana FJKM. Namafisina ny fifanentanana araka ny sori-dalan’ny Synoda Lehibe faha-XX manao hoe << Ry Fiangonana ó, iaino ny Filazantsara, mahefa be amin’ny asa tsara».

Koa ny Komity Foibe sy ny Fihaonambe izay nivory dia mampahery hatrany ny Fiangonana ho kristiana tia marina an’ Andriamanitra sy handala ny fifandraisana ka ho vavolombelona sy hazoto amin’ny asa tsara, ka hiseho ho tena fanasina sy fahazavana tokoa eo amin’ny sehatra rehetra izay misy azy

«Koa amin’izany ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, mahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo ».1 Kor 15/58

« Ary matoky aho fa izay nanomboka asa tsara ao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-pihavin’ny andron’i Jesoa Kristy » Fi 1.6

Dia manao veloma finaritra antsika amin’ny anaran’ny Tompo

Ho an Andriamanitra irery ny vomnahitra

Morondava faha-21 Septambra 2025

Amin’ny anaran’ny Komity Foibe sy ny Fihaonambe Sampanasa Asa Fitoriana ny Filazantsara

Ny filoha

RANDRIAMISAINA Triomphe, Mpitandrina

Perikopa 2025

Oktobra: MAMORIA VOKATRA HO AN'NY TOMPO

| | 12. Ala. XVIII man. Trinite - Radio Protestanta
1 Mpa. 18. 21-39 | Lio. 3. 15-18 | Asa 15. 30-35

| | 19. Ala. XIX man. Trinite - Masera MAMRE
Jos. 2. 17-24 | Jao. 4. 31-38 | Efe. 1. 3-6

| | 26. Ala. XX man. Trinite - SaFif / Reformasiona
Isa. 66. 18-24 | Jao. 11. 47-53 | 1Kor. 9. 19-23

Novambra: MAHANDRASA, HO AVY NY TOMPO

| | 02. Ala. XXI man. Trinite
Hos. 12. 4-7 | Mat. 16. 24-28 | Rom. 8. 18-25

FJKM Fahazavana

ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina