Tenin’ny Filoha
“Mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo.” (1 Kor 15:58d)

Misaotra ny Tompo fa tanteraka soamantsara ny fivorian’ny Synoda Lehibe faha 20, izay natao tany Taolagnaro, ny 13-20 Aogositra 2025 lasa teo.
Isaorana ny Komitin’ny Fandraisam-bahiny, izay nampiseho ny fahaiza-manaony tokoa (ny sakafo, ny fatoriana, ny fandraisana fivoriana nampiasana QR, ny fiaraha-mientana tamin’ny EKAR sy ny FLM tany an-toerana, ary ny Fanjakana tany an-toerana).
Isaorana ny Biraon’ny Fivorian’ny Synoda Lehibe, izay nitarika izany tamin’ny Filaminana mendrika ny Voninahitr’Andriamanitra. Tafavoaka soamantsara ireo asa miandry ny FJKM mandritra ny 4 taona hoavy (2025-2029).
Isaorana ireo Vaomieran’ny Fifidianana, izay niezaka mafy nanaraka ny Lamina, fa nahavitan’ny fivoriana tamin’ny fotoana nikendrena azy, nivoahan’ireo izay ho Mpitondra indray ny FJKM ato anatin’ny 4 taona hoavy.
Ary isaorana indrindra koa ireo Mpiandraikitra Foibe teo aloha sy ny Mpanatanteraka, ary ireo teknisiana sy Mpandraharaha isan-tsokajiny, izay nanomana tamim-pahakingana ireo Tatitra sy Tahirin-kevitra nenti-niasa.
Handia ny 4 taona vaovao indray ny FJKM. Fampiorenam-pinoana sy Fampamokarana no mahafintina ireo asa miandry izay notinapaky ny Synoda Lehibe faha 20. Izany hoe Finoana sy Asa.
Ny fiarahantsika rehetra mientana ankehitriny dia fizorana hanatratra ny Vina fototra “Mbola ho firenena Kristiana hatrany i Madagasikara amin’ny taona 2118”.
Vokatra tsara. Vokatra betsaka. Vokatra maharitra. Ireo no Fanamby ho an’ny 4 taona manaraka, apetrak’i Jesoa Lohan’ny Fiangonana amintsika.
Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany!
ANDRIAMAMPIANINA Zaka H.M., Mpitandrina, Filohan’ny FJKM