Alakamisy, faha 21 Aogositra 2025.

( Sal 111,1-3 / Hira 14,1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 461)

    Omen’i Josefa ny hevitry ny nivarotana azy tamin’ny Ismaeliana ka nahatonga azy tany Egypta (and.5,7; Gen 37.27). Fomba fiasan’Andriamanitra hamonjy ny firenena sy ny taranak’i Jakoba rehetra izany. Fampiharana ny fahazavan-tsaina sy ny fahiratana nomen’ny Tompo azy izao: saina sy fahalalana (and 37.7). Ankasitrahan’i Josefa ny fitondran’Andriamanitra ny fiainany. Mijery ny Tompo izy momba ny ho avy, ary mamela heloka ireo rahalahiny nanisy ratsy azy izy.

      Nomen’i Farao an’i Josefa ny fahefana feno hitondrany an’i Egypta, handresena ny mosary sy ny fahafatesan’ny vahoaka. Andriamanitra no manendry izany (and.8). Izy no nanao azy ho rain’i Farao sy ho mpanapaka an’i Egypta manontolo. Tompon’ny fahefana feno sy ny tantara Andriamanitra ka i Josefa hafa firenena no manapaka ny Egyptiana. Hafa kely ny fomba fiantsoan’ny Tompo ny mpanompony sy ny famonjeny an’i Jakoba sy ny ankohonany.

        Resin’i Josefa ny valifaty, ny otri-po na lolom-po, ny fankahalana. Eken’ny mpino fa ny zavatra miseho amin’ny fiainany, na dia loza aza, dia misy antony avy amin’ Andriamanitra avokoa. Hoy i Paoly: (Rom 8.28). Tsy ny ataon’ny ratsy fanahy no mavesa-danja, fa ny hevitra sy ny fitiavan’ Andriamanitra. Resy ny fahafatesana sy mosary tamin’ny tany Egypta sy tamin’i Jakoba mianakavy. Tahaka izany koa ankehitriny, ny fahafatesan’i Jesoa Kristy sy ny fitsanganany dia famonjena ny mpino sy izao tontolo izao.

        Ahoana no fitaizana atao hanana olona tahaka an’i Josefa ho famonjena ny firenentsika?

        Perikopa 2025

        Aogositra: MIFAMPAHERY NY MPINO

        | | 24. Ala. X man. Trinite - AKAFITA
        Sal. 31. 19-24 | Jao. 14. 18-24 | 1 Kor. 16. 5-14

        | | 31. Ala. XI man. Trinite
        2 Tan. 19. 8-11 | Mat. 18. 15-20 | 1 Tes. 5. 12-15

        Septambra: VELON'NY FINOANA NY MPINO

        | | 07. Ala. XII man. Trinite
        Gen. 15. 1-6 | Jao. 9. 35-41 | Rom. 4. 1-12

        | | 14. Ala. XIII man. Trinite - Sampanasa AFF
        2Tan. 20. 20-23 | Mat. 9. 27-31 | Rom. 10. 5-10

        FJKM Fahazavana

        ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina