Alarobia, faha 20 Aogositra 2025.
(Sal 27.1-3 / Hira 267,1-4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 33)
Asan’ny Apostoly 15. 30-35
Hafatry ny fivorian’ny Apostoly sy ny Loholona
1. Ho an’ny Fiangonana tany any amin’ny jentilisa
Resy lahatry ny Filazantsara ny jentilisa, ary mila fitaizana. Ny fivoriambe na Synoda, tamin’izany, dia naniraka an’i Paoly sy Barnabasy ary Joda sy Silasy, izay samy tsara laza, ho any Antiokia sy Syria ary Kilkia (and.23). Maro ny Antiokia ao amin’ny Testamenta Vaovao fa Antiokia eto dia tany Syria, izay niantsoana ny mpanaraka an’i Jesoa natao hoe Kristiana (Asa 11.26). Ilaina amin’ny fitaizam-piangonana vao mifoha ny fampianarana mbamin’ny fitsipika fitantanana olona sy ny fanompoam-pivavahana.
2. Hafatra mahafaly ny jentilisa mpanaraka ny Tompo
Maro amin’ny jentilisa niova ho kristiana no tsy mahalala ny fomban’ny fivavahana kristiana. Fanapahan-kevitra nahafaly: ny fihaonana tamin’izy efatra mirahalahy; ny hafatra hifadiana ny henan’ny sampy sy ny rà, izay fisotron’ny mpanompo sampy, ary ny zavatra kendaina (and.29). Mahafaly ihany koa ny faminaniana ho fampirisihana sy ho fampaherezana nataon’i Joda sy Baranabasy (and 32). Manome hery ny jentilisa vao niova fo ny fivoriam-piangonana reniny nataon’ny Apostoly sy ny Loholona tao Jerosalema.
3. Mitohy ny fitoriana ny Filazantsara
Niverina ho any Jerosalema i Joda sy Barnabasy (and 33-34). I Paoly sy i Barnabasy no nanangana ny Fiangonana tão Antiokia (Asa 11.26), ary izao izy ireo miverina izao indray. Miorina tsara sady mafy amin’ny finoana ny Fiangonana rehefa anaovana fampianarana sy fananterana tahaka izao. Marihana ihany koa fa i Antiokia no teboka niaingan’ny dia misionera anankitelo nataon’i Paoly. Fianarana ho antsika izao: mampiorina finoana amin’ny fampianarana; mamangy sy mampahery, ary manohy ny asa hatrany.
Fanontaniana :
Mahay mihaino ny hetahetan’ny olona niova fo ve ny fivoriantsika ao amin’ny Fiangonana?
Sampana Sekoly Alahady Foibe