Alatsinainy, faha 18 Aogositra 2025
(Sal 124 / Hira 171.1-3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / FF 24)
Matio 28.18-20
Jesoa Kristy maniraka ny mpianany
1. Jesoa Kristy, Tompon’ny fahefana.
Nanaiky ho tonga olombelona Andriamanitra: nitafy nofo sy nizaka fahoriana, ary nohomboana tamin’ny Hazofijaliana (Fil 2.7). Amin’ny fotoana idirany ho amin’ny voninahitra (Jao 17.5), dia ambarany fa « Azy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etý an-tany ». Natao hoe: Tompo sy Kristy Izy (Asa 2.36) rehefa nandresy ny fahafatesana tamin’ny fitsanganana tamin’ny maty. Azy avokoa ny fanapahana sy ny fahefana ety an-tany sy any an-danitra (and.18; Efes 1.20-23). Mirodana ny fanjakana sy ny fisandoham-pahefana ary ny familian-dàlana rehetra ataon’i satana (Efes 6.12).
2. Jesoa Kristy, maniraka hampianatra.
Fahefan’i Jesoa Kristy ny maniraka ny mpianany hiasa sy hanohy ary hamita ny fanompoana natombony ao anatin’ny fanjakany eto an-tany. Ireto ny asa: hanao mpianatra vaovao, hanao «batisa amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina » (and 19). Handrava ihany koa, amin’ny alalan’ny fitoriana ny Filazantsara, ny asan’ny devoly sy ny satana, izay mangeja sy mampahory izao tontolo izao. Tefena ny olona ho mpianatry ny Tompo, ho zanaky ny fanjakan’ny lanitra ary handray ny fiainana vaovao ao amin’i Kristy.
3. Jesoa Kristy miaraka amin’ny mpianany
Tsara antoka izay manaiky ho irak’i Jesoa. Tsy manira-tena fa irahiny. Tsy ety an-tany intsony Izy fa momba sy miaraka amintsika mpianany. Meteza ho mpianatra sy ho irak’i Kristy. Miantoka ny fanatanterahana ny iraka ampanaoviny amin’ny alalan’ny Teniny sy ny Fanahy Masina. Miaro sy miantoka ny fahombiazana amin’ny iraka ampanaoviny antsika i Jesoa Tompo. Hitombo sy hihamaro ny mpianatr’i Jesoa.
Fanontaniana:
Ahoana no ahatsapana fa manana fahefana avy amin’i Jesoa Kristy tokoa ny mpitory ny Filazantsara?
Sampana Sekoly Alahady Foibe