Sabotsy, faha 16 Aogosotra 2025.
(Sal 34,1-3 / Hira 39,1-4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 432)
Jakoba 5. 7-14
Ho avy indray ny Tompo
1. Mahareta miandry ny fiavian’ny Tompo (and 7-8).
Miaina ao anatin’ny faharetana sy ny fiaretana ny mpino. Misy ny fitsapana sy ny fahoriana ary ny fanenjehana ny Kristiana tamin’ny fotoanandro. Miandry ny fiavian’i Jesoa Kristy handray azy amin’ny fifaliana sy ny fiadanana ny mpino. Voka-tsoa no tovozina ao amin’ny Tompo raha maharitra isika, tahaka ny tantsaha miandry ny orana sy ny vokatra.
2. Mahareta miandry ny fitsaran’ny Tompo.
Miandry ny Mpitsara sy ny fitsarana marina ny mpino, ka miandry amin’ny fanantenana sy faharetana. Mafy ny fahorian’ny mpaminany tany aloha sy i Joba, izay anoharana ny fahorian’ny Kristiana ambara eto (and 10-11). Ao anatin’ny faharetana sy fiaretana, miaraka amin’i Kristy, no andrombahana ny fandresena farany (Joba 42.12). Mihazona ny fanekena ny mpino ary tsy mivadibadi-kevitra; mahatoky eo anatrehan’ny Tompo Jesoa ka manaiky eny, sy mandà ho tsia (and 12).
3. Sambatra izay maharitra ao amin’ny Tompo
Mamindra fo sy miantra ny mpino i Jesoa. Miara-mitondra amintsika ny fahoriana sy ny fisedrana Izy. Manjary zakantsika ny enta-mavesatra, ny mafy sy ny zioga, noho ny fandraisan’i Jesoa Kristy an-tanana ny fiainantsika. Izy no misolo toerana antsika eo amin’ny Hazofijaliana. Vokany, misitraka ny famelan-keloka sy ny fahavelomana isika ao amin’ny fiantrana sy ny famindrampon’i Jesoa Kristy. Ny Kristiana sambatra dia mifandefitra (and 10), tsy mifampimonomonona (and 9), fa izany no fandosirana ny fitsarana farany.
Fanontaniana :
Mahatsiaro ho sambatra ve ianao ao amin’ny fahoriana?
Sampana Sekoly Alahady Foibe