Synoda Lehibe FJKM faha-XX

«Mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo.» 1Kor. 15, 58b

VOAFIDY NY BIRAON’NY SYNODA

Tontosa ny alarobia 13 aogositra 2025 ny fifidianana ny Biraon’ny Synoda izay hitarika sy hitantana ny fivoriana rehetra mandritra ny Synoda Lehibe FJKM faha-XX atao eto amin’ny FJKM Salema Vaovao Fort Dauphin (SP Ambovombe Kristy Ranovelona).

Ireto àry ireo mpikambana mandrafitra ny Biraon’ny Synoda :

Filoha : RABEVITA Saina, Mpitandrina

  • Filoha Mpanampy (02):
    • ANDRIAMASINORO Fidimalala, Mpitandrina
    • RAFALIMANANA Hery
  • Mpitantsoratra (04) :
    • RANDRIAMANANTENA SOLO Jean Jacques Séraphin Jhons, Mpitandrina
    • RAJOSOA BARINARIVO Mamy, Mpitandrina
    • DISAINE Lala
    • ANDRIANIRIARITSOA Manandratra Franchie

Perikopa 2025

Oktobra: MAMORIA VOKATRA HO AN'NY TOMPO

| | 12. Ala. XVIII man. Trinite - Radio Protestanta
1 Mpa. 18. 21-39 | Lio. 3. 15-18 | Asa 15. 30-35

| | 19. Ala. XIX man. Trinite - Masera MAMRE
Jos. 2. 17-24 | Jao. 4. 31-38 | Efe. 1. 3-6

| | 26. Ala. XX man. Trinite - SaFif / Reformasiona
Isa. 66. 18-24 | Jao. 11. 47-53 | 1Kor. 9. 19-23

Novambra: MAHANDRASA, HO AVY NY TOMPO

| | 02. Ala. XXI man. Trinite
Hos. 12. 4-7 | Mat. 16. 24-28 | Rom. 8. 18-25

FJKM Fahazavana

ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina