Alakamisy, faha 07 Aogositra 2025

(Sal 133 / Hira 530 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 534)

« Ary raiso ny malemy finoana, nefa aza mandray azy hitsaranareo ny eritreriny » (and 1): Ny mpino tao Roma dia ahitana ireo Jiosy sy tsy Jiosy. Ireo Jiosy izay tonga Kristiana ka antsoin’i Paoly hoe: « malemy finoana » dia mbola tsy nihinana afa-tsy zava-maniry ihany. Izy ireo ihany koa dia manao andro anankiray mihoatra noho ny andro sasany. Manafatra àry Paoly hoe: « Aoka samy hatoky tsara ao amin’ny sainy avy » (and 5). Mizotra miandalana ny fiovana eo amin’ny olom-baovao. Ny Tompo no mahay manova olona sady mahalala ny fotoana mety amin’izany. Fomban’i Jesoa ny mandray tsara ireo izay manaraka azy: « Ary Izy nandray azy tsara ka nilaza taminy ny amin’ny fanjakan’ Andriamanitra » (Lio 9,11).

    « Nahoana kosa ianao no manao tsinontsinona ny rahalahinao? » (and10b): Mahatonga an’i Paoly hametraka fanontaniana amin’ireo manao azy fa efa miorina tsara ny fanaovana tsinotsinona ireo olom-baovao. Azo lazaina fa manome tsiny azy ireo Paoly satria nahafoy ny ainy ho an’ireo olona ireo koa ny Tompo Jesoa. Ny hoe manao tsinotsinona mantsy dia midika hoe: manambany, manamavo, mamotsifotsy, maneso, manivaiva. Tsy fombantsika kristiana izany. Na i Jesoa aza dia mandray antsika hoe: « sakaiza« (Jao 15,15). Namela fianarana ho antsika Izy. Izay andrasana amintsika dia fampaherezana, fifanampiana, fifanajana satria samy mpiray tam-po ao amin’ny Tompo.

    Inona no adidy miandry antsika amin’ireo olom-baovao?

    Perikopa 2025

    Aogositra: MIFAMPAHERY NY MPINO

    | | 10. Ala. VIII man. Trinite - KFTM
    Dan. 10. 18-11.1 | Lio. 22. 24-34 | Jak. 5. 7-11

    | | 17. Ala. IX man. Trinite - Aumônerie Nationale
    1 Mpa. 17. 10-16 | Lio. 5. 17-26 | Asa 15. 22-29

    | | 24. Ala. X man. Trinite - AKAFITA
    Sal. 31. 19-24 | Jao. 14. 18-24 | 1 Kor. 16. 5-14

    | | 31. Ala. XI man. Trinite
    2 Tan. 19. 8-11 | Mat. 18. 15-20 | 1 Tes. 5. 12-15

    FJKM Fahazavana

    ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina