Talata, faha 29 Jolay 2025
(Sal 145. 1-7 / Hira 171 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 164)
Romana 1. 1-7
Ny olom-boaantson’ Andriamanitra dia:
1- Mpanompon’i Jesoa Kristy
I Paoly Apostoly eto no manambara ny momba azy, amin’izao mofonaina izao. Ambarany voalohany fa mpanompon’i Jesoa Kristy izy. Ny mpanompo eto dia midika hoe « andevo »; teny ampiasaina koa ao amin’ny Testamenta Taloha, niantsoana an’i Mosesy (Jos1.2), Davida (Sal 89.3,20), ary ny mpaminany (Jer 7.25). Dia tahaka izany koa isika mpanompon’Andriamanitra izay nantsoiny, maneke ho « andevo » satria mpanompo ianao, ary io no iantsoana ny Kristiana eo anatrehan’i Kristy (1 Kor. 7.22-23)
2- Nantsoina ho Apostoly
Ny hoe Apostoly dia ilazana ilay mpitondra hafatra, olona misolo tena an’i Jesoa eo amin’ny fanapariahana ny Filazantsara (Rom 16.7). Anarana entin’ireo izay nofidin’i Jesoa sy nomeny fanomezam-pahasoavana hisolo tena Azy izany. I Paoly dia mirehareha fa Apostoly satria nifanena tamin’ilay nitsangana tamin’ny maty, dia i Jesoa Kristy. Tsy i Paoly ihany no nantsoin’ny Tompo, fa ianao koa, Meteza ho iraka hitondra ny Teniny amin’izay anirahany anao. Aoka ho marina eo aminao fa iraka nofidiny ianao, ary nomeny fahefana toa an’i Paoly.
3- Natokana ho an’ny Filazantsaran’Andriamanitra
Nantsoin’i Jesoa Kristy hanambara ny hafatry ny Vaovao Mahafaly sy hampianatra momba ny famonjen’i Kristy any amin’ny Jentilisa izy. Nofidina izy ary mifantoka amin’izany mandrakariva. Toy izany koa isika olom-boaantso ao amin’i Jesoa Kristy. Meteza ho mpanompony, maneke Azy amin’izay atao. Mijoroa ho irany hitondra ny Vaovao Mahafaly, satria natokana ho amin’izany isika mpanompony.
Fanontaniana :
Mijoro amin’ny maha mpanompo ve ny Kristiana ankehitriny?
Sampana Sekoly Alahady Foibe