Sabotsy, faha 26 Jolay 2025

(Sal 117 / Hira 201/ Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 428)

I Matio dia nampiasain’ny tafika Romana hamory hetra ho an’ny amperora. Teo am-panatanterahana izany asa izany izy raha nandalo Jesoa ka niteny hoe: « Andeha hanaraka Ahy » (and.9). Teny tsotra nefa manandanja no niantefa tamin’i Matio ka nahafoizany ny zavatra rehetra; nitsangana izy ka nanaraka an’i Jesoa. Tamin’izany ny mpamory hetra dia nankahalain’ny olona, satria nameno paosy tamin’ny vola azony amin’ny tsy rariny ataony amin’ny mpitay tanindrazana aminy. Ny fitondrantenan’izy ireny dia nampiahiahy ka nahatonga ny mpamory hetra nantsoina hoe « mpanota », ary lasa zary fanoharana izay zavatra tsy mety teo amin’ny fiaraha-monina (and.10-11). Ny an’i Matio no toy izay, fa ianao olom-boaantso: ahoana ny fomba niantson’ Andriamanitra anao?

Tena mahavariana ny niantsoan’ny Tompo an’i Matio ho mpanaraka Azy, izay noheverin’ny manodidina ho tsy avotra intsony, satria efa naloan’ny fiarahamonina. I Jesoa dia tsy avy hiantso ny marina fa ny mpanota hibebaka. Ary izany indrindra no nahatonga ny mpanota sy mpamory hetra maro hanaraka Azy. Mihevitra ny olona rehetra i Jesoa, fa tsy araka ny lojikan’ny olona. Namaly ny fanakianana izay natao tamin’ireo olona nifanerasera taminy i Jesoa, ka nilaza fa ireo izay mihevitra ny tenany ho marina dia tsy mahita ny maha mpanota azy (and.10). Mpanota avokoa ny olona rehetra, mila famonjena na iza na iza. Jesoa dia tonga hamonjy ny mpanota, mba hahazoan’izy ireo ny famonjena. Ianao koa, aza matahotra fa miantso anao ny Tompo.

Mba tantarao ny fomba niantsoan ‘i Jesoa anao

Perikopa 2025

Aogositra: MIFAMPAHERY NY MPINO

| | 03. Ala. VII man. Trinite
2 Sam. 10. 9-14 | Jao. 14. 1-7 | Efe. 6. 10-13

| | 10. Ala. VIII man. Trinite - KFTM
Dan. 10. 18-11.1 | Lio. 22. 24-34 | Jak. 5. 7-11

| | 17. Ala. IX man. Trinite - Aumônerie Nationale
1 Mpa. 17. 10-16 | Lio. 5. 17-26 | Asa 15. 22-29

| | 24. Ala. X man. Trinite - AKAFITA
Sal. 31. 19-24 | Jao. 14. 18-24 | 1 Kor. 16. 5-14

FJKM Fahazavana

ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina