Alakamisy, faha 12 Jona 2025

(Sal 136. 1-9/Hira 12: 1/ Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 3: 1)

Ao anatin’ny antsoina hoe Isaia faharoa (Isa 40 – 55) ny mofonainantsika; izay miresaka momba ny fiainan’ny Jiosy tany am-pahababoana. Mampianatra antsika àry ny Soratra Masina eto fa tsy azo ferana Andriamanitra fa rehefa Izy no miditra an-tsehatra mamonjy ny olony, na ny Jentilisa aza:

    << Izao no lazain’i Jehovah amin’ny voahosony, dia Kyrosy, izay notantanako tamin’ny tànany ankavanana, mba handreseko firenena eo anoloany… ». Mahavariana fa eto dia ampiasaina amin’i Kyrosy, ny hoe voahosotra na Mesia (Hebreo) na ihany koa Kristy (grika), izay anondroana ny voafidin’Andriamanitra hitondra fanavotana. Ity Kyrosy ity no nandresy ny Babyloniana ary namoaka didy tamin’ny taona 539 mba hamelana ny Jiosy hody, ary mbola nandidy izay tanàna rehetra lalovany mba hampitondra zavatra entin’ny Jiosy manorina indray ny Tempoly.

      << Handroso eo alohanao Aho ary handravona ny mikitoantoana sy hanorotoro ny varavarana varahina ary hanapatapaka ny hidy vy ». Miantefa amin’i Kyrosy ity fampanantenana fiarovana ny fombana ity; mba hahatanteraka ny famonjena sy ny fanafahana ny Jiosy avy any am-pahababoana araka ny efa voalamin’ Andriamanitra!

      << Izaho no Jehovah, fa tsy misy hafa: Tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho; Izaho efa nampisikina anao, kanefa tsy nahafantatra Ahy ianao ». Taomin’ Andriamanitra hanaiky Azy ity mpanjaka Jentilisa ity, ary valiany soa aza noho ny fankatoavany sy nenekeny ho fitaovana eo am-pelatanany. Tompon ‘ny fahefana Andriamanitra! Tsy azo ferana ny asany.

      Ahoana no hahazoana milaza fa Tsitoha Andrimanitra?

      Perikopa 2025

      Jona: AN'NY TOMPO NY FAHEFANA

      | | 15. Ala. Trinite
      Gen. 1. 1-13 | Lio. 10. 17-20 | Apo. 1. 18-22

      | | 22. Ala. I man. Trinite - S. Vokovoko Manga
      Oha. 23. 19-25 | Lio. 12. 35-40 | 1 Kor. 10. 31-11.1

      | | 29. Ala. II man. Trinite
      1 Sam. 2. 1-10 | Jao. 10. 11-21 | Apo. 5. 1-10

      Jolay: OLOMBOAANTSO NY MPINO

      | | 06. Ala. III man. Trinite
      Isa. 45. 1-7 | Lio. 9. 1-6 | 1 Pet. 2. 18-25

      FJKM Fahazavana

      ALAHADIN’NY MPIASA FOIBE FJKM 2025