Alakamisy, faha 05 Jona 2025

(Sal 93. 1-5/ Hira 150: 2/ Mofonaina / Vavaka / Hira 39: 1)

Salamo 24. 7-10

Mizara telo mazava tsara ny firafitry ny Sal 24: Ny maha tompon’izao rehetra izao an’Andriamantira (and 1,2), – ny fepetra hahazoany miditra eo amin’ny fitoerany masina (and 3 – 6) ary ny fidiran’ Andriamanitra, mpanjakan’ny voninahitra (and 7-10). Ao anatin’ity fizarana fahatelo ity ny mofonainantsika, ka mampianatra antsika fa:

1. Jehovah no mpanjakan’ny voninahitra (and 7, 9)

    Fanontaniana miverina ao amin’ny and 8 sy and 10 ny hoe : « Iza ary izao mpanjakan’ny voninahitra izao? » valin-teny mitovy ihany koa no setriny hoe Jehovah. Miaiky ny mpanao salamo fa Jehovah no tompon’ny fahefana satria: Izy no namorona izao rehetra izao (and 1), Izy no tompon’ny hery (mpiady mahery. mahery tsitoha) ary azy ny fahefana fara-tampony. lo ilay nomena an’i Jesoa (Mat 28. 18) mahatonga antsika hatoky azy tanteraka!

    2. Mendrika hajaina Izy (and 7-9)

      Sary an’ohatra mendrika baiko ny hoe: « Asandrato ny lohanareo ry vavahady! misandrata ianareo ry varavarana fahagola… », entina maneho fa tokony hanaja an’Andriamanitra amin’ny fanetren-tena feno izao rehetra izao. Tahaka ny inona moa no fanajan’ny olona ny manam-pahefana mitondra azy? Mba hatraiza kosa anefa ny fanajana an’i Jehovah mpanjaka? Nahoana no sahy tsy mampandroso? Nahoana no sahy mandika ny didiny ?

      3. Tompon’izao rehetra izao tokoa Izy (and 10)

        « Andriamanitra tompon’izao rehetra izao, Izy no mpanjakan’ny voninahitra » hoy ny famaranana. Anterina eto izay voalaza eo am-panombohana hoe: « an’i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy…» (and 1). Ahasinkasin’ny mpanao Salamo fa tsy misy azo oharina amin’Andriamanitra na iza na iza mihevitra fa manana harena amam-pahefana!

        Fanontaniana:

        Ahoana no anehoanao ny maha mpanjakanao an’i Jehovah?

        Sampana Sekoly Alahady Foibe

        Perikopa 2025

        Jona: AN'NY TOMPO NY FAHEFANA

        | | 08. PENTEKOSTA - Sekoly FJKM
        Ezekiela 39. 25-29 | Jaona 15, 26-27 | Asan'ny Apostoly 2, 14-21

        FJKM Fahazavana

        ALAHADIN’NY MPIASA FOIBE FJKM 2025