Alatsinainy, faha 02 Jona 2025
(Sal 77. 14-20 / Hira 24: 1, 5 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 424. 3)
Matio 8.1-4
Talanjona tamin’ny fampianaran’i Jesoa ny olona satria: nampianatra azy treo toy ny manana fahefana zy fa try tahaka ny mpanora-dalana teo aminy (Mat 7. 29). Izany teny izany no mialoha ity anjara mofonainantsika ity izy maneho amintsika ny naneken’i Jesoa hanadio (hanasitrana) ilay boka tonga nanatona Azy. Mivoitra avy amin’izany fa tena manana fabefana i Jesoa
1- Kanefa manatona ny mila vonjy (and 1)
Ary raha nidina avy teo an-tendrombohitra lzy, dia nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy hoy ny tantara eto. lo matoanteny hoe nidina io, dia mampiharihary amintsika ny toe-po feno fanentren-tena sy fitiavana ananan’i Jesoa, fa na dia manana fahefana aza Izy. Tsy miavona fa Izy indray no mandeha manakaiky ny mila vonjy. Manao ahoana isika ao amin’ny fiaraha-monina? midina sa te hisondrotra sy hasohasoana?
2- Ka mamonjy tokoa (and 3)
Ary Jesosy naninjitra ny tanany, dia nanendry aty ka nanoo ha Mety Aho; madiova ianao. Dia nadio tamin’ny habokany niaraka tamin’izay izy. ». Tsy nataon’i Jesoa tsinontsinona ny finoan’ilay tonga nanatona Azy, ary nanehoany ny maha tompon’ny fahefana Azy satria ny habokana dia aretina tsy misy fanafana tamin’izany kanefa nositraniny. Matokia fa tsy angano ny famonjen’i Jesoa
3. Ka mampanara-dalána ny olom-boavonjy (and 4)
…fa mandehana, misehoa amin’ny mpisorona, ka mitondra ny fanatitra izay nandidian’i Mosesy ho vavolombelona amin’ireo ». Ireo baiko omen’i Jesoa ireo no fanao teo amin’ny Jiosy, ary tsy nodinganin’i Jesoa izany fa nasainy narahina, mba tsy hampizahozaho na hahatonga ny voaovonjy ho diso lalana amin’ny fijoroana vavolombelona.
Fanontaniana:
Hazavao fa tena manana fahefana tokoa i Jesoa
Sampana Sekoly Alahady Foibe