Alahady, 01 Jona 2025

2 Tantara 25. 1-12

AN’NY TOMPO NY FAHEFANA

(Sal 21. 1-6 / Hira 205: 1 / 2 Tantara 25. 1-12 / Vavaka / Hira FF 26: 2)

Ny 2Tantara 25 manontolo dia mirakitra ny tantaran’i Amazia mpanjaka tao Joda. Ny dikan’ny anarana hoe Amazia dia hoe « Mahery Jehovah », ary tena izany no mihasinkasina ao amin’ity toko ity. Azontsika tsoahina avy amin’izany àry fa:

1- Andriamanitra no Tompon’ny fotoana (and 1)

«Dimy amby roa-polo taona Amazia, fony izy vao nanjaka, ary sivy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema… >> hoy ny fitantarana. Hitantsika eto fa vao manomboka ny tantara dia efa manomana sahady fa 29 taona no faharetan’ny fanjakan’i Amazia, midika izany fa Andriamanitra no tompon’ny fotoana fa tsy misy olombelona manana safidy na hikajy manokana ny fotoana, na ny hahavelomany izany, na ny hijanonany amin’ny andraikitra samihafa. Raha mbola omen’Andriamanita ny fotoana día araraoty hanaovana ny sitrapony; fa hoy i Jesoa: « Mandehana raha mbola manana ny mazava ianareo… » (Jao 12. 35b). Mitaona antsika hanetry tena izany satria hay tsy ananantsika fahefana ny fotoana!

2- Andriamanitra no Tompon’ny hery (and 11)

Milaza amintsika ny tantara hoe: << Ary Amazia nitombo hery… »; tsy hoe satria lalin-tsaina na matanjaka ara-batana akory anefa izy ka afaka nandresy ny Edomita, fa tolo-tsaina avy amin’Andriamanitra (and 7ss), ary fidiran’Andriamanitra an-tsehatra no anton’izao fandreseny izao. Kinanjo nihevi-tena ho mahery Amazia, ka sady nanompo sampy (and 14) no lasa nihaika ny Isiraely indray koa (and 17ss). Vokany, resy an’ady ary ny niafarany aza ny olony ihany no namono azy. Aoka tsy hihevi-tena ho zavatra, fa henoy sy ankatoavy ny Tenin’Andriamanitra!

Fanontaniana:

Andriamantira no Tompo, hatraiza ny fahatokianao Azy?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2025

Jona: AN'NY TOMPO NY FAHEFANA

| | 08. PENTEKOSTA - Sekoly FJKM
Ezekiela 39. 25-29 | Jaona 15, 26-27 | Asan'ny Apostoly 2, 14-21

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY MPIASA FOIBE FJKM 2025