Talata faha 06 May 2025

(Sal 85 / Hira 194 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 332)

Joela 3.1-5

Tian’ny Tompo hovonjena ny olona rehetra

Ity faminaniana ity dia mampiseho ny famindrampon’ Andriamanitra amin’ny olona izay mibebaka manoloana ny faharavam-piainana vokatry ny fahotana:

1- Nalatsany ho antsika ny Fanahy Masina

« Ary rehefa afaka izany, dia handatsaka ny Fanahiko amin’ny nofo rehetra Aho. (and. 1). Noho io fanomezana ny Fanahy Masina io dia samy afaka hanana andraikitra amin’ny fanompoana an’Andriamanitra avokoa ny olona rehetra tsy an-kanavaka, na lahy na vavy, na antitra na tanora, eny hatramin’ny mpanompo. Tanteraka tamin’ny andro Pentekosta taorian’ny nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty izay nambaran’ny mpaminany izay. Ny fanomezana ny Fanahy Masina no mariky ny fitahian’ Andriamanitra; sady mitarika antsika hampiasa ireo fanomezam-pahasoavana ho fampandrosona ny fanjakan’ Andriamanitra. Tsy voatery hitovy ny andraikitra sahanina, kanefa mifameno avokoa ny asa rehetra araka izay itarihan’ny Fanahy ny olona tsirairay avy (1 Kor 12.4 sns).

2- Ho avy ny fitsarana ny firenena rehetra!

Ampiomanina ny olona fa mbola ho ratsy nohon’ny loza ateraky ny andiam-balala, nahain-tany sy mosary izay hiseho amin’ny fitsaran’Andriamanitra: « Ny masoandro hampodina ho aizina, ary ny volana ho rà… » (and 4). « Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran’i Jehovah dia ho afa-mandositra » (and.5). Ny hoe « miantso ny Anaran’i Jehovah » dia midika hoe miantso ny anaran’i Jesoa Kristy; mino fa Izy dia mipetraka eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra ka misolovava antsika sy manamarina antsika eo anatrehan’ny fitsaran’ Andriamanitra.

Fanontaniana:

Inona no fanomezam-pahasoavana anananao manokana?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Alatsinainy faha 05 May 2025

(Sal 97.1-6 / HF 4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira179)

Asan’ny Apostoly 2. 1-11

Ny fanomezana ny Fanahy Masina

1- Hery ho an’izay nandray Azy

Mialoha ny niakarany tany an-danitra dia nilaza tamin’ny mpianany i Jesoa Kristy fa tsy hamela ny mpianatra ho irery; nampanantena koa Izy ny amin’ny hiavian’ny Fanahy Masina mba hampahery azy ireo (Jao 14.26; Asa 1.8). Tanteraka izany tamin’ny andro Pentekosta: ny rivotra mahery mifofofofo sy ny lela mitarehin’afo dia famantarana ny fiavian’ny Fanahy Masina amin-kery. Notafiana hery avy amin’ny Fanahy Masina ny mpino mba hahafahany mitory ny Filazantsara sy mijoro am-pahasahiana ho vavolombelon’ny asa lehibe nataon’Andriamanitra, mba hitaomana ny olona rehetra ho ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Izany no mahatonga ny Fiangonana hangataka mandrakariva ny fitarihan’ny Fanahy Masina.

2- Fototry ny fielezan’ny Filazantsara

« Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin’ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan’ny Fanahy Masina azy » (and.4). Nahatalanjona ny olona rehetra izay nanatrika teo ny nandre ireo mpianatra niteny tamin’ny karazam-pitenenana fampiasan’ireo firenena samihafa izay vory teo (and.6-11). Manambara amintsika izany fa ny Fanahy Masina tokoa no misolovava sy mampiteny izay rehetra irahiny; ny firenena rehetra mihitsy no tian’ Andriamanitra handray ny famonjena, amin’ny alalan’ny asan’ny Fiangonana, eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina. Ka dia tsy maintsy hotorina amin’ny firenena rehetra hatramin’ny faran’ny tany ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Fanontaniana:

Ahoana no ahatsapan’ny olona iray fa mitari-dalana azy tokoa ny Fanahy Masina?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Alahady faha 04 May 2025

(Sal.8 / Hira 1. 1,3,5 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira14.3)

Ezekiela 43.1-9

Ny voninahitr’Andriamanitra

1- Manambara ny fanatrehany

Midika ho fanatrehan’Andriamanitra ny fisehoan’ny voninahiny. Hitantsika izany tamin’ny fisian’ny andri-afo sy andri-rahona nitarika an’i Mosesy (Eks 13.21); tamin’ny nanomezana ny Didy folo; ny tao amin’ny Tempoly naorin’i Solomona (2Tan7.1). Ny fanatrehan’Andriamanitra no maha Tempoly ny Tempoly. Tsy misy maha fiangonana ny Fiangonana raha tsy eo ny fanatrehany sy ny fisehoan’ny voninahiny. Izany no maha zava-dehibe izao fahitan’i Ezekiela izao (and.2,4,5,7). Ny fahatongavan’i Jesoa Kristy ho nofo no fisehoan’ny voninahitr’ Andriamanitra sy fanatrehany antsika, araka izay nambaran’i Jaona hoe: « …Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an’ny Lahitokana avy tamin’ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana. » (Jao 1.14)

2- Manambara ny fahamasinany.

Amin’izay itoeran’ny fahamasinana no itoeran’ny voninahitr’ Andriamanitra. Ny fanompoan-tsampy nataon’ny vahoakany no nampiala ny voninahitr’Andriamanitra tao amin’ny Tempoly (Eze 10), ary izany dia mahatonga famaizana avy amin’Andriamanitra. Tsy sitrak’ Andriamanitra anefa ny hahafaty ny olony ka hoy Izy: « Fa amin’izao kosa dia aoka hariany lavitra Ahy ny fijangajangany sy ny sampin’ny mpanjakany, ka dia honina ao aminy mandrakizay Aho » (and.9). Izay rehetra mino an’i Jesoa Kristy sy manana firaisana amin’ny Fanahy Masina dia itoeran’ny voninahitr’ Andriamanitra. Ny Kristiana manana toe-panahy toy izany no Tempolin’ny Fanahy Masina.

Fanontaniana:

Fomba ahoana no ahaizantsika manome voninahitra Azy?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Sabotsy faha 03 May 2025

Sal.121/ Hira 9 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 462

Salamo 143.7-12

Mamaly vavaka Andriamanitra

1- Aoka hino sy hatoky Azy isika.

Olona azom-pahoriana sy voahodidim-pahavalo ka mila tsy hahita izay lalan-kivoahana… Izany no endrika isehoan’ny mpanao Salamo eto. Ny mampiavaka azy dia noho izy nahay nisafidy ny hitodika amin’Andriamanitra sy hila vonjy Aminy. Mitaraina amin’ Andriamanitra izy noho izay rehetra manjo azy, sady miandrandra valim-bavaka avy Aminy (and.7,8). Hita taratra amin’ny tonom-bavaka ataony fa manana fahatokiana an’ Andriamanitra izy. Ny finoana sy ny fahatokiana no toe-panahy takiana voalohany indrindra raha mivavaka isika. Izay rehetra mivavaka Aminy dia tsy maintsy mino aloha fa mihaino Izy, ary mamały izay rehetra miantso Azy.

2- Meteza hotarihin’ny Fanahiny

Maika hahazo valim-bavaka ny olombelona rehefa misy mahatery azy: « Faingana hamaly ahy, Jehovah … » (and.7). Tsy mahadiso antsika akory ny mamboraka izay rehetra ao am-po mbamin’izay rehetra irina ho tanteraka: fanafahana amin’ny fahoriana (and. 11); famelezana ny fahavalo (and.12). Kanefa tsy tokony hibaiko na hanery an’Andriamanitra amin’ny asany sy ny fitantanany isika. Manana izay hevitra iheverana antsika sy lalana itondrana ny fiainantsika Izy. Izay tokony hangatahina fatratra dia ny mamantatra ny sitrapony sy manaiky ny fitarihan’ny Fanahiny, tahaka izay nataon’ny mpanao Salamo hoe: « Ampianaro hanao ny sitraponao aho: Fa Hianao no Andriamanitro; aoka ny Fanahinao tsara no hitarihanao ahy amin’izay tany marina. » (and.10). Ny fanekeny ny sitrapon’ny Ray ho famonjena antsika no niaretan’i Jesoa ny fahoriana teo amin’ny Hazofijaliana.

Fanontaniana:

Indraindray dia toa ela ny valim-bavaka. Inona no anton ‘izany?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Zoma faha 02 May 2025

(Sal.138 / Hira 190 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira177)

Mpitsara 6.33-40

Andriamanitra manafaka ny olony.

Vokatry ny fahotan’ny Israely dia navelan’Andriamanitra hampahorian’ny Midianita sy ny Amalekita izy ireo. Mafy ny nahazo azy, hany ka nitaraina tamin’i Jehovah izy ireo. Ka dia indro Izy fa miditra an-tsehatra hanafaka ny olony:

1- Miasa amin’ny alalan’ny Fanahiny Izy (and.34-35).

Afaka miasa ao amin’ny olona izay nofidiany Andriamanitra, mba hitondra fanafahana ho an’ny vahoakany. Ny Fanahin’i Jehovah izay nitoetra tao aminy no nananan’i Gideona fahasahiana hitarika ny vahoaka hanohitra ny fahavalon’ny fireneny. Ny Fanahin’i Jehovah ao amin’i Jesoa no naniraka Azy hitondra fanafahana ho antsika rehetra amin’ny fanandevozan’ny fahotana sy ny fampahorian’ny fahafatesana. Dia toy izany hatrany: ny asan’ny Fanahy Masina ao amin’ny Fiangonana no manome hery ho an’ny mpino amin’ny asa fitoriana ny Filazantsara ka hananany fahasahiana hanohitra an’i satana sy ny asaratsiny.

2- Manome toky izay olona irahiny Izy (and.36-40)

Tsy nandeha irery na nitoky tamin’ny herin’ny tenany sy ny vatan-dehilahy izay voavoriny i Gideona. Nataony ho zava-dehibe ny fahazoana antoka fa momba azy Jehovah. Nitady famantarana izy. Fa isika kosa, tsy voatery hitady famantarana toa an’i Gideona, dia amin’izay vao hino sy hatoky ny fanatrehan’ Andriamanitra. Ampy bo antsika Fiangonana ny finoana fa Jesoa Kristy dia efa naharesy hatramin’ny fahafatesana, ary miandany amin’izay rehetra irahiny ka mankato ny Teniny. Hoy Jesoa: « Indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo zao. » (Mat 28.20)

Fanontaniana:

Inona no fandraisana anjara takian’ny Tompo amin’ny Fiangonana manoloana ny ady amin’ny fahalovana?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Alakamisy 01 May 2025

VOLANA MAY 2025

« MITARI-DALANA NY FANAHY MASINA »

(Sal 98.1-4 / HF 9 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira547.1)

Lioka 1.67-80

Feno ny Fanahy Masina i Zakaria:

1. Fiderana an’Andriamanitra no aloaky ny vavany.

Tamin’ny fotoana nanaovan’i Zakaria ny anjara asa fisoronana tao amin’ny Tempoly no nisy anjely niseho taminy, nilaza taminy fa hiteraka zazalahy izy. Tsy nino izany i Zakaria, satria efa antitra izy mivady ka noheveriny fa tsy afaka hiteraka intsony. Vokatr’izany tsy finoany izany dia nanambara ilay anjely fa ho moana izy ka tsy hahay miteny ambara-pahatongan’ny andro hisehoan’izany zavatra izany (Lio 1. 18-20). Tanteraka tokoa izany… Taorian’ny nahaterahan’i Jaona mpanao batisa vao afaka niteny indray izy. Araka izay hitantsika eto dia fisaorana an’Andriamanitra no nipololotra tao am-pony sy naloaky ny vavany raha vao afaka niteny indray izy. Miderà an’Andriamanitra raha mbola velon’aina ka afaka misokatra sy miteny ny vava, miderà Azy, noho ny asany lehibe.

2- Manambara ny asa lehibe nataon’Andriamanitra izy

Ny vontoatin’izay nambaran’i Zakaria dia ny fanehoana ny asa lehibe nataon’Andriamanitra ho an’ny Israely, tamin’ny alalan’ny fahatongavan’i Jesoa Kristy. Jesoa Kristy no Ilay Mpamonjy mpanafaka ny olona amin’ny fahavalo sy ny tanan’ny mpankahala, ary hamela antsika hanompo Azy tsy amin-tahotra (and.7174); Izy no masoandro miposaka avy any ambony hamangy antsika, tonga hanazava ireo mihitsoka ao anatin’ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana, sady mitarika antsika hizotra mankany amin’ny fiadanana maharitra mandrakizay.

Fanontaniana:

Amin’ny fotoana manao ahoana no tokony hisaotra sy hidera an ‘Andriamanitra isika? Vitan’ny olona tokoa ve izany?

Sampans Sekoly Alahady Foibe