Alakamisy, faha 22 Mey 2025

(Sal 21.1-7 / Hira 2. 1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 537.1-2)

Lioka 2, 21-35

Ny asan’ny Fanahy Masina tao amin’i Simeona

Amin’ny maha lehilahy marina sy mpivavaka tsara an’ i Simeona dia nampanantenain’ny Fanahy Masina izy fa tsy ho faty raha tsy mahita maso an’i Jesoa Kristy. Ny Fanahy Masina no:

1- Nitari-dalana azy hahita ny Tompo

Rehefa tonga ny fotoana nitondrana an’i Jesoa nikatra tao Jerosalema, dia notarihin’ny Fanahin’Andriamanitra i Simeona ho eo ankianjan’ny Tempoly, ary teo no nahitany mivantana an’i Jesoa zaza sy nahafahany nandray Azy. Ny Fanahy Masina no nampihaona azy ireo araka ny faminaniana. Tsarovy fa ny olona tarihin’ny Fanahy Masina irery ihany no afaka mahita ny Tompo sy ny famirapiratan’ny tavany. Ndeha àry hanaiky ho tarihin’ny Fanahy Masina, mba hahitana an’i Jesoa amin’ny fotoana rehetra izay hitadiavantsika Azy.

2- Nitari-dalana azy hanambara ny amin’i Jesoa

Rehefa nahita an’i Jesoa i Simeona dia nampitenenin’ny Fanahy ny amin’izay ho fiainan’i Jesoa araka ny and.33-35. Nambarany tamin’izany fa i Jesoa no ho fandavoana sy fananganana ny maro ao amin’ny Isiraely. Izany hoe Izy no ho mpananatra sy mpanafay ary ho mpamonjy ny maro amin’ny Isiraely. Ny Fanahin’Andriamanitra no ahafahantsika manambara sy mino fa i Jesoa tokoa no mpamonjy izao tontolo izao.

Fanontaniana:

Efa tsapanao teo amin’ny fiainanao ve izany fitarihan-dalan’ny Fanahy Masina izany?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Alarobia, faha 21 Mey 2025

(Sal 28, 6-9 / Hira 7.1-2 / Vavaka / Mojonaina / Vavaka / Hira 54, 1-2)

Matio 12.22-30

Ny famoahan’i Jesoa ny demonia

1- Manasitrana izay manantona Azy

Nentina teo amin’i Jesoa ny lelilahy iray izay nampahorian’ny demonia. Rehefa noroahin’i Jesoa izany dia sitrana ilay lehilahy ka sady lasa nahiratra no nahay niteny. Fahasoavana lehibe toy izany no vokatra sy azon’ny olona, raha manaiky izy fa ho roahin’i Jesoa ny devoly ao aminy. Tsaraovy fa rehefa misy olona roahina devoly dia mpiasa fotsiny ihany ilay mpiandry mandroaka devoly, fa i Jesoa mihitsy no manasitrana izay manantona Azy, ary fomba iray hahazoana fanasitranana ny fandroahana devoly.

2- Avy amin’ny Fanahy Masina

Ny Fanahy Masina no ambaran’i Jesoa fa entiny nandroaka ny herin’ny fanahy ratsy maha demoniaka, satria ny Fanahy Masina irery ihany no afaka mandresy izany. Ny fanahy mitovy tsy afaka mifandroaka. lo Fanahy Masina io dia tsy azo toherina na zimbazimbaina na tenenina ratsy fa tsy hahazoana famelan-keloka ny fanaovana izany. Tandrovy fatratra ny hosotra rehetra natao tamin’ny Fanahy Masina ao aminao.

3- Mampiditra ny olona ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra

Ny fanafahan’i Jesoa ny olona demoniaka dia manala ilay olona amin’ny fanjakana sy gejan’i satana ka mampiditra azy ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra, mba hananany fiainana tsara sy mahasoa ny tenany mbamin’ny manodidina azy. Tsaraovy fa i Jesoa dia mikatsaka izay hahatafiditra ny olona rehetra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.

Fanontaniana:

Manaiky ny fanafahan’i Jesoa ve ianao mba hidiranao ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Talata, faha 20 Mey 2025

(Sal 30.1-4 / Hira 183.1/ Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 307.1-2)

1 Samoela 16. 11-13

Ny fifidianan’Andriamanitra

Nihevitra ny tenany ho kely i Saoly, nefa dia nofidin’Andriamanitra ho mpanjakan’ny Isiraely (1Sam 1,11). Rehefa tsy nanatanteraka izay nolazain’Andriamanitra ny amin’ny handringanana ny Amalekita sy izay rehetra nananany anefa izy dia nalan’Andriamanitra taminy ny fanjakana, ka nifidy mpanjaka hafa Izy.

1- Mifidy izay heverina ho madinika

I Davida no nofidian’ Andriamanitra ho mpanjaka handimby an’i Saoly. I Davida ilay noheverina ho tsy mendrika izany toerana izany noho ny maha zandriny. indrindra azy tamin’ireo zanak’i Jesé. Tsy araka ny fijerin’olona anefa ny fifidianan Andriamanitra, fa mifidy sy mametraka fitokisana amin’izay heverina ho kely sy madinika amin’ny fomba fijery sy fisainan’ny olombelona Izy. Na dia kely aza no fiheveran’ny olona anao, dia tsarovy fa mifidy sy mametraka andraikitra ary fitokisana aminao Andriamanitra.

2-Ampidininy amin’izay nofidiany ny Fanahiny

Ny fifidianan’Andriamanitra an’i Davida ka nanosoran’i Samoela azy ho mpanjaka, araka ny baikon’Andriamanitra no nampidiñan’Andriamanitra ny fanahiny tao amin’i Davida. Io Fanahy io no manome saina sy fahendrena azy, ary ahafahany manao ny andraikitra rehetra ao anatin’izany fifidianana azy izany. Isika koa dia nofidian’Andriamanitra ka nomeny ny fanahiny tamin’ireny fanokanana isan-karazany ireny; ary izany no mahatonga ny. Diakona hanao fenekena hoe ny herin’ Andriamanitra no hiankinako hahatahterahako izany.

Fanontaniana:

Tsapanao ve fa olom-boafidin’Andriamanitra ianao ary itoeran’ny fanahiny?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Alatsinainy, faha 19 Mey 2025

(Sal 103, 1-5 / Hira 94.1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 89, 1-2)

Romana 8. 9-17

Ny asan’ny Fanahin’Andriamanitra

Asehon’i Paoly miharihary ny fahasamihafan’ny olona mandeha araka ny Fanahy sy ny mandeha araka ny nofo. Ny Fanahin’Andriamanitra dia:

1. Manome fahavelomana ho an’izay itoerany

Ny olona itoeran’ny Fanahin’i Kristy izay Andriamanitra ihany koa dia mandeha araka ny Fanahy, satria io no mamelona azy. Ambarany fa raha ny fanahin’Izay nanangana an’i Kristy tamin’ny maty no mitoetra ao anatin’ny olona dia Izay nanangana an’i Jesoa tamin’ny maty no hamelona ny tena mety maty amin’ny Fanahiny. Andriamanitra io mpanangana sy mpamelona mampiasa ny Fanahiny lazaina eto io. Ny fandehanana araka ny Fanahy no manome fahavelomana, satria manafaka ny olona amin’ny fahafatesana vokatry ny fahotana. Andeha ary isika handeha araka ny Fanahy, dia hanohitra ny asan’ny nofo ka ho velona tokoa.

2- Manangana ny olona ho zanak’Andriamanitra

Ny olona iasan’ny Fanahy Masina izay antsoina hoe Fanahin’Andriamanitra ihany koa ihany no afaka manolo-tena ho zanahan’Andriamanitra. Hoy ny and. 16 hoe « …ny fanahy miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika ». Eo koa ny and.14 manao hoe: « Fa izay tarihin’ny fanahin’Andriamanitra no zanak’Andriamanitra ». Izany hoe: izay manaiky handeha araka ny Fanahy, na iasan’ny Fanahin’ Andrimanitra irery ihany no azo antsoina hoe zanak’ Andriamanitra. Raha milaza ho zanany tokoa àry isika dia aaoka hanaiky hiasan’ny fanahin’ Andriamanitra.

Fanontaniana:

Tena resy lahatra tokoa ve ianao fa tena zanak » Andriamanitra? Hazavao ny hevitrao.

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Alahady, faha 18 May 2025

Sal 34, 1-9/ Hira189,1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 449.1-2

I Korintiana 12.1-11

Ny asan’ny Fanahy Masina

Ambaran’i Paoly fa misy akony eo amin’ny finoana sy ny fianana andavanandro tokoa ny asan’ny Fanahy Masina:

1- Mampanaiky ny olona fa i Jesoa no Tompo.

Milaza mahitsy i Paoly manoloana ireo adihevitra ny amin’ireo fampianarana sy faharesen-dahatra maro samihafa, fa tsy misy olona afaka manaiky fa i Jesoa no Tompo raha tsy ny Fanahy Masina no miasa ao anatiny. Marina tokoa izany raha mijery ny fivavahana silamo izay tsy manaiky an’i Jesoa ho Tompo isika, ary koa mandinika ireny fivavahan-drazana sy fivavahana amin’andrimani-tsy izy ireny. Tsy misy asan’ny Fanahy Masina ao aminy. Mila mitandrina ihany koa anefa satria amin’izao fotoana sarotra sy farany izao dia maró ny mpamitaka izany milaza fa mino an’i Jesoa ho Kristy kanefa antikristy.

2- Mizara fanomezam-pahasoavana ho an’ny olona.

Mahay ny zavatra rehetra Andriamanitra amin’ny maha Mpahary izao tontolo izao Azy. Zarainy ho an’ny olona rehetra ihany koa izany fahaizana zavatra izany ka miseho amin’ny endrika fanomezam-pahasoavana. Ambaran’i Paoly manolona ireo fanomezam-pahasoavana maro samihafa ananan’ny olona tsirairay ao amin’ny Fiangonana fa Fanahy iray ihany no nihavian’izy ireny dia ny fanahin’Andriamanitra. Noho izany dia tsy tokony hampifanditra na hisy ambony sy ambany fa natao hifameno sy hifampandrosoana. Aoka ary tsy hisy hanao tsinontsinonam fanomezam-pahasoavan’ny hafa.

Fanontaniana:

Inona no fanomezam-pahasoavana nomen’ny Tompo anao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Sabotsy, faha 17 May 2025

(Sal 104.1-5 / Hira21,1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 482,1-2)

Ezekiela 11.1-13

Ny fanahin’Andriamanitra

1- Manolo-tsaina sy mitari-dalàna ny mpanompony

Nandalo zava-tsarotra tokoa ny zanak’Isarely taorian’ny nanafihan’ny Babyloniana azy ireo ny taona 597 talohan’i Jesoa Kristy. Izany dia noho ny fahotan’izy ireo. Nisy anefa ireo olona izay nijoro nilaza ho mpaminany, nilaza fa tsy nanota izany izy ireo fa mbola fitahiana aza no itoerany ao Jerosalema; fa ny olona lasan-ko babo no nanota, izay ambara ho taolana. Notarihin’ny Fanahin’ Andriamanitra i Ezekiela ka nampahalalany ireo olona mpamitaka sy manome saina ratsy ireo Zanak’Israely ireo sy ny fepetra tian’Andriamanitra hatao amin’izy ireo. Ny mpanompon’ Andriamanitra dia omen’ny Fanahy masina tari-dalana sy tolo-tsaina hahafantatra ny marina rehetra. Koa andeha hanaiky ho toloran’ny Fanahy saina, fa ny marina hanafaka antsika tsy ho andevo.

2- Mampahafantatra ny fahefan’Andriamanitra

Ny Fanahy Masina eto, araka ny and.5 manao hoe: « Lazao hoe: izao nolazain’i Jehovah, izany no fiteninanareo ry taranak’israely ary fantatro izay rehetra ao an-tsainareo », no mampiteny ny mpaminany hahafantaran’ny Zanak’Israely fa tsisy miafina eo anatrehan’ Andriamanitra izay rehetra fanao sy fisaina iainan’ny Zanak’Israely, izay mahadiso azy eo anatrehan’Andriamanitra. Hanafay azy ireo Izy noho izany, ka hoentiny amin’izay zavatra nandosirany izy ireo satria tsy nanao izay mahitsy teo anatrehany. Asehon’ Andriamanitra fa lehibe ny fahefany mitantana ny Zanak’Israely amin’ny maha vahoakany azy. Isika koa dia co ambany hahefany.

Fanontaniana:

Mino ve ianao fa miharihary eo anatrehan’Andriamanitra ny fiainantsika ary tsisy takona izay tsy haseho?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Zoma, faha 16 Mey 2025

(Sal 1, 1-3 / Hira 1,1-2 / Vavaka / Mofonaina / Hira 549, 1-2)

1Petera 1.10-12

Ny asan’ny Fanahy Masina tao amin’ireo mpaminany:

1- Nanambaran’izy ireo ny lalam-pamonjena

Ny famonjena entin’ny fiavian’i Kristy dia nandrandrain’ny Jiosy fatratra, sady efa nampilazaina ny mpaminany nifandimby rahateo. Na ireo mpaminany nanambara izany aza dia mba naniry fatratra ny hahita izany. Tsy ny fahatanterahan’ny famonjena ihany no nampitenenin’ny Fanahy Masina azy ireo fa nampilazaina azy ireo ihany koa ny fahatanterahan’ny famonjena izay tsy maintsy ialohavan’ny fijaliana sy ny fahafatesan’i Kristy, vao hiseho ny voninahiny. Rehefa miasa ao anatintsika tokoa ny Fanahy Masina, na dia ny zavatra ho avy aza dia hambarany amintsika araka ny Jaona 16,13b manao hoe « ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo ».

2- Nampitory azy ireo ny Filazantsara ho antsika

Naseho tamin’izy ireo tamin’ny bitsiky ny Fanahy ihany koa manoloana ny fanirian’izy ireo te hahita fatratra izany famonjena izany, fa tsy izy ireo izay nampilazaina ny hahita izany fa ho an’ny taranaka ho avy. Tsy nahakivy azy ireo anefa izany; nampahery azy ireo ny Fanahy Masina ka nahafahany nitory hatrany ny Filazantsara ho an’ny taranaka ankehitriny. Ny olona iasan’ny Fanahy Masina dia tsy mijery na miasa ho an’ny tenany ihany, fa mihevitra izay hahasoa ny taranaka ihany koa; mampita ny Filazantsara amin’ny taranaka mifandimby, mba handraisan’izy ireo ny Famonjena natao ho azy ireo.

Fanontaniana:

Vonona ve ianao hampita ny Filazantsara amin’ny tarakanao mifandimby? Ahoana ny fomba hanaovanao izany?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Alakamisy faha 15 May 2025

(Sal 106.1-5 / Hira 482.1,5 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 753.1)

Matio 1: 18-25

Ny olona manaiky ny fitarihan’ny Fanahy Masina

1- Tsy manala baraka ny namany.

Voalaza fa Josefa dia lehilahy marina, olona nadio fitondran-tena. Niatrika olana saro-bahana anefa izy, satria i Maria fofombadiny dia efa nitoe-jaza sahady. Fahafaham-baraka teo amin’ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina Jiosy ny toe-javatra toy izany. Sahirana ny sain’i Josefa, ho sarotra aminy ny hampakatra an’i Maria ho vadiny, tsy mora koa ny hiverin-dàlana ho amin’ny fisarahana. Tsy tiany anefa ny hahafa-baraka ity vehivavy izay nokasainy halaina ho vady. « Ary Josefa vadiny, izay lehilahy marina sady tsy ta-hanala baraka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina. » (and.18). Raha olona tsy manaiky ny fitarihan’ny Fanahy Masina no tratry ny toe-javatra toy izao dia angamba efa tonga tamin’ny fitoraham-bato sy fifanalam-baraka; hiahaka ny fainan-tokantrano ka fikorontanana no hiafarany.

2- Mankato ny Tenin’Andriamanitra.

Nambaran’ny anjely tamin’i Josefa ny anton’izao zava-mahagaga momba ny fahaterahan’i Jesoa izao. Nolazainy taminy fa ny fahatongavan’i Jesoa dia ny hamonjy ny olona rehetra ho afaka amin’ny fahotany. Nanaiky hanambady an’i Maria i Josefa, rehefa nazava taminy ny fikasan’Andriamanitra, dia ny hahatanteraka ny teny izay nampilazainy ny mpaminany (and.22,23). Ny fisainantsika olombelona dia tsy ampy hahatakatra sy hahavaha ny ankabeazan’ny olana miseho eo amin’ny fiainan-tokantrano, na ny olana eo amin’ny fiainam-piaraha-monina sy ny firenena. Manampy antsika amin’izany ny fandinihana sy fanarahana izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra, eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina.

Fanontaniana:

Inona avy no mahatonga ny korontana sy fisaraham-panambadiana?

Sampana Sekoly Alahady Foibe