Alakamisy, faha 29 Mey 2025
(Sal 124.1-8 / Hira 170.1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 530.1-2)
Jaona 14.25-31
Ny fitiavan’i Jesoa ny mpianany
Ny fitiavan’i Jesoa izany dia hita amin’ny alalan’ny:
1- Fanomezany ny Fanahy Masina
Nambaran’i Jesoa fa rehefa handeha Izy dia hirahin’ Andriamanitra amin’ny Anarany ny Fanahy Masina mba hampahatsiaro sy hanazava amin’ny mpianatra izay fampianarana nataon’i Jesoa. Fitiavan’i Jesoa ireto mpianatra ireto no anton’izany, mba tsy hahatsapan’izy ireo fahabangana amin’ny fotoana tsy maha co Azy intsony. Izany hoe ny Fanahy Masina Mpananatra indray no haka ny toeran’ny Tompo ka hampianatra. Tian’ny Tompo isika matoa omeny ny Fanahy Masina.
2- Fanomezany ny fiadanana
Fantatry ny Tompo fa hampaory sy hitondra tahotra ho an’ny ny mpianatra ny fisarahana misy eo Aminy sy izy ireo, ka izany no nampaherezan’i Jesoa azy ireo sahady hoe: « Fiadanako no omeko anareo » sy ny hoe: « Aza malahelo na matahotra ny fonareo ». Fiadanana izay tsy ara-nofo fa ara-panahy, dia ilay fiadanam-po afaka mampionona sy mampifaly azy ireo manoloana ny zava-mitranga rehetra.
3- Fanomezany ny tenany ho sorona
« Ny fiavian’ny andrianan’izao tontolo izao » no iantsoan’i Jesoa ireo olona tonga hisambotra sy hamono Azy. Nekeny anefa izny mba ho fanehoany ny fitiavany an’Andriamanitra Ray, satria nandidian’ny Ray Azy izany ka hataony. Raha tia an’i Jesoa isika dia tokony hanaiky izay nandidiany antsika ihany koa, satria Izy efa tia antsika.
Fanontaniana:
Inona no porojo anehoanao ny fitiavanao an’t Kristy?
Sampana Sekoly Alahady Foibe