Sabotsy, faha 24 Mey 2025
(Sal 100.1-5 / Hira 14.1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka/Hira267.1.4)
Asan’ny Apostoly 4.23-31
Ny tena mpianatry ny Tompo marina tokoa
1- Miombom-po mandrakariva
Mafy tamin’ireo naman’i Petera sy Jaona tokoa ny fampahoriana sy ny famatorana izay nahazo azy roalahy, noho ny fahasahina nanao ny asan Andriamanitra, dia ny fitoriana ny famonjen’i Jesoa Kristy. Tsy nanary azy roalahy mihitsy izy ireo ary tsapan’izy roalahy izany; hany ka nihazakazaka namonjy ireo namany izy ireo rehefa navotsotra. Nafana tokoa izany fihaonana izany, ary nahitana taratra ny fiombonam-po sy fifankatiavana, ka nahatonga azy ireo niara-nanandratra ny feony hitalaho amin’Andriamanitra ny hiahian’Andriamanitra azy ireo, ka hananany fahasahiana hatrany na inona na inona sakantsakana. Isika mpianany koa dia tokony hiombom-po sy hangataka ny fahasahiana toy izay nananan’i Jesoa Kristy teo am-panatanterahana ny asany.
2- Henoin’Andriamanitra
Andriamanitra velona ny Andriamanitra nivavahan’ireto mpianatra ireto, koa rehefa nitalaho fatratra tamin’ny finoana izy ireo dia novalian’ Andriamanitra. Nofenoin’Andriamanitra ny Fanahy Masina ka tonga nanana fahasahiana nitory ny Tenin’Andriamanitra avokoa (and 31). Andriamanitra dia mahita sy mandre ny fahoriana sy fanenjehana mahazo ny Kristiana. Raha manana finoana tokoa isika, ka miantoraka sy mitaraina Aminy dia tsy hitaredretra Izy, fa hamaly sy hanome ho antsika ny Fanahy Masina mba hahazoantsika hery sy fahasahiana hanao ny asan’Andriamanitra. Ny olona toy izany no tena mpianatry ny Tompo tokoa.
Fanontaniana:
Tena mpanatry ny Tompo marina tokoa ve ianao? Hazavao.
Sampana Sekoly Alahady Foibe