Zoma, faha 16 Mey 2025
(Sal 1, 1-3 / Hira 1,1-2 / Vavaka / Mofonaina / Hira 549, 1-2)
1Petera 1.10-12
Ny asan’ny Fanahy Masina tao amin’ireo mpaminany:
1- Nanambaran’izy ireo ny lalam-pamonjena
Ny famonjena entin’ny fiavian’i Kristy dia nandrandrain’ny Jiosy fatratra, sady efa nampilazaina ny mpaminany nifandimby rahateo. Na ireo mpaminany nanambara izany aza dia mba naniry fatratra ny hahita izany. Tsy ny fahatanterahan’ny famonjena ihany no nampitenenin’ny Fanahy Masina azy ireo fa nampilazaina azy ireo ihany koa ny fahatanterahan’ny famonjena izay tsy maintsy ialohavan’ny fijaliana sy ny fahafatesan’i Kristy, vao hiseho ny voninahiny. Rehefa miasa ao anatintsika tokoa ny Fanahy Masina, na dia ny zavatra ho avy aza dia hambarany amintsika araka ny Jaona 16,13b manao hoe « ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo ».
2- Nampitory azy ireo ny Filazantsara ho antsika
Naseho tamin’izy ireo tamin’ny bitsiky ny Fanahy ihany koa manoloana ny fanirian’izy ireo te hahita fatratra izany famonjena izany, fa tsy izy ireo izay nampilazaina ny hahita izany fa ho an’ny taranaka ho avy. Tsy nahakivy azy ireo anefa izany; nampahery azy ireo ny Fanahy Masina ka nahafahany nitory hatrany ny Filazantsara ho an’ny taranaka ankehitriny. Ny olona iasan’ny Fanahy Masina dia tsy mijery na miasa ho an’ny tenany ihany, fa mihevitra izay hahasoa ny taranaka ihany koa; mampita ny Filazantsara amin’ny taranaka mifandimby, mba handraisan’izy ireo ny Famonjena natao ho azy ireo.
Fanontaniana:
Vonona ve ianao hampita ny Filazantsara amin’ny tarakanao mifandimby? Ahoana ny fomba hanaovanao izany?
Sampana Sekoly Alahady Foibe