Sabotsy, faha 31 Mey 2025

(Sal 123.1-6 / HF7.1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira506.1-2)

Asan’ny Apostoly 1. 6-11

Ny niakaran’i Jesoa any an-danitra

Efapolo andro ataorian’ny nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty dia nakarina velona any an-danitra Izy. Izany dia midika fa:

1- Tsy fanjakan’ny tany ny fanjakany (tsy pôlitika pôlitisiana)

Tamin’ny fahitan’ny mpianatry ny Tompo Azy nitsangan-ko velona, ka niseho taminy dia nihevitra izy ireo fa tonga ihany ny fotoana hampodiana ny fanjakana amin’Isiraely. Izany hoe ny hananganan’i Jesoa fanjakana hanafaka ny Isiraely eo ambany fanapahan’ny Romana, ary izany no nahatonga azy ireo hanontany an’i Jesoa. Valin-teny nomen’i Jesoa azy ireo ny hoe: Andriamanitra irery ihany no mahalala izay tiany hatao amin’ny fanjakana notendreny. Tsy nasian’i Jesoa resaka io fanafahana ny Isiraely amin’ny Romana io satria fanjakan’ny lanitra ny Azy fa tsy fanjakan’ny tany be pôlitika. Andeha ny pôlitikan’ny lanitra no hiainana.

2- Fanirahana ny mpianatra hijoro vavolombelony

Ny fanjakan’ny lanitra no tian’i Jesoa hitarina sy hivelatra ka izany no nanomezany toky ny mpianatra hoe: « fa hahazo hery » amin’ny Fanahy Masina izy ireo, ka hijoro ho vavolombelony any Jerosalema sy Jodia ary Samaria, eny hatrany amin’ny faran’ny tany. Variana ny mpianatra raha niandrandra ny lanitra, toa very saina ka notairin’ny anjely mba tsy hitaredretra fa hamita ny iraka, satria mbola ho avy ny Tompo hijinja ny vokatray ny asan’izy ireo. Maniraka antsika hanao ny asany koa ny Tompo ankehitriny.

Fanontaniana:

Inona no andrasan’ny Tompo aminao amin’izany Takarany velona any an-danitra izany?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Zoma, faha 30 Mey 2025

(Sal 138.1-3 / Hira3, 1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 460.1-2)

Salamo 47.1-9

Andriamanitra be voninahitra sy velona Izy

1- Mendrika ho deraina

Ny fiderana an’Andriamanitra dia meneho fa velona Izy ka afaka mandre sy mandray izany fiderana sy fihobiana Azy izany. Ny Andriamanitra velona ihany no atahorana. Ka ny asa rehetra ataony dia tokony, hanomezana voninahitra Azy hatrany satria mahasoa ny olon-drehetra izany. Maneho izany fahavelomana izany ny teny hoe: « mandresy firenena maro ». Andeha isika hidera an’Andriamanitra fa mendrika Azy izany.

2- Miasa sy mihevitra izay hahasoa ny olony

Velona Izy, azo ampitahaina amin’ ireo raiamandreny mbola velona, manan-janaka velomina sy ahiana izay mihevitra mandrakariva ny hahasoa ny zanany. Izany no hevitra fonosin’ny Soratra Masina manao hoe: « Mandresy ny firenena maro Izy ho ambanintsika, ary firenen-tsamy hafa ho ambanin’ny tongotsika » (and3)..

3- Manapaka ny firenena rehetra

Andriamanitra mahery Izy, ary mpanao izao rehetra izao. Azy ny tany sy izay rehetra ao aminy; ary izany indrindra no ilazana fa « Mpanjaka amin’ny tany rehetra Izy » (and 7), ary « manjaka amin’ny firenen-tsamy hafa » (and 8). Na iza na iza mpitondra ety ambonin’ny tany dia mindrana ampahana fahefana avy Aminy. Fitiavan’ Andriamanitra ny firenena rehetra no anaovany izany. Tokony hanaiky izany fanjakan’Andriamanitra izany ny olona rehetra ka hanaja Azy.

Fanontaniana:

Tsapanao eo amin’ny fiainanao tokoa ve ny fahaveloman’ny Tompo?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Alakamisy, faha 29 Mey 2025

(Sal 124.1-8 / Hira 170.1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 530.1-2)

Jaona 14.25-31

Ny fitiavan’i Jesoa ny mpianany

Ny fitiavan’i Jesoa izany dia hita amin’ny alalan’ny:

1- Fanomezany ny Fanahy Masina

Nambaran’i Jesoa fa rehefa handeha Izy dia hirahin’ Andriamanitra amin’ny Anarany ny Fanahy Masina mba hampahatsiaro sy hanazava amin’ny mpianatra izay fampianarana nataon’i Jesoa. Fitiavan’i Jesoa ireto mpianatra ireto no anton’izany, mba tsy hahatsapan’izy ireo fahabangana amin’ny fotoana tsy maha co Azy intsony. Izany hoe ny Fanahy Masina Mpananatra indray no haka ny toeran’ny Tompo ka hampianatra. Tian’ny Tompo isika matoa omeny ny Fanahy Masina.

2- Fanomezany ny fiadanana

Fantatry ny Tompo fa hampaory sy hitondra tahotra ho an’ny ny mpianatra ny fisarahana misy eo Aminy sy izy ireo, ka izany no nampaherezan’i Jesoa azy ireo sahady hoe: « Fiadanako no omeko anareo » sy ny hoe: « Aza malahelo na matahotra ny fonareo ». Fiadanana izay tsy ara-nofo fa ara-panahy, dia ilay fiadanam-po afaka mampionona sy mampifaly azy ireo manoloana ny zava-mitranga rehetra.

3- Fanomezany ny tenany ho sorona

« Ny fiavian’ny andrianan’izao tontolo izao » no iantsoan’i Jesoa ireo olona tonga hisambotra sy hamono Azy. Nekeny anefa izny mba ho fanehoany ny fitiavany an’Andriamanitra Ray, satria nandidian’ny Ray Azy izany ka hataony. Raha tia an’i Jesoa isika dia tokony hanaiky izay nandidiany antsika ihany koa, satria Izy efa tia antsika.

Fanontaniana:

Inona no porojo anehoanao ny fitiavanao an’t Kristy?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Alarobia, faha 28 Mey 2025

(Sal 40.1-4 / Hira18.1-2 / Vavaka /. Mofonaina/ Vavaka /Hira 430.1-2)

2 Korintiana 3.12-18

Ny olona afaka

Fahasoavana lehibe tokoa no iainana amin’izany fahafahana izany. Asehon’ny Soratra Masina eto àry araka ny perikopa fa ny olona afaka dia:

1- Mahatakatra ny hevitry ny Soratra Masina

Hoy ny Soratra Masina hoe: izay itoeran’ny fanahin’ny Tompo no itoeran’ny fahafahana » ary izay itoeran’ny fahafahana no afaka amin’ny fisalobonana ka mahatakatra ny hevitry ny Soratra Masina. Ny atao hoe fisalobonana dia fahamaizinan-tsaina manakana ny olona tsy hahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra. Tonga donto ny sainy sy ny fony ka tsy mety mandray sy tsy mahatakatra ny fahazavana sy ny fahamarinan’ny Soratra Masina; hany ka manaotao foana. Andeha isika tsy hanaiky ho rakofan’i satana ny fisalobonana fa mba hanaiky ny fitarihan’ny Fanahy MAsina hahatakarantsika ny hevitry ny Soratra Masina.

2- Mijery ny voninahitry ny Tompo

Ny olona manana fanantenana araka izay ilazan’i Paoly azy dia manana fahasahiana mijery sy manatrika ny voninahitry ny Tompo. Izany hoe sahy manatrika ny Tompo amin’ny maha izy azy sy araka ny fanekena ny sitrapony, satria avy amin’izany ihany no ahafahany koa manafy voninahitra ny olona tsy ho tratry ny fisalobonana. Ny olona afaka hahatakatra ny hevitry ny Soratra Masina sy miaina amin’izany ho vavolombelon’ny Tompo ka tafiany voninahitra.

Fanontaniana:

Efa afaka amin’ny jisalobonana tokoa ve ianao ka mahatakatra ny hevitry ny Soratra Masina?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Talata, faha 27 Mey 2025

(Sal 97.1-6 / Hira 6.1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira630.1-2)

Mpitsara 11.29-32

Ny olona itoeran’ny fanahin’Andriamanitra

1- Vonona handray andraikitra noho ny fitiavana ny tanindrazana.

Na dia noroahina aza i Jefta, niala tao Gileada dia nanaiky hiverina izy rehefa notongavan’ny Fanahin’i Jehovah. Izany Fanahy izany no nitarika azy hitety ny tany satria niverina tao anatiny indray ny fitiavana ny fireneny. Izany no nanekeny handray andraikitra hitarika ny Gileada indray, araka ny fiangaviana izay natao taminy. Porofon’izany fahavononany handray andrakitra izany izay nasehony fony izy reo hiady amin’ny taranak’i Amona. Ny Fanahin’Andriamanitra dia mahatonga ny olona handray andraikitra noho ny fitiavana ny tanindrazana.

2- Miantehitra amin’ny herin’Andriamanitra

Teo anatrehan’izany fahavononan’i Jefta hifanandrina amin’ny taranak’i Amona izany dia tsy niantehitra tamin’ny herin’ny tenany izy raha nieritreritra handresy, fa nametraka ny fanantenany tamin’ny fanampian’Andriamanitra. Porofon’izany ny voady nataony tamin’Andriamanitra hoe: « …raha atolotrao eo an-tanako tokoa ny taranak’i Amona » (and 30). Izany hoe ny tanan’Andriamanitra no nantenainy hiasa hanolotra ny fahavalo ho resy eo an-tanany fa tsy ny tanjaky ny tafika izay novolavolainy. Zava-dehibe tokoa izany fianteherana amin’Andriamanitra izany satria raha misaraka amin’i Jesoa Tompon’ny fahefana sy ny hery isika dia tsy mahefa na inona na inona. Izy no afaka mampandresy antsika; ary na ny fahafatesana aza efa dia noreseny.

Fanontaniana:

Matoky an’Andriamanitra ve ianao amin’io zava-tsarotra atrehanao io? Hazavao àry!

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Alatsinainy, faha 26 Mey 2025

(Sal 23. 1-6 / Hira185,1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 451.1-2)

Jaona 16.12-15

Ny hahatongavan’ny Fanahin’ny fahamarinana

Matoa misy ny iraka dia misy ny antony. Ny hahatongavan’ny Fanahy Masina dia:

1- Hampianatra sy hitari-dalana

Anarana iantsoana ny Fanahy Masina koa ny hoe Fanahin’ny Fahamarinana. Io no hitari-dalana sy hanazava amin’ny mpianatra ny amin’ireo fampianarana nambaran’i Jesoa nefa tsy azony. Hampianatra azy ireo izay tsy voalazan’i Jesoa mivantana tamin’izy ireo koa noho i Jesoa izay tsy maintsy hisaraka aminy. Hampianatra azy ireo ny marina tokony hiainana. Ny marina satria tsy izay tiany ho tenenina no tenenina fa izay marina asain’ Andriamanitra teneniny ihany. Raha ny Fanahy Masina tokoa no avelantsika hitarika antsika dia hahafantatra sy hiaina amin’ny fahamarinana hatrany isika.

2- Hankalaza an’i Jesoa Kristy

Ny Fanahy Masina dia izay momba sy ny sitrapon’i Jesoa Kristy ihany no hambarany satria izy io dia hirahin’Andriamanitra amin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Izany hoe hanambara sy hankalaza ary hijoro vavolombelon’ny fahaveloman’i Jesoa krišty izy. Izy no manohy ny asa natombok’i Jesoa amin’ny fananarana sy fandresena lahatra ny olona mba handraisany sy hahatanteraka ny fanjakan’ Andriamanitra. Ny olona itoeran’ny Fanahy Masina dia mankalaza an’i Jesoa Kristy.

Fanontaniana:

Manaiky ve ianao hampianarin’ny Fanahy Masina?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Alahady, faha 25 Mey 2025

(Sal 1.1-6 / Hira16.1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 409.1-2)

Mika 3. 5-8

Andriamanitra mihevitra ny vahoakany

Nampahalahelo an’Andriamanitra loatra ny vahoakany noho ny nafitsok’ireo olona milaza ho mpaminany, kanjo sandoka. Hany ka nandray ny andraikiny Izy:

1- Hampahamenatra sy hanafay ny mpaminany sandoka

Tao anatin’ny fahoriana lalina tokoa ny vahoakan’ Andriamanitra tamin’ny fotoana izay naminanian’i Mika. Nanampy trotraka izany ny nataon’ireo mpaminany izay nitady ny tombotsoany ka nilaza izay tiany ho lazaina sy izay tian’ny mpitondra ho re. Nisy ireo milaza fiadanana kanefa manaikitra amin’ny nifiny ary izay tsy ahazoan’izy ireo tombontsoa dia iantsoany ady hoy ny Soratra Masina. Saro-piaro amin’ny vahoakany Andriamanitra ka manafay ny mpaminany milaza lainga toy izany: nataon’Andriamanitra izay ahatonga azy ireo tsy hanan-kambara mba ho menatra. Aoka isika tsy hilaza lainga amin’ny anaran’ny Tompontsika.

2- Mampahery ireo mpaminany izay nofidiny sy nirahiny

Tsy ny manafay ihany nefa no hain’Andriamanitra fa ny mampahery ihany koa. Eto Izy dia mampahery an’i Mika amin’ny alalan’ny Fanahiny mba hahazoany manambara ny faminaniana marina avy amin’Andriamanitra ka hanambara ny heloka sy ny fahotan’ny Zanak’Isiraely. Mampahery antsika Fiangonana àry Andriamanitra mba hahasahiantsika milaza ny sitrapony marina tokoa, na dia hanelingelina ny olona sy hanafintohina azy aza izany noho ny fahotany.

Fanontaniana:

Izay nasain’Andriamanitra nolazainao tokoa ve no nolazainao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Sabotsy, faha 24 Mey 2025

(Sal 100.1-5 / Hira 14.1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka/Hira267.1.4)

Asan’ny Apostoly 4.23-31

Ny tena mpianatry ny Tompo marina tokoa

1- Miombom-po mandrakariva

Mafy tamin’ireo naman’i Petera sy Jaona tokoa ny fampahoriana sy ny famatorana izay nahazo azy roalahy, noho ny fahasahina nanao ny asan Andriamanitra, dia ny fitoriana ny famonjen’i Jesoa Kristy. Tsy nanary azy roalahy mihitsy izy ireo ary tsapan’izy roalahy izany; hany ka nihazakazaka namonjy ireo namany izy ireo rehefa navotsotra. Nafana tokoa izany fihaonana izany, ary nahitana taratra ny fiombonam-po sy fifankatiavana, ka nahatonga azy ireo niara-nanandratra ny feony hitalaho amin’Andriamanitra ny hiahian’Andriamanitra azy ireo, ka hananany fahasahiana hatrany na inona na inona sakantsakana. Isika mpianany koa dia tokony hiombom-po sy hangataka ny fahasahiana toy izay nananan’i Jesoa Kristy teo am-panatanterahana ny asany.

2- Henoin’Andriamanitra

Andriamanitra velona ny Andriamanitra nivavahan’ireto mpianatra ireto, koa rehefa nitalaho fatratra tamin’ny finoana izy ireo dia novalian’ Andriamanitra. Nofenoin’Andriamanitra ny Fanahy Masina ka tonga nanana fahasahiana nitory ny Tenin’Andriamanitra avokoa (and 31). Andriamanitra dia mahita sy mandre ny fahoriana sy fanenjehana mahazo ny Kristiana. Raha manana finoana tokoa isika, ka miantoraka sy mitaraina Aminy dia tsy hitaredretra Izy, fa hamaly sy hanome ho antsika ny Fanahy Masina mba hahazoantsika hery sy fahasahiana hanao ny asan’Andriamanitra. Ny olona toy izany no tena mpianatry ny Tompo tokoa.

Fanontaniana:

Tena mpanatry ny Tompo marina tokoa ve ianao? Hazavao.

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Zoma, faha 23 Mey 2025

(Sal 97.1-6 / Hira194.1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 487.1-2)

2 Samoela 23, 1-7

Ny asan’ny Fanahy Masina amin’ny olom-boahosotra:

1- Mametraka ny teny ao am-bavany

Resy lahatra mihitsy i Davida eto fa ny Fanahin’ Andriamanitra no mampiteny azy sy mametraka izay holazainy ao amin’ny lelany. Ary isan’izany ny talenta ahafahany midera sy manome voninahitra an’Andriamanitra. Amin’izany no ampiteneniny fanantenana feno ho azy amin’ny alalan’ny fanapahana, amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra. Isika koa raha tena mitoetra ho olon’Andriamanitra tokoa dia ny Fanahy Masina no hampitoetra ny teny ao am-bavantsika amin’ny fotoana ilantsika izany, araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe: « aza manahy ny amin’izay fomba hitenenanareo…, fa homena anareo amin’izany ora izany izay holazainareo » (Matio 5, 19)

2- Manazava ny fiainany

Ny Fanahy Masina ihany koa dia atao hoe Fanahy mpanazava satria manazava ny fianan’ny olom-boahosotra toa an’i Davida araka ny nilazany azy hoe: « ary izany dia toy ny fahazavan’ny maraina, raha miposaka ny masoandro. Dia ilay maraina tsy misy rahona iny » (and.4). Izany hoe: tsy hisy zavatra hanakontakona ny famirapiratan’ny tavan’Andriamanitra mihitsy eo amin’ny fiainany, satria manao fanekena aminy Andriamanitra amin’ny fampidinana ny Fanahiny. Mandamina ny fianany Andriamanitra, ary efa mampitsimoka ny famonjena azy sy ny taranany. Toy izany no fahasoavana omen’Andriamnitra ny mpanompony amin’ny alalan’ny fiasan’ny Fanahy Masina. I Jesoa rahateo dia ambarafa fahazavan’izao tontolo izao.

Fanontaniana:

Inona no asan’ny Fanahy Masina ao aminao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe