Alatsinainy, faha 28 Aprily 2025

Sal 47,5-9 / Hira Fifoh 348 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira:2:1,2

Jeremia 10. 6-16

« Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay »

Andriamanitra velona, tsy manaiky ny sampy

1- Jehovah, Izy no Andriamanitra velona

Tsy misy izay tahaka Azy, lehibe amin’ny hery ny anarany (and.6), Jehovah no Andriamanitra tokoa (and.10), sy Mpanjaka mandrakizay. Andriamanitra Mpahary, Andriamanitra hendry. Jehovah Tompon’ny maro, no anarany. Tsy takatry ny saina ny fahalebiazan’ Andriamanitra, tsy misy tsy hainy hatao. Voasoratra ao amin’ny Gen18, 14 hoe: « Moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain ‘i Jehovah va? ». Tanteraka ao amin’i Jesoa Kristy ireo toetra rehetra maneho ny fahalebiazan’ Andriamanitra. Jesoa no Ilay niteny hoe: « Izaho sy ny Ray dia iray ihany » (Jao 10, 30). Manamafy izany ny voasoratra ao amin’ny Jao 5, 20 hoe: « Isika ao amin’ilay marina, dia ao amin’i Jesoa Kristy Zanany, Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay ».

2- Zava-poana ny sampy

Maro ireo andriamanitra sandoka izay nitokian’ny olona, araka ny voatanisa eto: tapa-kazo (and.8), volafotsy voafisaka nalaina tany Tarsisy, volamena avy tany Ofaza, asan-tanan’ny mpiasa sy ny mpanefy volamena (and.9). Tsy ankasitrahan Ilay Andriamanitra velona izany. Voasoratra hoe: » Aza manana andriamani-kafa fa Izaho ihany » (Eks 20,3). Mampianatra antsika i Jesoa fa isan’ny didy lehibe ny fitiavana an’Andriamanitra amin’ny fo rehetra, fanahy rehetra, saina rehetra ary koa ny fitiavana ny namana tahaka ny tena (Mat 22, 37-38).

Fanontaniana

Inona avy ireo sampy tsy ankasitrahan Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2025

Mey: MITARI-DALANA NY FANAHY MASINA

| | 25. Ala. V man. Paska - Alahady FFPM
Mik. 3. 5-8 | Jao. 16. 12-15 | 2 Kor. 3. 12-18

Jona: AN'NY TOMPO NY FAHEFANA

| | 01. Ala. VI man. Paska
2 Tan.25. 1-12 | Mat.10. 26-31 | Jak.4. 11-17