Alahady, faha 20 Aprily 2025

(Sal 66,8-12 / Hira: 146 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira:142)

Daniela 6. 26-29

Ny Andriamanitra ivavahantsika

1- Andriamanitra velona

Natsipy tao an-davaky ny liona i Daniela noho ny fanohizany nandohalika sy nivavaka intelo isanandro teo anatrehan’Andriamanitra (and11). Nalahelo ny mpanjaka ary dia nirary azy hoe « Andriamanitrao Izay tompoinao mandrakariva anie hamonjy anao »(Dan 6.17). Nanontany ny mpanjaka nony maraina ny andro raha nahavonjy an’i Daniela ny Andriamanitra nivavahany (and 21). Namaly Daniela hoe: << Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny ka nanakombona ny vavan’ny liona tsy handratra ahy » (and23). Faly ny mpanjaka, ary nanao fanambarana miezinezina fa Andriamanitra velona ny Andriamanitr’i Daniela (and 27). lanao koa dia ilaina mba hanambara fa velona Jesoa. Hainy ny manafaka anao amin’ny fandrika.

2- Mpamponjy sy mpanafaka

« Izy no mamonjy sy manafaka ary manao famantarana sy fahagagana » (and 28). Tsy takatry ny sain’olombelona ny fahalebiazan’ny Tompontsika. Amintsika mantsy, izay alatsaka ao an-davaky ny liona dia tsy maintsy maty; izay atsipy ao anaty lafaoro mahamay dia tsy maintsy kila forehitra; izay atelin’ny hazandrano any an-dranomasina dia tsy misy hevitra intsony; ary izay nodimandry dia tsy ho velona intsony. Manambara anefa ny Tompo hoe: « Ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako » (Isa55, 8). Aminy dia « miara-miasa hahasoa ny zava-drehetra » (Rom 8,28). Hainy ny manavotra sy hanafaka ny mpanompony. Jesoa no Mpamonjy sy mpanafaka antsika.

Fanontaniana

Inona avy ireo tranga efa nanafahan’ny Tompo anao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2025

Mey: MITARI-DALANA NY FANAHY MASINA

| | 04. Ala. II man. Paska
Ezekiela 43. 1-9 | Lioka 4. 1-13 | Asan'ny Apostoly 16. 6-10

| | 11. Ala. III man. Paska - S. Lehilahy Kristiana
Zak. 4. 1-7 | Mar. 13. 9-11 | 1 Pet. 1. 10-12

| | 18. Ala. IV man. Paska - Mpiasa Foibe FJKM
2Sam. 23. 1-7 | Mat. 12. 22-30 | 1 Kor. 12. 1-11

| | 25. Ala. V man. Paska - Alahady FFPM
Mik. 3. 5-8 | Jao. 16. 12-15 | 2 Kor. 3. 12-18