Alahady 02 Febroary 2025

Sal 100. 1-5/Hira 207: 1/ Vavaka/Mofonaina/Vavakal Hira 207: 2,3

    « Ary tonga ny Tenin’i Jehovah… » hoy ny filazan’i Zakaria azy eto. Miverina in-dimy ny filazana hoe « izao no lazain’i Jehovah ». Midika izany, fa tena tsy mitsahatra miteny amintsika, mampahafantatra antsika ny sitrapony tiany arahintsika Andriamanitra, na ny fikasany tiany ampitaina amintsika, na ihany koa ny drafi-pamonjena tiany tovina ho famonjena antsika. Zava-dehibe izany, koa atongilano ny sofintsika hihaino izay tian’ny Tompo ambara. Fa mbola nampiteneniny tamintsika ihany koa i Jesoa zanany, mba tsy hahadiso lalana antsika.

      « Saro-piaro dia saropiaro an’i Ziona Aho… » hoy ny Tompo eto. Midika izany fa tian’Andriamanitra ary tsy foiny ny olony fa koa sady tsy ariany no tsy foiny koa; ny dikan’ny anarana hoe Zakaria rahateo dia hoe: Mahatsiaro Jehovah; izany hoe tsy manadino ny olony mihitsy Andriamanitra, ary na inona na inona nataon’ny olony, dia tiany sady sitrany avotana hatrany, na dia kapohiny mafy aza amin’ny fotoana sasany, dia mbola fitiavana ihany no ambadik’ireny.

        « Dia ho oloko izy ary Izaho kosa ho Andriamaniny », io no endri-pifandraisana tian’i Jehovah ifandraisana amin’ny olona. lo no mampiharihary, fa Andriamanitra miadidy, miaro, mitahy ny olony ary momba azy mandrakariva, ary ny olony kosa dia hanompo sy hanaja Azy amin’ny fotoana sy ny toerana rehetra. Andraikitr’Andriamanitra ny mamonjy ny olony, ary efa nataony izany (Jao 3. 16), fa anjaran’ny olona kosa ny mandray ny fanavotany!

        Ahoana ny fisehon’ireo hafatra ireo eo amin’ny fiainanao?

        Sabotsy 01 Febroary 2025

        VOLANA FEBROARY

        MAMONJY NY TENIN’ANDRIAMANITRA

        Sal 93. 1-5/Hira 205: 1/Vavaka/ Lioka 6. 46-49/Vavaka/ Hira 205: 3

        Fampianarana maro no efa nataon’i Jesoa mialoha ity anjara mofonainantsika ity. Ary ampianariny antsika eto koa fa ny andrasany sy ilainy amin’izay mandre ny Teniny sy mihaino ny fampianarany dia:

        1. Tsy valin-teny imolotra fotsiny (and 46)

          « Ary nahoana lanareo no manao amiko hoe Tompoko, Tompoko nefa tsy manao izay lazaiko? » hoy i Jesoa. Ahasinkasiny amin’izany fa tsy resaka na fitsetserana fotsiny na koa mihatokatoka fotsiny no andrasan’i Jesoa amin’ny olona mihaino Azy. Tsy hafanam-po fotsiny co am-pihainoana ka hoe tapitra ny toriteny dia tapitra ihany koa ny hafanana…izany ilay hoe: tompoko, tompoko.

          2. Fankatoavana sy fampiharana (and 48)

          « Tahaka ny olona nanao trano…ary nanisy fanorenana teo ambonin’ny vatolampy », no anchoan’i Jesoa ny olona Mankato sy mampihatra izay nampianariny. Hitantsika eto fa nanosika ity karazan’olona ity hanana fahendrena sy fanorenana mafy ny Tenin’i Jesos, latsa-paka ao anatiny ary mahatonga azy ho tsara fototra, ka na inona na inona mitranga, dia tsy mampihontsona ny finoany efa tsara orina; na fizahan-toetra hahamay, na fakam-panahy hitaona, tsy miova ny finoany. Mandry fehizay izy.

          3. Raha tsy izany maty antoka (and 49)

            « ka dia nirodana niaraka tamin’izay izy, ary loza ny naharavan izany trano izany » hoy ny filazan’i Jesoa ny olona, mba naheno Toriteny ihany kanefa tsy navelany hanova na inona inona teo aminy izay norenesiny, hany ka tsy misy fototra iorenana izy fa vao voadona kely dia mianjera ary tsy fe mianjera fa mongomongo sy torotoro. Ankatoavy ny Teny sy ny fampianaran’i Jesoa!

            Fanontaniana

            Hatraiza ny ny fankatoavanao ny Tenin’i Jesoa?

            Sampana Sekoly Alahady Foibe