Alakamisy 20 Febroary 2025

Sal 95, 6-11/Hira 164/Mofonaina/ Hira 432.1

Teny taorian’ny fanoharana ny voa nafafy izao mofonaina izao. Misy ireo tsy nandaitra ary misy koa ny nandray tsara ny voa. Toriana sy afafy hatrany ny teny fa tsy maintsy hisy ireo:

    Raha ny fampianaran’i Jesoa eto dia mazava fa misy olona efa tena natao handray ny teny fiainana, ka mandaitra aminy izany. Tsy hoe mandaitra fotsiny ihany fa tena mitombo amin’ izany izy ary mahalala hatramin’ny zava-miafina momba ny fanjakan’ Andriamanitra.

    Nifidy olona ho amin’izany i Jesoa, anisan’izany ireto mpianany izay nanaraka azy hatrany ka tsy nivadika. Nitombo ny teny ka nanana be izy ireo ary afaka nizara. Mila olona tahaka izany ny Fiangonana hamafy ny teny tsara ho an’ny rehetra fa maro no mbola tsy mahalala ankehitriny.

      Misy karazan’olona izay ambaran’i Jesoa fa tsy mandray ny teny, mafy fo ka tsy miova na manova ny fanao na dia mandre ny teny aza. Amin’ny fotoana sasany, izay efa norenesiny aza dia mety tsy hotsaroany akory. Ny Fiangonana dia mahatsiaro ny fisian’izany. kanefa Andriamanitra ihany no tena mahalala izay ao am-po. Tsy mahazo ketraka noho izany anefa izay mitory fa na i Jesoa aza dia mbola miala nenina (And.15) ary mbola manaiky hanasitrana azy.

      Toriana hatrany ny Teny. Lazaina ho ren’ny olona rehetra ny filazantsara, fa izany no antom-pisian’ny Fiangonana. Mahazo tombony ireo izay efa mandray sy mankato fa entina am-bavaka ihany koa ireo tsy mety mihaino mba hiova ka hibebaka.

      Nahoana no tsy mitoetra anatin’ny mino ny Teny reny?

      Alarobia 19 Febroary 2025

      Sal 96, 11-13 / Hira 354: 1,4 / Mofonaina / Hira 460: 1.2

      Fanasana, antsoantso, eny toa baiko koa aza, mba hisitraka ny fahasoavan’ Andriamanitra no hita eto (And.1-7). Ny fibebahana amin’ny fahotana no làlana hiverenana indray amin’ Andriamanitra, fahafoizana tanteraka ny fanao ratsy rehetra. Efa miandry fatratra ny Tompo satria eo anilantsika Izy ka mandondona ny fontsika. Misy fetra anefa ny famaliana izany antso izany, ampiasaina ny teny hoe: « dieny mbola ». Na izany aza dia tena vonona handray tokoa Izy satria hamindrafo amin’izay rehetra mibebaka.

      Fotoanan’ny famindrampon’ Andriamanitra izao, koa miverena ary aza mangataka andro intsony. Hoy Jesoa: « Fa efa tonga ny Zanak’olona hitady sy hamonjy ny very. » (Lio 19,10)

      Oharina amin’ny ranonorana sy ny orampanala ny Tenin’ Andriamanitra ka miasa (And.10) ary miafara amin’ny fahazoan’ny olombelona sakafo fihinana. Araka ny fiheviny sy ny fombany no hahatanterahan’ny Tompo ny fampanantenany. Ny And.12 sy And 13 dia ahitana izany sahady fa tanteraka ny famonjena ka hanana fifaliana sy fiadanana ny olony.

      Izay nambaran’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny mpaminany dia tanteraka avokoa izany. Jesoa Kristy izay nampanantenaina dia tongo nofo hamonjy izao tontolo izao. Koa tano amin’ny finoana ny fampanantenany hamelona anao. «Andriamanitra tsy mba olona ka handainga na zanak’olombelona ka hanenina; moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? Na efa niteny va Izy, ka tsy hotoaviny?» (Nom 23, 19)

      Nahoana no misy ihany ireo mbola misalasala ny amin’ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra?

      Talata 18 Febroary 2025

      Sal 98, 1-3/ Hira 205 :1.4/ Mofonaina/Hira 461:1,6

      « Fanilon’ny tongotra sy fanazavana ny lalako ny teninao. » (And.105). Asa roa indray miaraka по vitan’ny Tenin’Andriamanitra eto: mitsilo ny lavitra ary manazava ny akaiky ao anaty haizina. Vokany, toerana azo antoka no ametrahana ny tongotra rehefa mandeha ary tsy ho latsaka anaty lavaka mihitsy na dia mametraka fandrika aza ny fahavalo. Noho izany dia hahavita lalan-davitra izay manana ny Tenin’ Andriamanitra.

      Izay miara-dalana mandrakariva amin’ny Tenin’Andriamanitra dia mahazo antoka ny ankehitriny ary tsy manana ahiahy amin’ny hoavy. Jesoa Kristy ilay Teny tonga nofo te hiara-honina amintsika manome toky ny ankehitriny sy ny mandrakizay

      « Efa noraisiko ho lovako mandrakizay ny teni-vavolombelonao satria fifalian’ny foko izany. » (And.111). Hita amin’izao Soratra Masina izao fa tsy mora ny fijoroana vavolombelona amin’ny fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra, toy ny mitondra fahoriana mihitsy aza. Eo anatrehan’izany no anehoana ilay safidy tsara, hirakitra mandrakariva ao am-po ny Tenin’Andriamanitra ho toy ny lova, izay anjara tsy azo esorina intsony. Vokany, ilay fahoriana teny am-piandohana hivadika ho fifaliana tsy azo ravana. Ary anehoam-pahavonona fa hankato hatramin’ny farany. Izay manana fo feno ny Tenin’Andriamanitra dia hanam-piadanana na hamafy fanakiviana aza izao tontolo izao.

      Mba tsapanao ve ny hamamin’ny Tenin’Andriamanitra?

      HAFATRA KOMITY FOIBE – SAMPANA FIVONDRONANA LAIKA

      Miorena tsara, aza miovaIKor 15, 58b 
      « Inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany” Mat 5, 47b

      MAMRE  Sabotsy Namehana, 06 Febroary 2025

      Ho an’ ny Synodamparitany, ny Vondrom-Paritany Laika,

      Ny Mpitandrina, ny Vondrona Fototra Laika.

      ANTONY : HAFATRY NY KOMITY FOIBE NIVORY TETO SABOTSY NAMEHANA NY 04- 05- 06 FEBROARY 2025                                                                                                                       

      Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompontsika !

      Manantitra ny fiarabana ho antsika Kristianina rehetra nahavita soa  ny Noely 2024 sy  nahatratra ny taona vaovao 2025 . «Ny mason’i Jehovah Andriamanitrao mitsinjo azy mandrakariva hatramin’ny fiandohan’ny taona ka hatramin’ny fiafarany »  ny Déo 11 : 12b no entina hiarabana  sy hirariana soa ho antsika rehetra vahoak’ Andriamanitra.

      Misaotra ny Tompo isika fa tanteraka  soamatsara ny Komity Foibe ny Sampana Fivondronana Laika ny 04 – 05 – 06 Febroary 2025 teo MAMRE Sabotsy Namehana Synodamparitany Iarivo Avarandrano (SPIA 19) izay notarihin’ny Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana : Andriamatoa ROBSON RADO Lalaina ; Mpitandrina sy Andriamatoa RATSIRAHONANA Lalaina ,Mpiandraikitra Foibe Mpiahy ary ny Biraon’ny Sampana Fivondronana Laika  sy ny Tonia.

      Ireto no hevitra notapahina sy nisongadina tamin’izany :

      1. Fanatanterahana ny VINA ny taom-piasana vaovao : LAIKA MASINA – MIOMBONA -MIASA ( Lev 19 :2 ; II Kor 2 :16 ; Efe 4 :16).
      2. Ampaherezina isika amin’ny fanohizana ireo soritr’asa ny  Sampana Fivondronana Laika :izay efa natomboka :
      3. Centre d’ Acceuil : tsangambato faha 45 taona any Mahajanga
      4. LAMAKO : Laika Miady amin’ny Kolikoly.
      5. LOHARANO
      6. Fankatoavana ny tetibola 2025 sy ny tetik’asa.
      7. Ho tanterahina any ANTSIRABE  Synodamparitany Atsinanana Ankaratra Miaradia SPAAM 08 ny fihaonamben’ny Laika ny taona 2026 koa entanina sy ampirisihina isika hiomana sahady.
      8. Misokatra ho antsika Laika rehetra indray ny firotsahana ho isan’ny Vaomiera Maharitra tongava manatona ny birao  SFL ao amin’ny varavarana faha 502 Foibe FJKM.
      9. Mitohy ny fankalazana ny taom-baovao sy ny Alahadin’ny SFL koa entanina ny Vondro-paritany Laika (VPL)  sy ny Vondrona Fototra Laika ( VFL) rehetra samy hanao zava-dehibe izany asa iombonana izany.
      10. Entanina isika hanjifa sy iaina ary  hanaparitaka ny Alimpiambenana sy ny Boky herinandro mihoatra ny sasany , ary ireo boky samihafa vokarin’ny SFL ( fananganana VFL, Hevitry ny Zioga,sns…) hanamafisana ny fikolokoloana antsika Laika.
      11. Hamafisina ny fiaraha-miasa sy ny fiombonana amin’ny Prézida Synodaly (PS), Vondrom-paritrany Laika (VPL),  ny mpitandrina ary ny Vondrona Fototra Laika ( VFL ).
      12. Hampiarina ny fanapahakevitry :
      13. Zaikabe
      14. Synoda lehibe
      15. Hitady loharanombola maharitra eo anivon’ny Sampana.
      16. Ho tanterahina any ANTALAHA Synodamparitany Sambava SP 16ny Komity Foibe any Sampana Fivondronana Laika ny taona 2026 koa aoka hanohana ny Komity Foibe hiatrika izany ny Vondrom-paritany Laika.
      17. Ampahafantarina isika fa noho ny fahasoavan’ Andriamanitra dia hankalaza ny faha 20 taona nandraisana andraikitra teo amin’ny ratsangamaika ny Sampana Fivondronana Laika  an’i Ramatoa RAMANANA Fiainantsoa sy ny ankohonany koa hifampivavaka ho azy ireo isika.

      Manonona ny fiadanan’i Tompo ho aminareo sy manao veloma finaritra indrindra.

      Amin’ny anaran’ny Biraon’ny Sampana Fivondronana Laika sy ny Tonia.

      Ny Filoha,

      RAMANANA Fiainantsoa

      Alatsinainy 17 Febroary 2025

      Sal 96, 1-3 / Hira 3 / Mofonaina / Hira 547:4

      Izao mofonaina manoloana antsika izao dia mitaona ny mpino hihaino sy hitandrina ny didin’Andriamanitra, vokany

      Aroso eo anatrehan’ny vahoaka Isiraely ireo karazam-pitahiana izay mahakasika ny andavan’androm-piainana, raha mankato ny didin’Andriamanitra izy ireo. Hahavanona sy hahavokatra avokoa ny rehetra. Noho izany, hisy fandrosoana lehibe ara-toekarena ka hiaina am-pifaliana ny maro. Toy ny toky omen’Andriamanitra ny vahoakany mankato Azy izany. Tsy teny fotsiny ihany fa ho tanteraka raha mankato satria ilay tany nampanantenaina dia ho tondra-dronono sy tantely.

      Ny fahombiazana isam-baravarana dia omanin’ Andriamanitra ho an’izay vonona hankato ny Sitrapony.

      Andriamanitra no nanafaka ny Isiraely tamin’ny tranon’ny fanandevozana tany Egypta. Hiditra ny tany Kanana izy ireo ankehitriny. Manoloana izany no hanomezana sy hamerenana indray ny toromarika mba hankato ny Tenin’Andriamanitra ka hasandratr’Andriamanitra indray ity firenena nofidiany ity. Hiakatra ao amin’ilay tany nampanantenaina ary hiseho fa firenena lehibe sy matanjaka, eo anatrehan’ireo firenena maro, satria miaraka amin’Andriamanitra. Tsy hisy fahavalo tsy ho resy na iray aza, ary notanterahan’ny Tompo tokoa izany. Ny fanambinana ny isan-tokatrano dia hiteraka filaminana ary hitondra fandrosoana sy fisandratan’ny firenena. Andriamanitra irery no mahatomombana izany. « Sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny.» (Sal 33,12)

      Nahoana no tsy mandroso ny firenena kristiana ary mijaly ny vahoaka ao aminy?

      Alahady 16 Febroary 2025

      Sal 118, 1-4/Hira 14: 1,3/Mofonaina/HF 23:1,2

      Jesoa mampianatra ka nampahafantatra ny tenany izay fiainana sy fahavelomana. Manala ny olona mihaino Azy tsy hibanjina fotsiny ny ety an-tany fa hijery ny fiainana any ankoatra. Ny fanambaran’i Jesoa ny tenany dia mety:

      Tonga Jesoa nitory sy nanao fanoharana, nilaza ny tenany izay mitarika ny olona hibanjina ny fanahy sy ny fiainana. Izany fanahy sy fiainana izany dia entina milaza indrindra ilay toetran’Andriamanitra. Maneho ihany koa ilay fiainana ao amin’Andriamanitra lavitry ny faharatsiana ety an-tany. Maro ireo izay mbola variana ety an-tany ka tsy mahajery ny any ankoatra. Variana amin’ny nofo fa tsy mihevitra ny fanahy ka diso fanantenana dia mihemotra. Mampihemotra ny fankamamiana ny fiainan’ny nofo.

      Tsy tahaka ireo izay tsy mino kosa anefa i Petera raha namaly an’i Jesoa. Satria ny fiarahany taminy dia efa nahatsapany fa fiainana mandrakizay sy ny fahamasinan’Andriamanitra no antom-pisiany. Tsy voafatotry ny zavatra tety an-tany fa tena nibanjina izay any ambony noho ny fihainoana ny tenin’i Jesoa. Mila tsaroantsika mino fa Jesoa mizara fiainana ho antsika dia mibanjina ny mandrakizay fa tsy ny ety an-tany ihany. Mihoatra lavitra noho izay kely atrehana ety an-tany ny mandrakizay izay mila tsinjovina tsara. Ka aza manao toa an’i Jodasy! Mora mivadika rehefa tambazana fiainana an-tany. Meteza hibanjina ny lavitra, handray an’i Jesoa ilay manana ny ety sy ny mandrakizay.

      Ny fanambaran Andriamanitra ny tenany ao amin’i Jesoa Kristy, miteraka inona eo amin’ny fiainanao izany?

      Sabotsy 15 Febroary 2025

      Sal 1, 1-2/Hira 1:1,5 / Mofonaina/HF 39:2

      Mitaona antsika izao mofonaina izao mba ho zanaka hitandrina ny tenin’ny fahendrena. Ny loharanon’ny fahendrena tsara indrindra dia ny Tenin’Andriamanitra.

      «Atongilano ny sofinao hihaino ». Tsy maintsy manomboka amin’ny fihainoana ny fitandremana ny Teny. Mampiasa ny taovam-pandrenesana ho amin’izay naharian’Andriamanitra azy Ary liana tanteraka amin’izay ambarany mba tsy handalo fotsiny amin’ny sofina. Anisan’ny teny omen’Andriamanitra ny mpaminany mandrakariva ny hoe: «mihainoa ry Isiraely ». Maneho izany fa zava-dehibe amin’Andriamanitra ny fihainoana Azy. Ny fihainoana tsara ny Tenin’Andriamanitra dia hanafaka amin’ny vava mandainga sy molotra mamitaka.

      « Aza avela hiala eo imasonao ». Toy ny zavatra iray hitan’ny maso mandrakariva izany na aiza na aiza ary amin’ny fotoana rehetra. Ilazana fa tsy henoina fotsiny ny Tenin’Andriamanitra fa mila dinihana. Ny Fitarihan’ny Fanahy Masina irery ihany no ahafantarana izay tian’Andriamanitra hambara mba tsy ho mpandray am-bolony fotsiny. Rehefa izany no tanteraka dia hanana fijery mahitsy sy filaminana tanteraka eo amin’ny fiainana andanavan’andro.

      « Raketo ao am-ponao ». Ny toerana tsara indrindra iraketana ny Tenin’Andriamanitra dia ny fo. Tsy hijanona ho fahalalana ao an-tsaina ihany rehefa avy nodinihina fa voatahiry ao am-po. Hiteraka fahavelomana satria ilay Teny fiainana no mameno ilay toerana loharanon’ny aina.

      Firy tamin’ny Tenin’Andriamanitra norenesinao no mba nodinihinao sady noraketinao tao am-po?

      Zoma 14 Febroary 2025

      Sal 128. 1-6/ Hira 531: 1, 3/ Mofonaina/ Vavaka

      Ity famantarana voalohany nataon’i Jesoa dia marmpianatra antsika fa:

      « Ary rehefa lany ny divay, dia hoy ny renin’i Jesoa taminy: tsy manana divay izy » hoy ny fitantarana eto. Maneho amintsika izany, fa tena azo iantorahana sy azo antenaina tokoa i Jesoa, tsy diso safidy mihitsy i Maria raha nilaza ny zava-misy taminy, sady tsy nanana fisalasalana kely akory izy. Ity farany rahateo efa nahalala hatrany am-bohoka fa zanak’ Andriamanitra, tonga nofo i Jesoa, noho izany mahefa ny zavatra rehetra Izy. Ento eo amin’i Jesoa ny olanao! Misy vahaolana ao Aminy.

      Manoloana ny fithetsik’i Maria dia nilaza i Jesoa hoe: « …tsy mbola tonga ny fotoako » (and 4). Entin’i Jesoa milaza izany, fa tsy anjaran’ny olombelona ny hibaiko na hanery an’i Jesoa tsy maintsy hanatanteraka izay tadiaviny eo no ho eo. Azontsika atao, ary tena tokony ataontsika tokoa ny mitondra izay manavesatra antsika eo amin’i Jesoa, kanefa tsarovy fa masi-mandidy izy ka manana ny fotoany!

      « Ary hoy i Jesoa taminy: tovozy amin ‘izao…« . Baiko mazava no nomen’i Jesoa ho an’ireo mpanompo ny hamenoana rano ireo siny vato enina, ary rehefa feno dia tovozina avy eo. Rehefa nanaraka an-tsakany sy an-davany ny Tenin’i Jesoa izy ireo, dia nahita maso ny fidiran’i Jesoa an-tsehatra ka nanova ny rano ho divay, ary tsy vitan’izany fa mbola divay faran’izay tsara karazana mendri-panajana ny olona nasaina no teo. Ampianarina antsika eto ary fa izao, tsy mahita ny herin’i Jesoa sy ny voninahiny isika raha tsy mino sy mankato ny teniny. Indraindray anefa, ny saintsika sy ny lojikantsika no henointsika ka sady misalasala isika no be fanotaniana hoe: hainy tokoa ve?

      Aiza ianao no miantoraka amin’ny endrika olana atrehinao?

      Alakamisy 13 Febroary 2025

      Sal 103. 1-5 / Hira 3: 1 / Mofonaina / Vavaka

      Mitodika amin’ny ankohonana rehetra ny Tenin’Andriamanitra anio ka mampianatra, fa ao amin’ny Tompo:

      Izao no voasoratra: « Anaka, maneke ny ray sy reninareo ao amin’ny Tompo« . Azo andikana io teny hoe maneke io koa ny teny hoe mankatoava, raha hitarina kokoa dia hoe mihainoa anatra fa aza mikiribiby raha atoro na ahitsin’ny ray aman-dreny, ny antony dia tsotra, satria ny ray aman-dreny matoa miteny sy mananatra dia mikendry ny hahasoa sy hahatsara ny hoavin’ny zanany. Tsy misy ray aman-dreny manolo-bato mafana ny zanany (Mat 7. 11) na oviana na oviana. Ary ambonin’izany, dia ambara eto koa fa loharanom-pitahiana (mahela velona) ny fanajana ray aman-dreny, didin’ Andriamanitra rahateo izany (Eks 12.20; Deo 5. 16); koa andeha ankatoavina.

      Hoy i Paoly hoe: « Ary ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo izy« . Tsy hanampatra fahefana amin’ny zanany akory no andraikitry ny ray aman-dreny, na hanao didiko fe lehibe; koa raha nisy nampalahelo ny zanakao izay teny sy fihetsika nataonao dia aza misalasala mifona aminy, satria mety mba diso amin’ny zanany koa ny ray aman-dreny. Fa andraikitra apetraka amin’ny ray aman-dreny indrindra koa ny manafay ny zanany (Oha 19, 18) mba hanitsiana ny diany ary hisakanana azy tsy hizotra mankany amin’ny fahaverezana; koa tsy tokony hikenakena zanaka isika, fa tena porofom-pitiavana lehibe ny famaizan-janaka. Fitaizan’ Andriamanitra ny zanany teo amin’ny tantara izany (Bokin’ny Mpitsara, Fahababoana…), ary faka tahaka ho antsika koa!

      Hatraiza ny fampiharanao (-nareo) ireo hafatra roa loha ireo?