Alatsinainy 17 Febroary 2025
Sal 96, 1-3 / Hira 3 / Mofonaina / Hira 547:4
Deoteronomia 28. 1-10
Izao mofonaina manoloana antsika izao dia mitaona ny mpino hihaino sy hitandrina ny didin’Andriamanitra, vokany
1. Heniky ny fitahiana ny isan-tokatrano
Aroso eo anatrehan’ny vahoaka Isiraely ireo karazam-pitahiana izay mahakasika ny andavan’androm-piainana, raha mankato ny didin’Andriamanitra izy ireo. Hahavanona sy hahavokatra avokoa ny rehetra. Noho izany, hisy fandrosoana lehibe ara-toekarena ka hiaina am-pifaliana ny maro. Toy ny toky omen’Andriamanitra ny vahoakany mankato Azy izany. Tsy teny fotsiny ihany fa ho tanteraka raha mankato satria ilay tany nampanantenaina dia ho tondra-dronono sy tantely.
Ny fahombiazana isam-baravarana dia omanin’ Andriamanitra ho an’izay vonona hankato ny Sitrapony.
2. Hasandratr’Andriamanitra ny firenena
Andriamanitra no nanafaka ny Isiraely tamin’ny tranon’ny fanandevozana tany Egypta. Hiditra ny tany Kanana izy ireo ankehitriny. Manoloana izany no hanomezana sy hamerenana indray ny toromarika mba hankato ny Tenin’Andriamanitra ka hasandratr’Andriamanitra indray ity firenena nofidiany ity. Hiakatra ao amin’ilay tany nampanantenaina ary hiseho fa firenena lehibe sy matanjaka, eo anatrehan’ireo firenena maro, satria miaraka amin’Andriamanitra. Tsy hisy fahavalo tsy ho resy na iray aza, ary notanterahan’ny Tompo tokoa izany. Ny fanambinana ny isan-tokatrano dia hiteraka filaminana ary hitondra fandrosoana sy fisandratan’ny firenena. Andriamanitra irery no mahatomombana izany. « Sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny.» (Sal 33,12)
Fanontaniana:
Nahoana no tsy mandroso ny firenena kristiana ary mijaly ny vahoaka ao aminy?
Sampana Sekoly Alahady Foibe