Alarobia 01 Janoary 2025
LEHIBE NY FIANDRIANAN’ANDRIAMANITRA
(Sal 97.1-6/Hira 171/Vavaka/ Mofonaina/ Vavaka/ HF 14)
Deoteronomia 11. 8-12
Ny fitahian’Andriamanitra
1. Raisina amin’ny alalan’ny fitandremana ny didiny
Fepetra voalohany hitondra fitahiana ho an’ny Zanak’Israely ny hitandremany ny lalàny, amin’izao mialoha ny hidirany amin’ny tany nampanantenaina azy izao. « Koa tandremo ny lalàna rehetra izay andidiako anareo anio, mba hahery ianareo, dia hiditra handova ny tany izay efa halehanareo holovana » (and.8). Miantefa amintsika izay efa nafahan’Andriamanitra tamin’ny fanandevozan’ny ota ny hafatra anio: tsarovy fa ny fitahiana sy ny fahasoavana rehetra mandritra ny andro sy taona hodiavintsika dia azo avy amin’ny alalan’ny fitandremana sy fankatoavana izay rehetra ambaran’ny Tenin’Andriamanitra. Izany rahateo no ahafahantsika mandova ny fiainana mandrakizay izay nampanantenaina antsika tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy.
2- Miantoka ny fahavokaran’ny tany
Hafa noho ny toe-tany izay niainan’ny Zanak’Israely tany Egypta ny toetoetry ny tany honenany any Kanana. Toerana be tendrombohitra sy lohasaha, sady mifoka rano avy amin’ny ranonorana (and.11). Noho izany dia miankina amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny hampisy na tsia ny rotsakorana hampahavokatra ny tany « …Ny mason’i Jehovah Andriamanitrao mitsinjo azy mandrakariva hatramin’ny fiandohan’ny taona ka hatramin’ny fiafarany. » (and.12). Ny fandavana ny Tenin’Andriamanitra dia miantraika amin’ny fahasimban’ny tontolo iainana ka mahatonga ny tany tsy hamokatra araka izay nikendren’ny mpahary azy.
Fanontaniana;
Fihavaozana manao ahoana no andrasanao amin ‘ity taona ity?
Sampana Sekoly Alahady Foibe