Alakamisy 26 Septambra 2024

2Timoty 3. 14-17

Izay miorina amin’ny finoana dia:

1- Hiraiki-po amin’ny Soratra Masina

Tsiahivin’i Paoly amin’izao Tenin’Andriamanitra izao ny anjara toeran’ny Soratra Masina mba hahafahana miorina amin’ny finoana eo anivon’ny Fiangonana. Ambaran’i Paoly fa taizam-pinoana ity zanany ao amin’ny finoana ity. Efa nilona tao amin’ny Soratra Masina hatramin’ny fahazazany rahateo, satria nikolokolo azy tamin’izany ny renibeny sy ny reniny (2 Tim 1.5). Ny Soratra Masina no namolavola azy teo amin’ny fiainany ka mahatonga azy ho zanak’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy. Isika koa dia tokony hiraiki-po amin’ny Soratra Masina hitomboan’ny finoana ka hisehoantsika eo anoloan’ny hafa mba handresena ny ratsy.

2- Izay nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra

Avy amin’ny fofonain’Andriamanitra ny Teny, na dia mpaminany sy ny Apostoly aza no nampitondrana azy, ka ny Soratra rehetra avy amin’ny tsindrimandrin’ Andriamanitra dia mahasoa ho fitaizana amin’ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra. Nambaran’i Paoly tamin’i Timoty izany, ary ambara amintsika izay miorina amin’ny finoana koa. Aoka hahery sy hanana faharetana isika, fa maro ny fampianarana hita ankehitriny izay mety handiso lalana ny finoana marina; koa miorena tsara.

Fanontaniana:

Fantatrao ve izay inoanao? Hazavao.

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Oktobra: MIHAVAO AO AMIN'NY TOMPO NY MPINO

| | 13. Ala. XX man Trinite - Radio Protestanta FFPM
1 Mpanjaka 3. 5–15 | Jaona 9. 24–34 | 2 Korintiana 4. 16–18

| | 20. Ala. XXI man Trinite - Masera MAMRE
Joba 42. 1–6 | Matio 6. 5–8 | Romana 1. 8–12

| | 27. Ala. XXII man Trinite - SaFiF FJKM - Reformasiona
2Tantara 29. 31–36 | Matio 21. 23–32 | Romana 12. 1–2

Novambra: IAINO NY TOE-PANAHY ARAKA AN'ANDRIAMANITRA

| | 03. Ala XXIII man Trinite
Amosa 5. 4–11 | Matio 18. 21–35 | Romana 12. 9–21

FJKM Fahazavana

FJKM ANKADINDRAMAMY – SP Antananarivo Atsinanana (12)

Production : FTV FJKM (c) Aôut 2024