Talata 06 Aogositra 2024

Levitikosy 19, 1-4

Hafatra ho an’ny Fiangonana

1- Aoka ho masina ianareo

Ankoatra ny fahafantaran’ny maro ny Fiangonana amin’ny maha trano na toerana hivavahana azy dia hita eto ny famaritana ny Fiangonana: Izany dia ilazana ny mpianakavin’ny finoana, ny vahoakan’Andriamanitra. Efa nafahana tamin’ny fanandevozana ny mpino ka tsy maintsy miavaka amin’ny jentilisa. Misy ny fitondran-tena manokana takiana amin’ny mpino araka izany, dia ny fandehanana araka ny sitrapon’ny Tompo. Manome ny Fanahy Masina ny Tompo mba hitarika sy hanolo-tsaina ary hanamasina antsika.

2- Manajà ny rainao sy ny reninao

Isan’ny soatoavina Malagasy ny fanajana ray aman-dreny. Efa mahazatra antsika ny fanehoana izany rehefa tonga ny taona vaovao, ny fetin’ny ray sy ny fetin’ny reny, amin’ny tsingerin-taona nahaterahana sy ireo vanim-potoana samihafa. Isika mpino kristiana kosa dia manao mihoatra noho ny sasany ka tsy miandry amin’ny fotoana toy ireo ihany, fa andavanandro mihitsy no maneho fanajana. Jesoa dia mamela ohatra mazava ho antsika amin’izany.

3- Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona.

Ao ny fotoana natokana hiasana, ary ao no atokana hitsaharana. Manoloana ny didy hitandremana ny Sabata dia nanampy fepetra fampiharana samihafa momba izany ny Jiosy. Lasa vesatra ho an’ny olona izany ary tsapan’i Jesoa ka hoy Izy: « Mankanesa aty amiko ianareo rehetra torovana sy vesaran’ny lalana, fa Izaho no hanome fialan-tsasatra anareo » (Mat 11, 28) (DIEM). Jesoa no tena fitsaharana, manala amin’ny fanandevozan’ny lalana.

Fanontaniana

Inona avy ireo toetra takiana amin’ ny Fiangonana?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Septambra: MIORINA AMIN'NY FINOANA NY MPINO

| | 15. Ala. XVI man. Trinite
Genesisy 35. 1–7 | Matio 21. 18–22 | 1Timoty 4. 6–10

| | 22. Ala. XVII man. Trinite - Sampanasa FFP
Eksodosy 4. 27–31 | Marka 5. 25–34 | Filemona 4–7

| | 29. Ala. XVIII man. Trinite
Genesisy 35. 9–15 | Matio 15. 21–28 | Jakoba 1. 1–4

FJKM Fahazavana

FJKM ANKADINDRAMAMY – SP Antananarivo Atsinanana (12)

Production : FTV FJKM (c) Aôut 2024