Alahady 14 Jolay 2024
1 Tantara 17.1-14
Anankiray amin’ny fampanantenana mahatsiriritra ataon’Andriamanitra amin’ny olona ity nataony tamin’i Davida ity, ary hahazoantsika mandray hafatra hoe manompoa an’Andriamanitra dia: marina
1- Izy no hanolo-tsaina anao (and 4)
« Tsy ianao no hanao trano hitoerako… » hoy ny nampitain’i Natana mpaminany tamin’i Davida. Na dia teo aza ny faniriana sy firehetam-pon’i Davida ary ny fikasany hanorina Tempoly ho an’Andriamanitra dia, tsy nihazakazahany avy hatrany akory izany, na dia teo am-pelatanany aza fahazoa-manao sy ny hoenti-manana, ary ny olona azony ampiasaina hanao izany Tempoly izany. Saingy nataon’i Davida ho laharam-pahamehana ny fihainoana an’Andriamanitra ka dia nahazo tolo-tsaina hendry ny amin’izay tokony sy tsy tokony hataony izy. Taomina kosa isika, alohan’ny zavatra rehetra hataontsika mba hanontany ny hevitr’Andriamanitra aloha, fa tsy handeha amin’ny saim-pantatra fotsiny.
2- Izy hitahy ny taranakao (and 11)
« Ary rehefa tapitra ny andronao, ka lasa any amin’ny razanao ianao, dia hatsangako ny zanakao anankiray izay mandimby anao…ka hampitoeriko ny fanjakany » hoy ny teny fampanantenan’Andriamanitra ho an’i Davida. Hitantsika eto fa rehefa manompo an’Andriamanitra marina tokoa ny olona, dia tsy izy tenany ihany no heverin’Andriamanitra fa hatramin’ny taranany koa, ary ny an’i Davida aza eto dia ny fanjakany mihitsy no voahazona. Fantatsika tsara fa tanteraka tao amin’i Solomona io fampanantenana io, ka sady nahatsangana Tempoly izy no nampamirapiratra ny fanjakana ihany koa. Ary mbola ny taranak’i Davida no nipoiran’ny Mesia, dia i Jesoa Kristy.
Fanontaniana :
Inona no efa nampanantenain Andriamanitra anao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe