Talata 02 Jolay 2024

Eksodosy 4. 9-17

Mosesy, irahin’Andriamanitra handeha hanafaka ny Zanak’i Isiracly eo ambany fanandevozan’ny Egyptiana no tantaraina aminitsika eto. Ary azontsika tsoahina avy amin’izany fa Andriamanitra raha mifidy olona hiara-hiasa aminy dia:

1- Tsy olona tonga lafatra no nofidiany (and 10)

Izao no tenin’i Mosesy: « Tompo ô, mifona aminao aho, olona tsy mahay mandaha-teny aho, na hatrany aloha na hatramin izao … fa votsa vava sy miadam-piteny aho« . Hitantsika amin’izany fa na dia i Mosesy ihany aza dia nahalala fa olona voafetra sy manana fahalemena (tsy hoe fahotana akory no tiana ambara eto fa fetra) izy, ary izany no nahatonga azy nihevitra fa tsy antonona azy, na tsy tokony ho ny toa azy no hiara-hiasa amin’Andriamanitra hitondra fanafahana ho an’ny mpiray firenena aminy. Toa te hilaza mihitsy aza i Mosesy fa hoe sao mba diso fifidy olona (erreur de casting) ary ny Tompo. Ianao na dia voafetra aza, ilain’ Andriamanitra foana. I Jesoa rehefa nifidy ny mpianany anie dia olombelona voafetra koa e!

2- Ombany sy ampiany (and 14)

Nasehon’ Andriamanitra mazava tsara mihitsy anefa eto, fa tsy diso fisafidy velively Izy, ary matoa niantefa tamin’i Mosesy ny safidiny dia satria fantany fa hahavița izany i Mosesy. Hita eto fa nahatezitra an’Andriamanitra mihitsy aza izany fiahotrahotr’i Mosesy izany. Na izany aza anefa, dia ahitan’Andriamanitra vahaolana hatrany satria nomeny i Arona hanampy an’i Mosesy. Mahazo matoky tanteraka isika fa rehefa manaiky irahin’Andriamanitra dia omeny vahaolana ihany koa fa tsy avelany hiady irery akory. Toky nomen’i Jesoa ny mpianany ny fombany azy ireo, ary toky ho anao izy vonona hanao ny asany koa! Mahefà be àry!

Fanontaniana

Ahoana no fahazoanao ny fifidianan Andriamanitra olona?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2025

Jolay: OLOMBOAANTSO NY MPINO

| | 13. Ala. IV man. Trinite - S. Tanora Kristiana
1 Sam. 3. 1-9 | Mat. 15. 32-39 | 1 Kor. 1. 18-25

| | 20. Ala. V man. Trinite - S. Fivondronana Laika
Amo. 7. 10-15 | Mar. 10. 46-52 | Gal. 1. 11-17

| | 27. Ala. VI man. Trinite - TPM sy IFRP
Jer. 1. 4-10 | Mar. 3. 13-19 | Rom. 1. 1-7

Aogositra: MIFAMPAHERY NY MPINO

| | 03. Ala. VII man. Trinite
2 Sam. 10. 9-14 | Jao. 14. 1-7 | Efe. 6. 10-13

FJKM Fahazavana

ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina