Zoma 12 Aprily 2024

Asan’ny Apostoly 26. 12-18

Jesoa Kristy Fahazavana

1-Maneho ny heriny (and 12-14)

Mitantara ny nisehon’i Jesoa tamin’i Paoly, Naniry fatratra ny hanitatra ny fanenjehana ankoatry ny tananan’i Jerosalema i Saoly, ka nangataka alalana sy fahefana hitady ny mpianatra hatrany Damaskosy sy hitondra azy ho gadraina any Jerosalema. Nisehonan’ Andriamanitra teny an-dalana nefa izy (and 13). Ireo famantarana ireo dia anehoan’i Jesoa ny heriny. Maneho ny heriny amin’ny tsy mino ny fahefany toa an’i Paoly fahiny.

2- Mampahafantatra ny tenany

Jesoa no nanao dingana voalohany niresaka tamin’i Paoly, ilay fatra-panenjika ny Fiangonana. Tia ny olona rehetra i Jesoa ary ny tsy mahafantatra Azy indrindra no hanehoany ny heriny mba hinoany fa misy Izy. Te hamonjy ny olona rehetra i Jesoa, ka mampahafantatra ny tenany Izy mba hahafahan’izao tontolo izao mino sy manaiky fa izy irery ihany no « lalana sy fahamarinana ary fiainana ». (Jao 14.6).

3- Manome asa fanompoana (and 16-18)

Jesoa dia nanendry an’i Paoly ho vavolombelony (and 16), ny amin’izay efa nataony taminy. Jesoa rehefa maniraka dia manazava tsara ny tanjony: dia ny hampahiratra ny jamba hahitany ny mazava, hahazoany famelan-keloka. Ny finoana an’i Jesoa tokoa dia zava-poana raha tsy arahan’asa, ka fomban’i Jesoa mihitsy ny mifidy mpiara-miasa hanantanteraka ny asany.

Fanontaniana:

Nitondra inona teo amin’ny fiainanao ny fahafantarana an’i Jesoa?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2025

Jolay: OLOMBOAANTSO NY MPINO

| | 20. Ala. V man. Trinite - S. Fivondronana Laika
Amo. 7. 10-15 | Mar. 10. 46-52 | Gal. 1. 11-17

| | 27. Ala. VI man. Trinite - TPM sy IFRP
Jer. 1. 4-10 | Mar. 3. 13-19 | Rom. 1. 1-7

Aogositra: MIFAMPAHERY NY MPINO

| | 03. Ala. VII man. Trinite
2 Sam. 10. 9-14 | Jao. 14. 1-7 | Efe. 6. 10-13

| | 10. Ala. VIII man. Trinite - KFTM
Dan. 10. 18-11.1 | Lio. 22. 24-34 | Jak. 5. 7-11

FJKM Fahazavana

ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina