Talata 30 Aprily 2024

Jaona 11, 6-10

Jesoa no fahazavan’izao tontolo izao

1-Masi-mandidy amin’ny fandaharam-potoanany

Miresaka momba ny nahafatesan’i Lazarosy ity andinin-tSoratra Masina ity. Manana ny fotoanany sy ny fandaharam-potoana araka izay mety Aminy ny Tompo. Tsy toy ny fahita matetika ankehitriny, raha vao misy fahoriana dia mijanona daholo aloha ny fandaharam-potoana rehetra, eny fa na dia ny asa fitoriana aza!

2- Masi-mandidy amin’izay tiany aleha sy atao

Ny dia any Jodia aloha no mahamaika an’i Jesoa. Na dia fantany aza fa nitady hitora-bato Azy ireo Jiosy tany. Tsy mitady tany malemy hanorenana fangady ny Tompo fa mifantoka sy miroso hatrany amin’ny asa fitoriana.

3- Sady fahazavana no mandeha amin’ny mazava

« Raha misy mandeha amin’ny atoandro, dia tsy mba tafintohina izy fa mahita ny fahazavan izao tontolo izao… » (and 9). Fitenin’i Jesoa ny hoe: « Isika tsy maintsy miasa raha mbola atoandro ny andro ». Ny zanaky ny mazava dia miasa mazava, mandeha amin’ny mazava.

4- Mampitandrina ny zatra mandeha amin’ny maizina

« Raha misy kosa mandeha amin’ny alina, dia ho tafintohina izy. satria tsy misy mazava ao aminy » (and10): Tsy sitraky ny Tompo ny fandehanana amin’ny maizina. Toy ny miraparapa izay tsy manana ny mazava. Ny Tenin’ny Tompo no fanilon’ny tongotra sy fanazavana ny lalana. Na iza na iza tsy manana ny Teniny, na iza na iza tafasaraka amin’i Jesoa Kristy Tompo ka miziriziry tsy manaiky ny lalana sy fahamarinana ary fiainana, dia efa mandeha amin’ny maizina, ary tsy maintsy ho tafitohina.

Fanontaniana

Hafa ihany ny mandeha amin’ny mazava, hazavao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Alatsinainy 29 Aprily 2024

Matio 19, 13-15

« Avelao ny zaza, ary aza rarana tsy hanatona Ahy; fa an’ny toa azy ny fanjakan’ny lanitra » (and14).

Jesoa sakaizan’ny zaza sy ny ankizy madinika.

1- Misy hatrany ireo manilika ny zaza sy ny ankizy.

« …Fa ny mpianany niteny mafy ireny » (and13b): Manoloana ny hetahetan’ny olona hitondra zaza mba hametrahan’i Jesoa tanana dia niteny mafy azy ireny ny mpianatra. Ilay fomba Jiosy izay tsy manisa akory ny zaza amam-behivavy no hita taratra eto. Aza ailika ny madinika.

2-Tia zaza ny Jesosintsika

« Nefa Jesosy nanao hoe… » (and14). Tsy neken’i Jesoa ny fanakanan’ny mpianatra. Manana zo hanatona an’i Jesoa ny zaza. Hatramin’izao dia tsy vitsy ireo manilika ankolaka ny zaza sy ny ankizy. Misy aza Fiangonana tsy manana mpampianatra Sekoly lahady akory, Ao koa ireo manamaivanana ny fotoana ho an’ny ankizy sy ny tanora.

3-An’ny toy ny zaza ny fanjakan’ny lanitra

Mora mamela heloka ny zaza, tsy manao otri-po ny, tsara toerana eo anatrehan’ny Tompo ny zaza ary an’ny toa azy ny fanjakan’ny lanitra hoy Jesoa. Mora anarina ny zaza; mametraka fitokisana feno amin’ny raiamandreny sy ny mpanabe ny zaza. Manaraka ny toromarika omena azy ny zaza. Mila mandinika sy mianatra ny ataon’ny zaza isika.

4- Mametra-tanana amin’ny zaza i Jesoa

Sady mariky ny tsodrano no maneho fifandraisana ny fametrahan’i Jesoa tanana amin’ny zaza. Mikatsaka hatrany izay mahasoa sy mahatsara ireny madinika ireny ny Tompo. Tsy eken’i Jesoa ny mahatafintohina na iray aza amin’ireo madinika mino (Mar 9, 42)

Fanontaniana

Inona avy ireo toetra azo alain-tahaka amin’ny zaza?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Alahady 28 Aprily 2024

Genesisy 21, 12-21

« Dia nampahiratan’Andriamanitra ny mason’i Hagara… »

Mampita hafatra amin’ ireo manana olana ny Tompo.

1- Henoy sy ekeo ny tenin’ny vady avy amin’ny Tompo.

« Fa izay rehetra lazain’i Saraha aminao dia ekeo ny teniny (and12). Hita fa mafy tamin’i Abrahama ny hisara-toerana amin’ny zanany avy tamin’i Hagara. Niandany tamin’i Saraha ny Tompo ary nanamarika fa mbola ho avy ny zanaky ny fanekena izay nampanantenainy.

2-Tanteraho hatrany ny toromarika omen’ny Tompo.

« Dia nifoha maraina Abrahama (and14). Ny fanarahana ny tenin’i Saraha no baiko eto. Notanterahan’i Abrahama izany. Ny fankatoavana ny baiko izay tsy takatry ny sainy no isan’ny maha rain’ny finoana an’i Abrahama.

3-Ampitao amin’ny Tompo ny fanahianao rehetra

« Ary ren’ny Tompo ny feon’ny zaza » (and17). Mihaino ny madinika tsy misy mpiahy ny Tompo. Hoy Jesoa: « Sambatra ny ory: fa izy no hampifaliana » (Mat 5,4). Ny zanany sy ny asan’ny tanany dia adidiny ihany (Isa45,11).

4- Mitsangana, miarèna

Aza variana mitanondrika na mamoy fo, henoy ny Tenin’ny Tompo. Mitsangana ka areno ny zaza (and17). Nihevitra i Hagara andevovavy fa rehefa lany ny rano sy ny vatsy dia ho vita hatreo ny fiainana fa miandry fahafatesana sisa no azo atao. Hafa anefa ny fihevitry ny Tompo. Manafaka Izy.

5- Miandany amin’ny olona mila vonjy ny Tompo

« Dia nampahiratan’ny Tompo ny mason’i Hagara » (and19) Tsy takatry ny saina ny fitantanan’ny Tompo. Izy no Tompon’ny aina. Izy no mandahatra ny fiainantsika. Masi-mandidy amin’izay hitondrany ny fiainan’ny olona Izy.

Fanontaniana

Inona no toetra azo alain-tahaka amin’i Abrahama eto?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Sabotsy 27 Aprily 2024

Hebreo 12, 7-11

Mitondra fahazavan-tsaina ny famaizana.

1- Amin’ny maha zanaka:

« Fa raha tsy faizana tahaka ny itondrana azy rehetra hianareo, dia zazasary, ja tsy zanaka » (and 8). Ao ambadiky ny famaizana dia misy fitiavana. Ny fanekena izay rehetra sitrapon’ny ankizy sy tanora día tsy mitondra soa ho azy.

2- Hanekentsika ny Rain’ny fanahy

« Tsy mainka va ny hanekentsika ny Rain’ny fanahy, ka ho velona isika » (and.9): Rehefa nahazo famaizana avy amin’ny rain’ny nofontsika isika dia fanajana azy no asehontsika avy co. Toy izany koa, vao mainka mitohy ny fanekentsika ny Ray any ambony aorian’ireo toe-javatra samihafa hiaretantsika. Izy Ilay Tsitoha. mahefa ny zavatra rehetra.

3- Mahasoa

« Fa ireny dia nanao izay nahafay antsika…fa Izy kosa dia ny hahasoa » (and.10): Ny fikatsahana izay mahasoa ny mpanompony no fikasan’ny Tompo rehefa mampandalo antsika ireo fiafiana, fiaretana, fananarana Izy. Miara-miasa hahasoa ireny, ho an izay tia an’Andriamanitra.

4- Handraisantsika ny fahamasinana

Mitombo amin’ny fahamatorana ny zanaka izay mandray am- pitiavana ny fananarana avy amin’ny Ray. fankatoavana am- panajana sy amin’ny finoana. Manoka-tena hankato ny sitrapon’ny Tompo ny mino.

5-Hiadanana ho an’izay nanaovana azy

« …mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana hoan izay nanaovana azy izy » (and.11): Izay tena nandray am-pitiavana ny famaizana sy fananarana dia tsara fiafarana. Mandroso sady manana ho avy mamirapiratra.

Fanontaniana

Inona no zava-kendren’ny Tompo amin’ny famaizana?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Zoma 26 Aprily 2024

Lioka 17, 22-25

Ho avy eny amin’ny rahon’ny lanitra ny Tompo

1- Mitandrema amin’ny mpaminany sandoka.

« Nefa aza mandeha ianareo, па manaraka azy » (and23): Mampitandrina sy mampiomana antsika ny Tompo. Hisy ireo izay hilaza sy haneho ho « kristy », kanjo sandoka. Efa misy eto amintsika mihitsy ny misora-tena ho mesia, ary indrisy fa misy ihany ireo misafidy hanaraka azy. Mitandrema isika.

2- Misy famantarana mazava ambaran’ny Tompo.

Ho avy amim-boninahitra ny Tompo. Ampahafantariny antsika mialoha izay hitranga amin’izany. Tsy fiaviana tsotsotra toy ny tany am-pihinanam-bilona fa ho avy amin’ny fomba miavaka, tahaka ny elatra manelatra hatrany amin’ny faravodilanitra. Hiharihary ny fiaviany.

3- Toy ny hazavana hatreny amin’ny faravodilanitra

Ny tara-pahazavana hatrany amin’ny fara-vodilanitra dia miantefa amin’ny rehetra. Samy hahita ny fiaviany avokoa ny hery velona rehetra amin’izany andro izany. Mitondra fifaliana sy fanantenana tanteraka ho an’ny mpino izany; saingy hitondra tahotra sy horohoro ho an’ireo tsy niambina sady tsy nanaiky an’i Jesoa Kristy Tompo. Miambena!

4- Dia toy izany ny Zanak’olona amin’ny androny

Ho avy ny Zanak’olona. Efa nambara hatrany amin’ny Testamenta taloha fa ho avy ny andron’i Jehovah (Amo 5.18-20). Mitondra fanazavana misimisy kokoa momba ny fahatanterahan’izany faminaniana izany ny Tompo Jesoa eto. Oharina amin’ny fahazavana izay avy eny ambony, izay afaka mitaratra ny ambanilanitra io fiavian’i Jesoa io.

Fotoana efa andrasan’ny mpino fatratra, mahatonga ny mpino hiambina, haharitra, hifantoka amin’ny fanompoana.

Fanontaniana

Lazao izay fantatrao momba ny hiavian ‘i Jesoa indray

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Alakamisy 25 Aprily 2024

Lioka 11, 33-36

Mijoroa ho fanasina sy fahazavana

1-Mba ho hitan’izay miditra ny mazava,

« Apetrany eo amin’ny fanaovan-jiro izy… » (and 33).

Tsy atao amin’ny takona na afenina ny maha fahazavan’izao tontolo izao ny mpino. Ilaina ny mijoro vavolombelona, mitory na amin’ny fotoana na tsy amin’ny fotoana. Tsy vitsy ireo miafiafy tsy sahy manambara amin’ny hafa akory ny maha kristiana azy. Sahia manapariaka ny hazavana.

2-Mazava ny tena rehetra, raha tsara ny maso.

lankinan-javatra betsaka ny fomba fijery ny fiainana amin’ny ankapobeny. Davida, raha niatrika an’i Goliata dia tsy ny haavony na ny lazany no hitany, fa aminy dia olona tsy mifora, tsy mpino no manoloana azy. Toy izany koa ny mpisafo tany tamin’ny andron’i Josoa sy Kaleba. Miara-miasa hahasoa ny zavatra rehetra raha tsara ny maso.

3-Tandremo sao maizina ny mazava ao anatinao.

Mampieritreritra ny tantaram-pirenena. Mba olon’ny finoana daholo ny ankamaroan’ireo mpitondra isan’ambaratonga. Rehefa any am-perinasa anefa, toa olona hafa mihitsy indray no tazana. Ao ny mpanao kolikoly, ao ny mpandainga, ao ny manararaotra fahefana. Toa minia manadino ny fampianarana sy ny toromarika omena azy izy ireo. Ho anao koa, tandremo sao maizina ny mazava ao anatinao. Mijoroa hatrany na aiza na aiza sehatra misy.

4-Mba hazava avokoa izy rehetra

Ny fisian’ny mpanompon’ Andriamanitra izay tena mijoro tsara ho fahazavan’izao tontolo izao any amin’izay sehatra sy toerana misy azy dia tena misy akony amin’ny hafa. Mahatonga azy ireo hanapa-kevitra handray safidy tsara.

Fanontaniana

Inona avy ireo toromarika omen’ny Tompo antsika eto?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Alarobia 24 Aprily 2024

Isaia 60, 18-22

« Fa Jehovah no fanazavana anao mandrakizay » (and19) Manavao anao tanteraka Ilay Rain’ny fahazavana.

1- Tsy ho re intsony ny fampahoriana anao.

Matetika ny fahavalo no manjaka sy mampahory ny vahoakan’ Andriamanitra. Voafetra ihany izany fa ho avy ny fotoana izay handresena ny asan’ny maizina rehetra.

2- Tsy misy intsony fandravana sy fandringanan anao.

Tanana ravarava, fonenana rotidrotika matetika no vokatry ny fanafihana mihatra amin’ny olom-boafidy. Manam-petra ihany izany, fa ho avy ny mpanavotra. Miasa ny Tompo.

3- Famonjena sy fiderana no manodidina anao.

Ho avy ny fotoana izay hanjakan’ny fifaliana sy fiadanana. Tantara sisa ny fiainana amin’ny tebiteby sy horohoro hatrizay. Mariho fa toromarika omen’ny Tompo antsika ny firavoravoana ao Aminy mba hisitrahana valim-bavaka (Sal 37, 4). Mifaly amin’ny fanantenana ny mpino.

4-Izy no voninahitrao.

« Ary Andriamanitrao no ho voninahitrao » (and19): Fantatry ny Tompo ny ady sarotra sy ny fisedrana izay atrehan’ny mpanompony. Indraindray aza dia ny fahavalo indray no mifaly sy mirehareha. Manome toky ny Tompo fa Izy no ho voninahitry ny mpanompony araka ny Teniny hoe: « Tsy ho fahafatesana no anton’izany, fa ny hampisehoana ny voninahitr’ Andriamanitra (Jao 11,4).

5-Tapitra ny andro fahalahelovana.

Ny mpanao Salamo aza dia niteny hoe: « Saika solafaka ny diako. raha nahita ny fiadanan’ny ratsy fanahy » (Sal 73,2-3) Manam-petra ihany anefa izany fa ny eo akaikin’ny Tompo no mahatsara antsika. Minoa fa ho avy ny taona zina.

Fanontaniana

Mitondra inona amin’ny mpino ny fahazavan’ny Tompo?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Talata 23 Aprily 2024

Ohabolana 13:8-9

« Ny Fahazavan’ny marina dia tsara firehitra dia ny Jiron ‘ny ratsy fanahy ho faty »(and 9). Aoka hirehitra ny jironareo

1- Mamirapiratra tsara:

Miavaka amin’ny lafiny maro ny mpino. Voalaza eto fa « tsara firehitra », izany hoe: Mazava tsara, mateza, ny vokatry ny asany

Ny faharetany dia ahafahana sahady manavaka ny marina sy ny meloka, ny mpino sy ny jentilisa, araka ny voasoratra hoe: « Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra, ary izay mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana dia ho tahaka ny kintana mandrakizay doria » (Dan 12, 3). Hita taratra amin’ny fianany andavanandro ny fahazavan’ny mpino. Ny fandehanana amin’ny fahamarinana sy fahamasinana, ny fitondran-tena mendrika, ny finoana miredareda, ny fahazotoana amin’ny fanompoana. Mijoro ho fanasina sy fahazavana hatrany ny mpino araka ny baikon’ny Tompo.

2-Aza avela hitsilopilopy

Misy tokoa ireo izay mitondra jiro hafahafa. Tsy mba mamelombelona finoana fa manozongozona, mitondra fampianaran-diso. Maro tamin’ireo izay nitondra fahazavana hafa ivelan’i Jesoa Kristy ireo no efa lefy niaraka tamin’ny foto-kevitra nentiny. Hatramin’izao dia misy hatrany ireny mitondra fahazavana sadasada izay mitaona ny hafa hiala amin’ny finoana an’i Jesoa Tompo. Tsy maintsy ho faty ireny jiro mitsilopilopy ireny. Zava-poana ihany ny fahazavana ivelan’ny Soratra Masina. Ilaina ny faharetana hatramin’ny farany amin’ny finoana.

Fanontaniana

Ahoona no mampiavaka ny fahazavana tena izy sy ny jiro sandoka?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Alatsinainy 22 Apríly 2024

Eksodosy 10, 21-23

lay Andriamanitra Fitiavana.

1-Miady ho an’ny mpanompony.

« Dia nisy aizim-pito eran’ny Egypta rehetra » (and 22). Manoloana ireo Egyptiana izay nampahory ny Zanak Israely, dia nanome baiko an’i Mosesy ny Tompo. Miharihary eto fa Jehovah no miady amin’izay mpampahory ny vahoakany. Izy no manome toromarika ary fantany ny vokatr’izany ka niraparapa ny fahavalo, tsy nifankahita, ary tsy afaka niala tamin’ny toerany hateloana. Manambara amintsika Jesoa Kristy fa momba antsika mandrakariva. Ny Tompo no miady ho antsika. Aza mandany andro mifamaly sy miady amin’ny fahavalo fa manana Mpamonjy sy Mpiaro isika. Tsarovy ihany koa anefa fa ny devoly no tena fahavalo, fa tsy nofo aman-drà.

2-Mampandresy ny mpanompony

« Fa ny Zanak’Israely kosa nisy mazava teo amin’ny fonenany » (and23). Niaina am-pilaminana, afaka nifankahita tsara, afaka nifamezivezy, niaina tamin’ny fahazavana; niaina amin ny fahafahana ary nataon’ny Tompo miavaka sy misongadina mihoatra noho ny Egyptiana ny vahoakany fa voasoratra hoe: »ka dia ho hitanareo indray ny tsy fitovian’ny marina sy ny meloka, dia ny manompo an Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy » (Malakia 3,18). Eto dia miavaka tsara fa ny iray miaina ao amin’ny aizina, ary ny iray kosa miaina amin’ny mazava. Tsarovy ary fa mikatsaka hatrany izay hampandresy tanteraka anao ny Tompontsika ary mihoatra noho ny mpandresy aza isika amin’izany. Sahia mijoro vavolombelona noho ny fitantanany anao.

Fanontaniana

Tanisao ireo mampiavaka antsika mpino amin’ny hafa

Sampana Sekoly Alahady Foibe