Alatsinainy 26 Febroary 2024

Deoteronomia 28. 1-14

Mahafinaritra ny Andriamanitsika, fa tsy mba manao ankinafinafina na mila voa tsy ary fa tena manoro antsika tsy mihambahamba ny tokony atao mba hitahiany antsika. Manaporofo izany amintsika ny mofonaina anio, izay hahazoantsika mamaly ireto fanontaniana ireto, mba hanampy antsika hitombo:

1. Inona no antoky ny fitahiana?

« Mihaino tsara ny feon’i Jehovah Andriamanitrao sy mitandrina hanaraka ny didiny rehetra » (and 1). Raha lazaina amin’ny teny tokana dia izao, ny fankatoavana an’Andriamanitra ihany no hahazoantsika ny fitahiany. Tsy ny fanaovana rakitra betsaka, na zavatra hafa mifanahatahaka amin’izany. Tsy fombafomba sy fihetsiketsehana ivelany fa izany no mahadiso hevitra ny maro.

2. Manao ahoana izany fitahiana izany?

« Hotahiana ianao ao an-tanana, ary hotahiana ianao any an-tsaha … hataon’i Jehovah ho lohany ianao fa tsy ho rambony, ary ho ambony tokoa ianao fa tsy ho ambany » (and 3-13). Raha fehezina dia izao, ny fitahian’ Andriamanitra dia tsy momba ny ara-panahy ihany, fa tena mahakasika ny lafim-piainana manontolo mihitsy, ary tsy ho an’ny tena ihany koa aza, fa voatahy hatramin’ny taranaka ihany koa. Averina ihany anefa, fa ny fankatoavana ihany no hahazoana fitahiana fa tsy zavatra hafa.

3. Ahoana no hihazonana izany fitahiana izany?

« Koa aza miala amin’ny teny rehetra izay omeko anao anio » (and 14a). Tsy ny anio ihany, fa ho an’ny ho avy rehetra no tokony hihazonantsika sy hankatoavantsika ny Tenin’ Andriamanitra mba haharetan’ny fitahiana amintsika ihany koa. Aoka tsy hohadinoina fa mankato mira voatahy, tsy mankato mira voazona!

Fanontaniana:

Inona no tokony ataontsika mba hotahiana i Madagasikara?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Jolay: MIARAHA MANDEHA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO

| | 28. Ala. IX man. Trinite - TPM sy IFRP
Deotoronimia 31. 1–8 | Matio 4. 18–22 | Kolosiana 2. 4–7

Aogositra: MANAMASINA NY TENANY NY MPINO

| | 04. Ala. X man. Trinite
Levitikosy 19. 1–4 | Matio 7. 6 | 1Petera 1. 13–16

| | 11. Ala. XI man. Trinite - KFTM (Maritiora)
Estera 4. 6–17 | Lioka 12. 4–7 | 1Petera 1. 13–16

| | 18. Ala. XII man. Trinite - Aumônerie Nationale
Isaia 52. 11–12 | Marka 7. 14–23 | 2Korintiana 6.11–7.1

FJKM Fahazavana

Alahadin’ny SFL 2024 :

Production : FTV / FJKM