Alahady 25 Febroary 2024

Daniela 9.4-14

Rehefa mamaky ity toko fahasivy amin’ny bokin’i Daniela ity isika, dia hahatakatra fa ny antony nahatonga azy ireo ho babo any Babylona dia satria « efa nanota, niala tamin’ny didin’Andriamanitra ary tsy nihaino ny mpaminany na ny mpanjaka, na ny mpanapaka na ny razany na ny vahoaka rehetra » (and 5). Ary ny fahatsapana izany no mahatonga an’i Daniela manandratra vavaka. Manoloana ny fiainam-pierenentsika ankehitriny, taomina àry isika mba hianatra izao ataon’i Daniela izao:

1. Mivavaka ho an’ny firenena (and 4)

« Ary nivavaka tamin’Andriamanitro aho … » hoy i Daniela. Isika izao koa, nahoana moa raha mba samy mahatsiaro tena mivavaka ho an’i Madagasikara e; rehefa tsy hivavaka ho an’ny tanitsika isika Kristiana, iza moa izany no andrasantsika hanao izany? Zava-dehibe ny vavaka, fa « ny fiasan’ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra » (Jak 5. 16). I Jesoa mihitsy koa aza no efa manome modely antsika ny amin’ny fiainam-bavaka, fa Izy dia tsy sasatra mivavaka; ary izay ataony rehetra dia tsy maintsy ialohavan’ny vavaka; ary fiteniny amin’ny mpianany ny hoe: « Mivavaha ianareo… » (Mat 24. 20…)

2. Mifona ho an’ny firenena (and 7)

« Anao ny fahamarinana Tompo ô, fa anay kosa ny fangaihaizana ». Miaiky heloka i Daniela ao anatin’izao vavaka asandrany izao, tena mibaboka fa diso teo anatrehan’ Andriamanitra; sady tsy nihaino no tsy nankatò ny didin’ Andriamanitra rahateo. Voambolana ampiasain’i Daniela aza eto ny hoe « nikomy » tamin’Andriamanitra. Isika rehetra izay mitonona ho Kristiana, andao hifona ho an’ny firenena, hangataka famelan-keloka ho an’ny tanindrazantsika, hanafaka antsika amin’izao fahavoazana lalina izao.

Fanontaniana:

Inona moa no manakana anao tsy hanomboka izao dia izao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2025

Jolay: OLOMBOAANTSO NY MPINO

| | 13. Ala. IV man. Trinite - S. Tanora Kristiana
1 Sam. 3. 1-9 | Mat. 15. 32-39 | 1 Kor. 1. 18-25

| | 20. Ala. V man. Trinite - S. Fivondronana Laika
Amo. 7. 10-15 | Mar. 10. 46-52 | Gal. 1. 11-17

| | 27. Ala. VI man. Trinite - TPM sy IFRP
Jer. 1. 4-10 | Mar. 3. 13-19 | Rom. 1. 1-7

Aogositra: MIFAMPAHERY NY MPINO

| | 03. Ala. VII man. Trinite
2 Sam. 10. 9-14 | Jao. 14. 1-7 | Efe. 6. 10-13

FJKM Fahazavana

ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina