29. Zoma Masina

Fitomaniana 3. 52–66 | Marka 15. 16–28 | 2Korintiana 13. 1–4

31. PASKA

Isaia 49. 8–13 | Marka 16. 1–8 | Romana 9. 1–5

Alakamisy 29 Febroary 2024

Apokalypsy 12. 13-17

« Dia tezitra tamin’ilay vehivavy ny dragona ka lasa nandeha hiady tamin’ny zanany sisa, izay mitandrina ny didin’Andriamanitra sy mitana ny filazana an’i Jesoa » (and 17) Mitaona, sady mankahery antsika ity andinin-tSoratra Masina ity hoe Tandremo hatrany ny didin’ Andriamanitra:

1. Na dia hanenjehan’ny fahavalon’i Jesoa aza izany

Rehefa mamaky ny apokalypsy, izay tsy azo raisina ara-bakiteny isika, dia mahatakatra fa tao anatina vanim-potoanana fanenjehana mavaivay no nanoratana azy; tao anatina fampahoriana mihatra aman’ aina mihitsy aza, ho an’izay mivavaka amin’i Jesoa Kristy na lazaina amin’ny teny hoe Kristiana. Nisy ny niala an-daharana, nisy ny toa nafana toa nangatsiaka fa nisy kosa anefa ireo tena nahajoro tamin’ny finoana ka tsy niala tamin’izany na inona na inona natao azy ireo, eny fa na dia nihatra taman’aina aza ny fanenjehana. Taomina isika hahazona ny Tenin’Andriamanitra sy hiorina amin’ny finoana hatrany, na dia mihamafy aza, na amin’ny endriny mivantana na ankolaka ny fanenjehena ny fivavahana Kristiana; tsy eto amintsika ihany fa maneran-tany mihitsy.

2. Fa miantoka ny famonjena izany

Raha manao dingan-dava isika, manohy mamaky ity bokin’ny fanambarana ity, dia hahita fa ireo izay mahatana hatramin’ny farany ny finoana no mandova ny fiainana mandrakizay. Miharihary ao anatin’izany fa ny faharetana amin’ny fanarahana an’i Jesoa (izay tenin’ Andriamanitra tonga nofo rahateo) sy fihazonana ny finoana azy ihany no hananantsika anjara amin’ny fampakaram-badin’ny zanak’ondry. Mazava ny Tenin’i Jesoa « Ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny anarako nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray eo amin’ny lohanareo aza, ny faharetanareo no hahatananareo ny ainareo » (Lio 21. 19)

Fanontaniana:

Hatraiza re ny faharetana amin’ny finoana?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Alarobia 28 Febroary 2024

Josoa 23. 1-10

Soa fianatra ho antsika ny ataon’i Josoa eto, ary itaomana antsika koa ny hanafarantsika ny taranaka fa:

1. Jehovah ihany no mpamonjy (and 3d)

« Fa Jehovah Andriamanitrareo no niady ho anareo ». Novorian’i Josoa avokoa ny tomponandraikitra rehetra sy ny vahoaka rehetra ka nampahatsiahiviny fa tsy nisy famonjena ary tsy nandova ny tany Kanana izy ireo raha tsy Jehovah Andriamanitra ihany no niditra an-tsehatra nanafaka azy ireo; nanomboka tamin’ny fanafahana teo ambany ziogan’ny Egyptiana ka voavotra tamin’ny fanandevozana. Tsy ny herin-tsandry, tanjaky ny miaramila na fahaizana sy fahakingana fa voavonjy satria Jehovah « niady » ho azy ireo.

2. Jehovah ihany no Tompoina (and 6)

« Dia mahereza tsara ianareo mitandrina sy manatanteraka izay efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalàn’i Mosesy mba tsy hivilianareo hiala aminy, na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia … ny anaran’ny andriamaniny dia aoka tsy hotononinareo na hampianiananareo akory, ary aza manompo azy na miankohoka eo anatrehany ». Asongadin’i Josoa mihitsy eto fa tsy mila ary tsy mitady andriamani-kafa ny Israely, fa Jehovah irery ihany no Tompony ary Tompoiny. Tsy mivadi-pinoana ho amin’ny fanompoan-tsampy mahazo vahana eo amin’izao tontolo izao na oviana na oviana.

3. Jehovah ihany no ifikirana (and 8)

« Fa Jehovah Andriamanitrareo ihany no ifikiro ». Ny hevitry ny mifikitra dia hoe tsy miala mihitsy na inon-kidona na inon-kihatra; ary ambonin’izany dia hoe mametraka fitokisana feno amin’ Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra.

Fanontaniana:

Inona no mahatonga antsika tsy mahatafita ireo amin’ny taranatsika?

Sampana Sekoly Alahady Foibe