Alahady 31 Desambra 2023

Jaona 14.12-14

Ny asa tokony hataon’ny mpino « Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa…  » (and. 12. a)

1- Ny asan’i Jesoa :

Na dia miseho amin’ny endrika marolafy aza ny asa notanterahin’i Jesoa, dia zavatra tokana ihany no kendreny : ny hanatanteraka izay asa nanirahan’ny Ray Azy, araka ny efa nolazainy hoe: “Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon’izay naniraka Ahy » (Jao 6.38). Voafaritra mazava tsara ny tanjona hotratrarina: « Ary izao no sitrapon’izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin’ny andro farany izy » (Jao 6:39). Izao tontolo izao no sehatra anirahana sy iasana ka ilaina ny mamantatra tsara ny tsy tokony hatao: « Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao », sy ny tsy maintsy hatao: « fa mba hamonjeny izao tontolo izao  » (Jao 3.17).

2- Ny asa hataon’ny Fiangonana:

Ny hanohy ny asa notanterahin’i Jesoa no asa miandry ny Fiangonana, dia ny hinoan’izao tontolo izao fa Jesoa no Tompo sy Mpamonjy. « Ary hanao asa lehibe noho izany aza izy« , hoy Jesoa. Mba hahefana izany dia nomena antsika ny Fanahy Masina hampahery sy hanolo-tsaina ary hampianatra ny zavatra rehetra (Jao. 14.26), Ampianarin’i Jesoa koa isika mba hangataka amin’ny Ray amin’ny alalany, mba hahazoantsika izay rehetra ilaina hahavitana ny asany ka hankalazana Azy. Manome toky Izy hoe: « Ary na inona na inona no hangatahinareo amin’ny Anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin’ny Zanaka. » Fanontaniana:

Inona no tena laharam-pahamehana amin ‘ny asa tanterahin ‘ny Fiangonana misy anareo?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Sabotsy 30 Desambra 2023

Isaia 26.11-15

Ankalazao ny Tompo mpanavotra.

Mivavaka sy midera an’Andriamanitra ny mponina ao Joda rehetra. Azony antoka ny fanavotan’Andriamanitra azy, satria tsapany fa:

1- Ny Tompo no miady amin’ny fahavalon’ny olony

Tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha, rehefa miady ny firenena roa tonta dia miatrika ady koa ny andriamaniny avy, amin’ny alalan’ny olona mivavaka aminy. Ka ny fandresena sy ny faharesena dia miankina amin’ny herin’ireo andriamanitry ny firenena mpifanandrina ireo. Raha resy ny firenena iray, dia heverina fa resy koa ny andriamaniny. Izany no nahatonga ny firenen’Israely hitondra ny fiaran’ny fanekena rehefa hiantafika (Jereo 1Sam 4.1-11). Nino izy ireo fa miaro sy miady amin’ny fahavalon’ny vahoakany Andriamanitra. Manamafy izany ny tonombavaka manao hoe: « Eny, afo no handevona ny fahavalonao. » (and. 11b). Inona àry no holazaintsika ny amin’izany zavatra izany? Raha Andriamanitra momba antsika, iza no hahatohitra antsika? (Rom.8.3 1 )

2- Izy no manorina fiadanana (and.13)

Avy amin’Andriamanitra no mahalavorary izay asa rehetra kasain’ny olona hotanterahina mba hahitany fiadanana sy fandriam-pahalemana eo amin’ny tany izay onenany. « Jehovah ô, manorina fiadanana ho anay Hianao: Fa ny asanay rehetra dia tanterahinao ho anay » (and. 12). Rehefa mandry fahalemana ny tany dia hitombo amin’ny lafiny rehetra ny fihatsaran’ny firenena, sady hahay manome voninahitra an’ Andriamanitra ,ary izany no manetsika ny olona hidera sy hanome voninahitra azy raha mivavaka hoe : « …Eny, nampitombo ny firenena Hianao ka nahazo voninahitra ho Anao; nitarinao halalaka avokoa ny faritry ny tany. » (and.15)

Fanontaniana:

Fotoana toy inona no anantenanao ny fanavotan’Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Zoma 29 Desambra 2023

Galatiana 4.1 – 7

Ny “fahazazana » sy ny “fahalehibeazana » ara-panahy

Fanoharana no ampiasain’i Paoly mba hanazavana momba ny fitomboana ara-panahin’ny Kristiana:

1-Ny fahazazana (and.1-3)

Ny zanaka, hoy Paoly no mpandova, ka raha efa hitan’ny rainy fa efa lehibe sy mahaleo tena izy dia hatolony azy ny raharahany sy ny fananany rehetra. Fa raha mbola zaza kosa izy dia tsy hafa nohon’ny andevo fa baikoina sy fehezina. Misy olona voatokana hikarakara azy ny zanaky ny mpanankarena ka io olona io no mifehy sy manapaka ny anjara raharahany sady mpitaiza sy mpiambina azy (and.1, 2). Mahatsiaro ho voageja ireo olona izay miezaka mafy mba hankato ny lalàna sy ny fitsipika maro momba ny fombam-pivavahana Jiosy. Ireny lalàna sy fitsipika ireny no antsoin’i Paoly hoe: « abidim-pianarana », fitaovana ilaina ho an’ izay vao hanomboka hianatra. Tsy hoe tsy ilaina akory ireny, fa tsy mety raha mijanona ho « andevon’ny lalàna » ny mpino.

2- Ny fahalehibeazana (and.4)

Oharin’i Paoly amin’ny zanaka efa tonga taona ny mino. Amin’izany dia mandray lova izy, amin’ny maha- zanaka azy. Ny firaisana amin’i Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra no maha-mpandova an’Andriamanitra ny mpino ka hanomezany antsika ny zava-tsoa rehetra ao amin’ny fanjakany. « Ary satria zanaka ianareo, dia nirahin’Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin’ny Zanany, miantso hoe: Aba, Ray . » (and.6). Ny fanomezan’Andriamanitra ny Fanahy Masina kosa no hahatonga ireo zanak’ Andriamanitra « tonga taona' » hahatsapa ny voninahitra sy ny fahambonian’ izany toerana izany, ka hanatanterahany tsy an-tery ny sitrapon’Andriamanitra eo « ambany fahasoavana ».

Fanontaniana:

Araka ny hevitrao, inona no mahasamihafa ny olona « eo ambanin ‘ny lalàna » sy ny olona « eo ambany fahasoavana »?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alakamisy 28 Desambra 2023

Romana 11.33-36

Ankalazao ny fahendren’Andriamanitra! Fa iza no nahalala ny sain’i Jehovah?

1- Ny fandavan’ny Israely an’i Kristy no nahatonga famonjena ho an’ny firenen-drehetra.

Nandà an’i Kristy ny Jiosy, tsy nanaiky Azy ho Ilay Mesia voahosotr’ Andriamanitra. Vokatr’izany no nampiely ny Apostoly any amin’ny firenena hafa ka « nampanan-karena » azy (Jereo and. 11,12). Ny fahajambana ara-panahy nahazo ny Jiosy no niteraka soa lehibe ho an’ny Jentilisa. Izany hoe : ny fahalavoan ny Jiosy no niteraka ny fanavotana ho an’ny firenena rehetra. Niniana « nohajambaina » àry ve ny masony mba tsy hahita an’ Kristy (Sal.69.22,23) mba hahazoana mamonjy ny firenen-drehetra? Raha izany, ahoana ny hoavin’io firenena voafidy io sy ny fanekena nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama razany? Miaiky ny mpanoratra ka hoy izy: « Endrey ny halalin’ny haren’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! Ny fitsarany tsy hita lany, ary ny làlany tsy azo fantarina! » (and.33)

2- Tsy nafoin’Andriamanitra ny Jiosy.

Tsy haharitra mandrakizay ny hajambam-panahin’ny Jiosy, fa rehefa hahita ny ny Jentilisa misitraka ny harem-pahasoavan’ Andriamanitra izy ireo dia hisy sisa » hahatsiaro » ny maha- firenena nofidin’ Andriamanitra azy sy ny tombontsoa avy amin’izany, ka hiverina Aminy. Ary raha miverina izy ka miova fo sy fanahy dia horaisina indray. Ny fahamarinana azo antoka indrindra dia izao: izay rehetra manaiky an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy no hovonjena, na Jiosy izy na Jentilisa. « Fa lzy no nihavian’izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady lzy koa no antony; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amena. » (and.36)

Fanontaniana:

Nahoana no saro-pantarina ny fitondran’Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alarobia 27 Desambra 2023

Isaia 11.1-10

« Solofo mitsimoka eo amin’ny fototr’i Jese.. »

1- Iza no ambaran’ izany?

Ambaran’ny mpaminany fa hisy mpitondra mendrika tahaka an’i Davida mpanjaka, avy amin’ny taranany hiseho. Hevitra roa mifameno no ambaran’ izany: Ny voalohany dia manondro an’i Hezekia mpanjaka, taranak’i Davida izay nampiseho fahatokiana an’ Andriamanitra tanteraka teo amin’ny fitondrany, indrindra fa tamin’ ny fotoana nifanandrinany tamin’ny Asyriana (Isa 37.1 – 20): ny faharoa kosa dia manondro ny « Mesia« , satria ny teny hoe tsimoka‘ » dia azo ampifandraisina amin’ny hoe : « Nazareana’ » izay milaza an’i Jesoa avy any Nazareta. (Mat 2.23) Mifameno ireo hevitra roa ireo satria samy manambara fanirahan’ Andriamanitra mpanompo voafidiny hitondra famonjena ho an’ ny olona.

2- Inona no zavatra entiny?

Manana izay mampiavaka azy io Mpanjaka voafidin’Andriamanitra io, noho izy itoeran’ny Fanahin’i Jehovah . Voafaritra anatin’izany ireto: fahendrena sy fahazavan-tsaina, fahaizana mamolavola sy manatanteraka, fahalalana sy fanajana ary fahatahorana an’Andriamanitra (and.3). Ireo toe-panahy ireo no ahafahan’ny mpitondra mijoro amin’ny fahamarinana araka an’Andriamanitra, hahaizany mitsara araka ny rariny (and.4) sady antoky ny fiadanana sy fandrian-pahalemana. Asehon’ny mpaminany an-tsary izany ka mampitodika ny saina amin’ ny fiainam-baovao ao amin’i Kristy: « Ary ny amboadia hiara-mitoetra amin ny zanak’ondry… Ny zaza minono hilalao amin’ny lavaky ny vipera… » (and. 6 -8). Izay rehetra mandray an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy mpamonjy azy dia efa misantatra sahady izany fiadanana entin’ny Mesia izany. Fanontaniana:

Inona no asa miandry ny Fiangonana manoloana ny tsy fandriampahalemana sy ny fanjakan’ ny tsy rariny?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Talata 26 Desambra 2023

Lioka 1.46-56

Ny foko mankalaza ny Tompo…

Ny antony nahatonga an’i Maria renin’i Jesoa hankalaza an’Andriamanitra no hitantsika amin’ity anio ity:

1- Fa efa nijery ny fahambanian-toetry ny ankizivaviny Izy

Niandry fatratra ny amin’ny fiavian’ny Mesia tokoa ny Jiosy. Raha ny feheverana amin’ny maha- olombelona dia ampoizina fa zanaky ny mpanjaka, na zanaky ny olona armbony sy manankarena no hofidin’Andriamanitra ho renin’ny Mesia. Tsy nanao izany Izy, fa nifidy vehivavy tsotra, feno fanetren-tena. Tsy midika akory izany fa tsy tian’Andriamanitra ny olona ambony sy manana ny maha- izy azy, fa mba hanehoana amintsika kosa ny fitiavan’ Andriamanitra mahatratra ny olona rehetra. Mahatsiaro ho manana ny toerany eo anivon’ny fiaraha-monina i Maria, noho ny famangian’ny Tompo azy. Hita izao, fa Andriamanitra mihitsy no miandany amin’ny olona izay voahilikilika sy atao tsinontsinona.

2- Nanao asa lehibe tamin’ny sandriny Izy…(and.51)

Ny fahatongavan’i Jesoa Kristy eto amin’ izao tontolo izao dia manova ny fomba fijery ny rafi-piaraha-monina misy : amindrany fo hatramin’ny taranany ireo izay manaja Azy (and.50), mampihahaka ny mpiavonavona Izy, manala ny lehibe amin’ny seza fiandrianany Izy, fa hanandratra kosa ny olona izay natao tsinontsinona (and.52) . Vokisany soa ny olona noana, fa ny mpanankarena kosa alefany mody maina. Azo takarina avy amin’izany fa ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra no anjakan’ny tena fahamarinana, izay manome zo ny olona rehetra hahazo famonjena, ary manafoana ny fanambonian-tena sy ny fampanjakana ny tsy rariny sy ny fifanilikilihana eo amin’ny samy olombelona.

Fanontaniana:

Nahoana no vitsy ny vehivavy manana andraikitra lehibe eo amin ‘ny Fiangonana na firenena?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alatsinainy 25 Desambra 2023

Matio 2.1 – 12

Hiankohoka eo anatrehany? Sokajin’ olona roa samihafa izay samy milaza fa te- hahita ny Tompo sy hiankohoka eo anatrehan’i Jesoa no aseho antsika anio:

1- Ny Magy.

Ny Magy izay nolazaina hoe olon-kendry avy any atsinanana, rehefa avy nanontany ny momba an’i Jesoa ka nahalala fa any Betlehema any Jodia no hahaterahany ka dia nanao izay hahatongavana tany, Tratrany ny tanjony : nahita an’i Jesoa izy ireo ka niankohoka teo anatrehany ho fanajana Azy, sady nanokatra ny vata fitehirizan-drakiny ary dia nanolotra zavatra ho Azy, dia volamena sy ditin-kazo manitra ary miora. Ny fahaterahan’ny Mpamonjy ao am-pontsika dia mitarika antsika hiankohoka eo anatrehan’ny fahalehibeazany, sy hanolotra fanatitra ho Azy. Rehefa manolo-tena feno ho an’ Andriamanitra ny olona dia mahafoy zava-tsarobidy ho fanajana Azy.

2- Heroda mpanjaka:

Heroda mpanjaka kosa, raha nahare ny amin’ny hahaterahan’ny Mpanjakan’ny Jiosy dia nangorohoro. Fantany tsara mantsy fa niandry ny fiavian’ny Mesia ny Jiosy, ary efa ampoiziny izay ho fihetsiky ny Jiosy raha tanteraka tokoa izany. Rehefa nanontaniana ny mpisorona dia mazava ny valinteny, fa any Betlehema no hahaterahany, araka ny efa voalazan’ny mpaminany. Namotopototra mangingina ireo Magy izy ka naniraka azy ireo hankany Betlehema mba hizaha izany zava- baovao izany. Feno fihatsarambelatsihy ny fony, raha nilaza izy fa mba « te- hankany hiankohoka eo anatrehany » . Miseho amin’ny fihetsiny ny asan’ny satana, izay mikendry ny tsy hahatanterahan’ny sitrapon’ Andriamanitra, mba hamonjena ny olona rehetra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy tonga nofo.

Fanontaniana:

Inona no zava-tsarobidy atolotrao ho fanajana an ‘i Jesoa?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahady 24 Desambra 2023

Salamo 113. 1-9

Midera an’Andriamanitra! « Haleloia! »

Izany antso izany no fiantombohana sy fiafaran’ ity Salamo ity, izay azo adika hoe: « Miderà an’i Jehovah »

1- Amin’ny fotoana toy inona no hiderana Azy?

« Isaorana anie ny anaran’i Jehovah. Hatramin’izao ka ho mandrakizay .Hatramin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany, no hoderaina anie ny anaran’i Jehovah » (and.2,3). Mahazatra ny maro midera sy misaotra an’ Andriamanitra, rehefa mba metimety ny ataony, na tanteraka izay rehetra nangatahiny tamin’ny Tompo. Tsy diso akory izany. fa araka izay hita eto dia tsy maintsy midera an’Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra ny mpanompony, fa tsy ho amin’ny fotoana na toe-javatra manokana ihany: “hatrizao ka ho mandrakizay; manomboka amin ‘ny fiposahan’ny masoandro ka mandra-pilentiny « . Na aiza na aiza toerana misy antsika, manerana izao tontolo izao, ary na inona na inona toe-javatra mitranga eo amin’ny fiainantsika dia tsy maintsy midera Azy isika.

2- Nahoana no tsy maintsy hidera Azy isika?

Raha ity Salamo ity no dinihina dia ireto ny antony hiderana Azy: « Avo ambonin ny firenena rehetra ny Tompo, ambonin ‘ny lanitra ny voninahiny« . (and.4 DIEM). Tsy takatry ny sain’ ireo firenen- drehetra ny fahalehibeazana sy ny fahambonian’ Andriamanitra. Na dia Avo indrindra sy be voninahitra aza Andriamanitra, dia miondrika ka mijery sy mihevitra ireo olona mahantra sy voahilikiliky ny mpiara-belona, ary manarina azy ireny hiala amin’ny fako sy ny fahalotoany (and.7). Tanteraka izany tamin’ny nahatongavan’i Jesoa Kristy tety an-tany nanafaka antsika amin’ny fahalotoana sy ny fahatrana ara-panahy mba hananantsika anjara ao amin’ny fanjakan’ny lanitra (Jereo Mat 5.3).

Fanontaniana:

Azontsika sary an-tsaina ve ny fahalehibeazan ‘Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Sabotsy 23 Desambra 2023

Efesiana 1.1-6

Isaorana anie Andriamanitra ! Inona avy no manetsika antsika hisaotra ho an’Andriamanitra

1- Nitahy antsika lzy (vakio ny and.3)

Izy no mahatanteraka ny zavatra rehetra araka ny fikasany hatrizay hatrizay. Hoy ny Voasoratra: « Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nitahy antsika tao amin’i Kristy amin ‘ny, fitahiam-panahy rehetra any an- danitra…  » (and3) ». Raha fitahiana momba ny tany Kanana no nampanantenaina ny zanak’Israely, ny fitahiana ny fiangonana kosa dia lehibe kokoa noho izany, satria momba ny fiainana mandrakizay any an-danitra, izay santarina sahady ety an-tany « ao amin’i Kristy« . Ny fampiraisana antsika amin’i Jesoa Kristy Zanany dia fampidirana antsika ho isan’ny vahoakan’ny fanjakan’ Andriamanitra. Ary izany fahasoavana izany no ambaran’ny mpanoratra ho fitahiam-panahy lehibe raisintsika ka hisaorana sy hankalazana Azy (and.6)

2- Nifidy antsika Izy (vakio ny and.4, 5)

Mampahery antsika fiangonana ny fahalalana fa Andriamanitra no nifidy antsika. Efa fantany sy teo am-pelatanany avokoa ny momba antsika rehetra satria « fony tsy mbola àry ny fanorenan’izao tontolo izao » no efa nifidianany antsika. Tsy takatry ny saina ny antony nifidianany antsika, satria tsy miankina amin’ izay ezaka nataontsika fa safidy sy sitrapon’ Andriamanitra samirery izany. Miasa lzy ka manaisotra ny fahotantsika rehetra mba hahatonga antsika ho masina sady tsy misy tsiny eo anatrehany. Natokany ho Azy isika tamin’ny alalan’ny firaisana amin’i Kristy, ka tonga zanany (and.5). Ary izany fahasoavana raisintsika ao amin’Ilay Zanany Malala izany no hiderantsika Azy (and.6)

Fanontaniana:

Amin ‘ny fotoana inona no isaoran ‘ny olona an ‘Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM