Alahady 19 Novambra 2023
Apokalypsy 22. 6-15
1- Andriamanitra irery no mendrika hoderaina (and 8-9)
Anjely no nampiasain’Andriamanitra mba haneho amin’i Jaona ny fahitana. Rehefa nahita izany izy dia resy lahatra ka niankohoka teo anatrehan’ ilay anjely. Nananatra azy ilay anjely fa tsy azo atao izany fa Andriamanitra irery no ivavahana. Ry havana, ny didy voalohany dia mandrara izay miankohoka amin-javatra hafa afa-tsy ny Tompo Andriamanitra ihany. Mety ho fanehoana fahalalam-pomba no anaovana izany, fa mety ho fanehoana fankasitrahana koa, na hafa ankoatra izany; nefa tsy mety izany satria mandika ny didin’Andriamanitra ary asaina mitandrina isika.
2- Tsy maintsy ho tanteraka haingana kokoa ny Tenin’Andriamanitra (and 10-12)
Antomotra ny fiavian’ny Tompo, tsy maintsy ho tanteraka ny teny faminaniana. Manana ny safidiny hitondrana ny fiainana ny tsirairay. Ny mpanao ratsy dia mikiry manohy ny làlan’ny faharatsiany hatrany, ka handray ny valin’ny faharatsiany. Ny »marina », izay miaina araka ny sitrapon’ Andriamanitra dia mitoetra amin’ ny fahatsarana sy ny fahamasinana, satria miomana ny amin’ny fiavian’ny Tompo. Raha mihazakazaka amin’ny faharatsiana izao tontolo izao, ianao izay efa nandray ny famonjena, efa nino an’i Jesoa Kristy kosa mahaiza mitoetra amin ny fahamarinana sy fahamasinana mba hitsena ny Tompo amin’ny toetra mendrika, mba handovanao ny fiainana mandrakizay.
Fanontaniana :
Tsapanao eo amin ny fiainanao ve fa efa antomotra tokoa ny andro? Inona no fiomanana tokony hatao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM