Alarobia 13 Septambra 2023

SALAMO 96.10

Ny tena mpanompon’Andriamanitra

1-Mitaona ny olona hidera an’Andriamanitra

Mitaona ny olona hidera an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fihirana ny mpanao salamo eto ka endrika baiko no hanehoany izany : mihirĂ … Ny tany rehetra na izao tontolo izao mihitsy no didiany hihira ho an’i Jehovah , ary fihirana miloatra avy ao ampo no sitrany . Ao anatin’izany fihirana izany no hanambarana ny fahatsaran’i Jehovah (and2b,3b) .Mahatsiaro sy mampahatsiaro ny fitiavan’Andriamanitra mbamin’ny fitanntanany sy ny famonjeny ny olony ny mpanao salamo.Mendrika hoderaina Izy noho izany . Ny mpanompon’Andriamanitra tokoa dia tokony hahatsiaro ny fitiavan’Andriamanitra ka hitaona ny olona rehetra hidera an’Andriamanitra .

2-Manambara ny maha-Izy Azy an’Andriamanitra

Manana ny maha-Izy Azy tokoa i Jehovah ,ary nambaran’ny mpanao salamo eto izany (and4).Maro ireo firenena izay samy nanana ny andriamaniny avy tamin’izany.Ireny dia tsinotsinona fa Jehovah ihany no Andriamanitra manam-pahefana sy maneho ny heriny amin’ny asany .Manana adidy araka izany ireo mpanompony hanambara amin’izao tontolo izao ny fahalehibiazan’Andriamanitra .

3-Mitaona ny olona hanompo an’Andriamanitra

Antitranterin’ny mpanao salamo hatrany ny antso ataony ny amin’ny hanomezana haja sy voninahitra an’i Jehovah . Ny firenena no antsoiny hanao izany .Manana ny maha-Izy Azy Andriamanitra ka mendrika hoderaina sy hotompoina ,ary izany no antso ataon’ny mpanao Salamo .Ny mpanompon’Andriamanitra dia mitaona ny hanompoana Azy satria Azy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany .

Fanontaniana :

Manao ahoana ny fijoroanao amin’ny maha-mpanompon’Andriamanitra anao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2025

Novambra: MAHANDRASA, HO AVY NY TOMPO

| | 16. Ala. XXIII man. Trinite -SAMPATI
Zef. 3. 6-8 | Mar. 13. 33-37 | 1Pet. 4. 1-6

| | 23. Ala. XXIV man. Trinite - KPMSV
Mik. 7. 7-10 | Lio. 21. 5-11 | 1Jao. 2. 24-29

| | 30. Advento I
Sal. 75. 1-10 | Lio. 21. 12-19 | Apo. 3. 7-13

Desambra: MANANTENĂ€ AN'ANDRIAMANITRA

| | 07. Advento II
Job. 11. 13-20 | Jao. 3. 16-21 | 1Pet. 1. 17-21

FJKM Fahazavana

Fivoriana voalohany – taorian’ny SLXX ao amin’ny CFD AMPANDRANA

Fandaminana ny Alahady 19 Oktobra 2025 eny amin’ny FJKM AMBOHIMALAZA FIRAISANA KANANA VAOVAO