Fihaonambe Loholona sy Diakona

MORONDAVA

NANDRAY NY FIHAONAMBEN’NY LOHOLONA SY DIAKONA FJKM

SP08 – SP11 – SP33 –SP36)

Fa voasoratra hoe : « Ary aoka hizahan-toetra ireo aloha, dia vao hanao ny asan’ny diakona izy, raha tsy manan-tsiny. » (1 Timoty 3:10)

Henika vahiny i Morondava, nanomboka ny Alatsinainy 14 Aogositra 2023, satria dia tany an-toerana no ambohipihaonan’ny Loholona sy Diakona ary ny Mpitandrina FJKM, avy ao amin’ny Synodamparitany efatra : SP08 (Andrefana Atsimon’Ankaratra Miaradia) sy ny SP11 (Antananarivo Atsimo) ary ny SP33 (Toliara Fihavaozana) sy SP36 (Fahazavan’Atsimo Andrefana). Tany no nanatanterahana ny fihaonamben’ ny Loholona sy Diakona ary tany ihany koa ny Mpitandrina miasa ao amin’ireo Synodamparitany efatra voalaza eo ambony no nanao ny fampitoviana lenta (Recyclage pastorale). Marihina fa nisy 1753 ny olona tonga tany Morondava, ary ny Filoha Mpanampy FJKM, ANDRIAMAMPIANINA Zaka Hary Masy, Mpitandrina no lehiben’ny ivotoerana Morondava (Chef de Centre Morondava). Nanotrona azy tany an-toerana ireo Prezida Synodaly mitondra ny Synodamparitany efatra.

Fotoam-pivavahana no nanokafana ny fotoana, izay nahitana ireo mpitondra ambony tany an-toerana, manamboninahitra sivily sy miaramila. Tao amin’ny tany malalaky ny Katôlika tao Namahora no nanatanterahana ny hetsika rehetra. Nitarika ny fotoam-bavaka fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sady fanokafana araka ny fombam-piangonana ny hetsika tany an-toerana, sady nitondra ny hafatr’Andriamanitra, ny Prezida Synodaly SPFAA36, Atoa RAZAFIMAHALO Rowlands Peter, Mpitandrina.

Ny Zoma 18 Aogositra 2023, no nankalazaina ny tsingerin-taona faha-55 taonan’ny FJKM, ka fotoam-pivavahana no notanterahina tamin’izany tao amin’ny tany malalaky ny katôlika tao Namahora ihany, izay nialohavan’ny diaben’ny mpino, niainga tamin’ny toerana roa samihafa (Niainga tany amin’ny FJKM Mahavaobe ny iray, ary niainga tany amin’ny FJKM Imahagaga Morondava ny faharoa) izay namakivaky tanàna, ka nifarana tao amin’ny tany malalaky ny katôlika. Nitarika ny fotoam-pivavahana nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra tamin’izany ny Filoha Mpanampy ny komitin’ny fankalazana ny faha-55 taonan’ny FJKM, Atoa RAMANANTSOA Andriamihaja Tiana Dani, Mpitandrina. Nitondra ny hafatr’Andriamanitra sady nametraka ny Tsodrano ny Filoha Mpanampy FJKM, Atoa ANDRIAMAMPIANINA Zaka Hary Masy, Mpitandrina. Marihina fa nisy ihany koa ny takariva an-kira tany Morondava izay nandraisan’ny Loholona sy Diakona ary Mpitandrina anjara navitrika.

MAMY NIRINA

Perikopa 2024

Jolay: MIARAHA MANDEHA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO

| | 28. Ala. IX man. Trinite - TPM sy IFRP
Deotoronimia 31. 1–8 | Matio 4. 18–22 | Kolosiana 2. 4–7

Aogositra: MANAMASINA NY TENANY NY MPINO

| | 04. Ala. X man. Trinite
Levitikosy 19. 1–4 | Matio 7. 6 | 1Petera 1. 13–16

| | 11. Ala. XI man. Trinite - KFTM (Maritiora)
Estera 4. 6–17 | Lioka 12. 4–7 | 1Petera 1. 13–16

| | 18. Ala. XII man. Trinite - Aumônerie Nationale
Isaia 52. 11–12 | Marka 7. 14–23 | 2Korintiana 6.11–7.1

FJKM Fahazavana

Alahadin’ny SFL 2024 :

Production : FTV / FJKM