Ireo Prezida Synodaly 2023

Laharana SP sy PS ary ny fifandraisana

SP 1-ANDRIAMANAMPISOA Hermane  Gideona, Mpitandrina 034 64 473 46

SP 2-ABDINAGO Antra Fanantenana, Mpitandrina 034 10 778 30 – 033 14 110 79

SP 3-RALAIARIVELO  Fanomezantsoa Andriamamonjy, Mpitandrina 034 52 282 41

SP 4-NY ONJA RAKOTONIAINA Rianarivelo Nehemia, Mpitandrina 034 81 147 41 – 034 13 578 67

SP 5-RASOLONIRINA Robert, Mpitandrina 034 43 951 80 – 033 40 048 79

SP 6-RANDRIAMBOLOLONA Fidèle, Mpitandrina 034 26 491 57 – 033 12 722 17

SP 7-SOJA  Arthur, Mpitandrina 034 74 778 04 – 033 02 240 41

SP 8-ANDRIAMIHAJAMAHALEO Josoa Ernest, Mpitandrina 034 21 152 67

SP 9-RAMANANTSOA  Charles, Mpitandrina 034 10 317 65

SP 10-RAZAFINDRAKOTO ANDRIAMBALOHERY Hasinarivo, Mpitandrina 034 97 807 41

SP 11-RAKOTONDRASOA Philibert, Mpitandrina 034 50 012 18

SP 12-ALIOLIHARIMANARIVO Mahabo Saotra, Mpitandrina 034 01 480 33

SP 13-RANDRIANARISON Jean  Evariste, Mpitandrina 034 99 487 70 – 033 85 339 78

SP 14-RAZAFINDRATSIMBA Tokinirina Anjarasoa, Mpitandrina 034 91 120 56

SP 15-RABENANTOANINA Solofonindriana, Mpitandrina 034 11 519 62 – 033 11 519 62

SP 16-IVAMA Moryl, Mpitandrina 034 39 519 09 – 033 11 592 35

SP 17-RANDRIAMAMPIANINA Josoa, Mpitandrina 034 03 380 64

SP 18-RABEVITA Saina, Mpitandrina 032 54 698 51

SP 19-RABETOKOTANY Miarilaza, Mpitandrina 034 33 695 47  –   033 11 356 14

SP 20-RAJAONERA Rodin, Mpitandrina 034 08 866 00 – 033 08 442 19

SP 21-RAJOSOA BARINARIVO Mamy, Mpitandrina 034 81 050 95

SP 22-RABENATOANDRO SAMIARIVELINA Mamy Yves, Mpitandrina 034 96 577 71

SP 23-RAVELOARIMANANA Martin , Mpitandrina 034 40 341 80 – 033 06 289 71

SP 24-MOSATEROA Zafimanambelo Hajatiana Aimé, Mpitandrina 034 82 788 87

SP 25-JEREMIA Jean Louis, Mpitandrina 034 52 517 72 – 033 08 557 64

SP 26-TSARAMONINA James Eric, Mpitandrina 034 30 779 26 –  033 09 142 38

SP 27-RANDRIANARISAINA Harilaza, Mpitandrina 034 08 564 66 – 033 71 946 04

SP 28-BERT Gera, Mpitandrina 034 01 415 53 – 033 41 098 17

SP 29-ANDRIAMAMONJY  Rivoarisoa, Mpitandrina 034 81 217 10 – 033 72 123 83      

SP 30-RATSIRESIMAMPIONONA Razanadrakoto Dida, Mpitandrina 034 86 838 44  – 034 64 404 13

SP 31-NIRINARISON Emile Johnson William, Mpitandrina 034 63 011 82 – 033 23 138 20

SP 32-RAKOTONDRAIBE Solofomalala, Mpitandrina 034 78 627 06 – 033 37 643 70

SP 33-RANADIMBY Fanantenana, Mpitandrina 034 63 182 10

SP 34-RAKOTOMALALA Jean Olivier, Mpitandrina 034 06 100 96

SP 35-ANDRIANJAKAMBOLAHARINAIVO Arnaud, Mpitandrina 034 49 690 34

SP 36-RAZAFIMAHALEO Rowlands Peter, Mpitandrina 034 69 669 40

SP 37-Raholiarison Yves Aimé Richard, Mpitandrina –  FMI 00 336 70 56 66 96

SP 38-RAZAFINDRABE Raymond, Mpitandrina 034 13 098 02 – 032 47 166 47

Perikopa Alah1sy Alah 2 / Okt 2023

Aoreno ao amin’ny Tompo ny Fianakaviana

Ampitomboina ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Ilay Taloha sy Ankehitriny ary Ilay Hoavy. Miditra ao anatin’ny volana fahafolo amin’ity taona ity isika Fiangonana ka miara-mibanjina ny lohahevitra hoe: “Aoreno ao amin’ny Tompo ny fianakaviana”. Koa indro tari-dalana iray ho enti-mandinika io lohahevitra io araka ny perikopa voalahatra amin’ny Alahady voalohany sy faharoa amin’ny volana oktobra 2023:


 Genesisy 2, 18- 25: Ny Fanambadiana no iaingan’ny fianakaviana. Koa raha miteny ny perikopa hoe: “aoreno ao amin’ny Tompo ny fianakaviana” dia izany no itaomana ny mpivady hanorina ny fanambadiany ao amin’ny Tompo. Tsy ny toko voalohany fa ny faharoa no mitantara ny fanambadiana naorin’Andriamanitra ka ireto no fepetra enti-nanorina izany: Avy ao amin’Andriamanitra no miainga ny hevitra hanorina ny fanambadiana (and. 18), Tsy vokatry ny famoronana voalohany izy, izany
hoe: tsy toy ny namoronan’Andriamanitra ny biby sy ny voromanidina avy tamin’ny tany, fa noforoniny avy tamin’ny efa vokatry ny fisiana, dia i Eva avy tamin’i Adama (And. 19- 20) Tena asan’Andriamanitra manontolo io fanambadiana io (and. 21- 22) fa anjaran’ny olona, dia ralehilahy, no manaiky ny fisiany (and. 23) mba hahatanteraka ny tena fiombonana miendrik’Andriamanitra (and. 24- 25)


 Matio 5, 31- 32: Manomboka eto amin’ity toko ity ny toriteny fampianarana nataon’i Jesoa, izay manatratra ny tanjon’ny fahasambarana izay tiany hisitrahan’ny olona manaiky ny teniny. Ravain’ny fisaoram-bady (fisarahana) anefa io fahasambarana io. Rava ny fiombonana izay endrik’Andriamanitra ao amin’ny fanambadiana (Zahao Deo. 24, 1-4 izay perikopa amin’ny alahady faharoa), dia ny fiombonana tsy azo averina intsony (Zahao Deo. 24, 5). Farany, ny fisarahana no manome vahana ny fijangajangana. (and. 32)
 Efesiana 5, 22- 33: Eto amin’ity epistiliny ity ny mpanoratra no manolotra ny lalana izoran’ny Mpivady ho amin’ny fahamarinan-toeran’ny fanambadiana, dia ny fametrahana an’i Jesoa Kristy ho ivon’ny fanekena (and. 22- 24) sy ny fitiavana (and.25- 30) ny vady, ka hanjakan’ny fiombonana ho toy ny olona iray (and. 31- 33)


 Marka 10, 2- 12: Ny fisaraham-panambadiana dia ho an’ny olona mafy fo (fo-vato), izay azo heverina ho toy ny tsy afa-miaina na azo adika ho fidirana any amin’ny fahafatesana (and. 5) ka tsy eken’Andriamanitra na oviana na oviana ary na inona na inona antony. Tsy nahary fisarahana Izy fa nahary hiombonana tanteraka (and. 6- 9) Miverina indray eto ny fampianarana fa loharanon’ny fijangajangana ny fanomezam-bahana ny fisarahana hahazoana manorina fanambadiana vaovao (and. 10- 12)


 1 Korintiana 7, 1- 16: Ny fanambadiana no azo heverina ho fanefitry ny fijangajangana (and. 1- 2) kanefa ho zinona moa izany raha tsy iainana ny fombam-panaon’ny mpivady (and. 3- 5) noho ny maha zara fanomezana avy amin’Andriamanitra ny fanambadiana (and. 7). Koa amin’ny maha fanomezana azy dia tsy maintsy koloin’izay nandray izany ary tsy anerena ireo izay nisafidy ho amin’ny fitovoana (and. 8- 16)

Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra


RAKOTOZANANY Andrianirinomena Jules, Mpitandrina

Hafatry ny Filoha/ Sept 2023

VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !


Ezaho mafy ny antsontsika
Mba ho re hatraizahatraiza
Ka hanakoako hatrany
Mandra-pahatonga izany
Ho ao am-pon’ny olo-mino
Ka hivadika ho asa
Sy hetsika manova fiaina.
Eny, ezaho ny antsontsika
Fa vao miainga ihany isika
Ka tsy maintsy ataonao mafy
Ny fanentananao rehetra
Mba hifoha ireo matory,
ka hiomana am-panahy
dia hitsangana handeha,
hitafy tena fahavononana!
Ezaho mafy ny antsontsika
Fa mbola misy tsy nandre
Sy tsy mbola mahalala!
Ary tena misy koa
Ireo minia misary adala!
Saingy ireny rehetra ireny,
tsy maintsy taomina avokoa!
Ezaho mafy ny antsontsika
F’izay no baikon’Izy Tompo:
“Ezaho mafy ny antsonao
F’aza atao malemilemy:
Ambarao ny fahadisoany!”
VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !


IRAKO AMMI

Sabotsy 30 Septambra 2023

.
Isaia 62,6-9

1-Mihevitra sy miaro ny olony hatrany Andriamanitra
Tany Palestina, ny tanàna lehibe dia narovana tamin’ny manda avo sy matevina manodidina azy. Ny tena hevitry ny hoé « manda », rindrina matevina sy avo be dia fiarovana na koa fanakanana ny fahavalo indrindra. Tamin’izany fotoana izany mantsy dia nisy hatrany ny ady teo amin’ny samy tanàna, ka ny fiarovan-tena sy ny fiarovana ny tanàna azo antoka sy tena nianteheran’ny olona dia ny fananganana izany manda izany. Misy matevina be mihitsy ny manda, misy hatramin’ny 4 metatra na mihoatra mihitsy aza ary azo nanorenana trano eo ambonin’ny sasany (Jereo Jos.2,15). Matetika natao ho fialofan’ny mpiambina izany trano izany mba ho vonona hatrany izy ireo hanao ny asa fiambenana ka hampiomana ny tanàna. Izany sary izany no nampiasaina teto ilazana fa tena mihevitra izay mahatsara ny olony tokoa Andriamanitra satria manendry mpiambina Izy hampahatsiaro ny olona izay tokony hataony amin’ny fotoana rehetra.


2-Tsy mahazo mangina ny mpiambina

Raha ny marina dia tsy fahavalo mivantana toy ny teo aloha intsony no tena fahavalon’Andriamanitra fa ny asan’ny fanahy ratsy (jereo Efe.6,13). Ny mpiambina dia ireo irak’Andriamanitra rehetra mivavaka Aminy ho an’ny olona andaniny, mifona ho an’ny olona, ary milaza ny sitrapon’Andriamanitra mba hanarahan’ny olona izany ankilany. Tena asan’ny Fiangonana izany, satria ny Fiangonana mihitsy no tsy maintsy milaza ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny olona. Raha mandresy lahatra hatrany mantsy ny ratsy dia tsy maintsy milaza ny sitrapon’Andriamanitra kosa ny irany, hampahatsiaro ny soa omanin’Andriamanitra ho an’ny olony.

Fanontaniana :
Mihevitra ny olony ve Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Zoma 29 Septambra 2023


Asan’ny Apôstôly 11,19-26

1-Mampiely ny fivavahana ny fanenjehana
Ny filazana ny anaran’i Stefana izay maty martiora, hita any amin’ny toko faha 8 dia tsiahivin’ny and.19 eto. Voalaza ary, tany amin’ny fiandohan’ny toko faha 8 fa nisy ny fanenjehana mafy, ary mifampitohy amin’ity toko ity mihitsy izany filazana fanenjehana natao tamin’ny Fiangonana izany. Mihevitra mihitsy ny mpanenjika amin’izany hoe ho foana ny fivavahana rehefa enjehina ny mpivavaka sy ny Fiangonana satria nisy tokoa ireo tratra sy novonoina. Tsy izany velively anefa ny fihevitry ny Tompo Andriamanitra ny zavamisy satria tena fitaovana hanapariahana ny Fiangonana sy ny fivavahana mihitsy izany fanejehana izany araka ny hita eto. Voaporofo mantsy fa tena nampiitatra ny Fiangonana sy ny fivavahana ny fanenjehana natao. Entina ampaherezana indrindra ireo voahenjika noho ny fitoriana ny Filazantsara izany toe-javatra izany eto, mba tsy ho kivy amin’izay mety ho fahavoazana fa hibanjina kosa ny asan’Andriamanitra tanteraka


2-Mifanohana ny samy mpivavaka

Rehefa niparitaka ny vaovao momba ny nandraisan’ny mpivavaka ny Filazantsara, satria tsy azo sakanana izany zavamisy izany, dia tsy nianina fotsiny tamin’izay efa zavanisy voatantara momba ny fitoriana ny Filazantsara ny Fiangonana, fa naniraka mpitory Filazantsara hanampy sy hanamafy orina ny tena Filazantsara marina. Ny zavamisy eo amin’ny tantaran’ny fivavahana mantsy, rehefa mandroso ny fitoriana ny Filazantsara dia misy mandrakariva ireo mihoa-pefy manararaotra manaparitaka filazantsara hafahafa (jereo Gal.1,6ss). Nirahana ary i Barnabasy, izay niara-niasa tamin’i Paoly mba hampianatra olona maro hanatsara ny fiainam-pivavahana

Fanontaniana
Misy lafiny miabo ihany ve ny fanenjehana?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Zoma 29 Septambra 2023

ASAN’NY APOSTOLY 11.19-26

1-Mampiely ny fivavahana ny fanenjehana

Ny filazana ny anaran’i Stefana izay maty maritiora voalaza any amin’ny toko faha-8 dia tsiahivin’ny and 19 eto . Voalaza àry tany amin’ny fiandohan’ny toko faha- 8 fa nisy fanenjehana mafy ary mifampitohy amin’ity toko ity mihitsy izany filazana fanenjehana natao tamin’ny fiangonana izany .Mihevitra mihitsy ny mpanenjika amin’izany hoe : ho foana ny fivavahana rehefa enjehina ny mpivavaka sy ny fiangonana satria nisy tokoa ireo tratra sy novonoina .Tsy izany velively anefa no fihevitry ny Tompo Andriamanitra ny zava-nisy satria tena fitaovana natao hanaparitahana ny fiangonana sy ny fivavahana mihitsy izany fanenjehana izany araka ny hita eto. Voaporofo mantsy fa tena nampiitatra ny fiangonana sy ny fivavahana ny fanenjehana natao .Entina ampaherezina indrindra ireo voaenjika noho ny fitoriana ny Filazantsara izany toe-javatra izany eto ,mba tsy ho kivy amin’izay mety ho fahavoazana fa hibanjina kosa ny asan’Andriamanitra tanteraka.

2-Mifanohana ny samy mpivavaka

Rehefa niparitaka ny vaovao momba ny nandraisan’ny mpivavaka ny Filazantsara , satria tsy azo sakanana izany zava-misy izany , dia tsy nianina fotsiny tamin’izay efa zava-nisy voatantara momba ny fitoriana ny Filazantsara ny fiangonana,fa naniraka mpitory Filazantsara hanampy sy hanamafy orina ny tena Filazantsara marina. Ny zava-misy eo amin’ny tantaran’ny fivavahana mantsy rehefa mandroso, nyfitoriana ny Filazantsara dia nisy mandrakariva ireo mihoa-pefy manararaotra manaparitaka Filazantsara hafahafa (Jereo Gal 1.6) . Nirahina àry i Barnabasy izay niara-niasa tamin’i Paoly mba hampianatra olona maro hanatsara ny fiainam-pivavahana .

Fanontaniana :

Misy lafiny miabo ihany vee ny fanenjehana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alakamisy 28 Septambra 2023



Lioka 9,57-62

1-Tsy vitan’ny hafanampo ny fanarahana an’i Jesoa


Nisy olona nilaza tamin’i Jesoa hoe : « hanaraka Anao aho na aiza na aiza alehanao ». Hita fa tsy nafenin’i Jesoa azy velively anefa ny zava-misy momba Azy eo anatrehan’izany faniriana hanaraka Azy izany. Marihana fa tsy mitovy amin’ny fampianaran’i Matio sy Marka ny an’i Lioka momba an’i Jesoa satria eto izao dia miteny i Lioka hoe : i Jesoa anie ka tsy manana trano itoeran’ny lohany sy hialany sasatra akory. Noho izany, na iza na iza maniry te-hanaraka Azy dia tsy maintsy mivonona tsara hihafy tahaka Azy koa. Ny ambara amin’ilay hoe : manaraka Azy koa anefa dia tsy hoe : mandehandeha manaraka Azy any amin’izay alehany rehetra eny fotsiny no dikany, tsia ! fa mandeha mitory ny Filazantsara tahaka ny nataony. Amin’ny teny hafa dia tsy afenin’i Jesoa fa izay maniry te-hanaraka Azy dia tsy maintsy mandà ny tenany sy ny filan’ny tany rehetra izay mety mamatotra azy .

2-Mila mandao izay rehetra mamatotra koa izany

Rehefa niantso olona hafa indray iJesoa dia mbola niala tsiny izy ireo fa tsy afaka ny hamaly izany avy hatrany, ny iray handevina ny rainy hono , ny faharoa kosa mbola hanao veloma ny ao an-tranony. Amin’ny lafiny iray dia endriky ny fandavana ny antso ataon’ny olona izany, fa noho ny henamaso na zavatra hafa dia mody tsy maneho fandavana mivantana fotsiny ny olona. Mety hihevitra ny hanaraka koa anefa izy, saingy mbola ampandeferiny aloha izany antso izany. Eo anatrehan’izany dia mamaly mivantana sy mahitsy avy hatrany i Jesoa fa ny antson’ny Tompo no tokony ataon’ny olona vaindohan-draharaha .

Fanontaniana :
Azo ampandeferina manoloana ny filan’ny olona ve ny antson’ny Tompo ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alarobia 27 Septambra 2023

LIOKA 9.57-62

1-Tsy vitan’ny hafanampo ny fanarahana an’i Jesoa

Nisy olona nilaza tamin’i Jesoa hoe : « hanaraka Anao aho na aiza na aiza alehanao« . Hita fa tsy nafenin’i Jesoa azy velively anefa ny zava-misy momba Azy eo anatrehan’izany faniriana hanaraka Azy izany . Marihana fa tsy mitovy amin’ny fampianaran’i Matio sy Marka ny an’i Lioka momba an’i Jesoa satria eto izao dia miteny i Lioka hoe : i Jesoa anie ka tsy manana trano itoeran’ny lohany sy hialany sasatra akory . Noho izany , na iza na iza maniry te-hanaraka Azy dia tsy maintsy mivonona tsara hihafy tahaka Azy koa. Ny ambara amin’ilay hoe : manaraka Azy koa anefa dia tsy hoe : mandehandeha manaraka Azy any amin’izay alehany rehetra eny fotsiny no dikany , tsia ! fa mandeha mitory ny Filazantsara tahaka ny nataony .Amin’ny teny hafa dia tsy afenin’i Jesoa fa izay maniry te-hanaraka Azy dia tsy maintsy mandà ny tenany sy ny filan’ny tany rehetra izay mety mamatotra azy .

2-Mila mandao izay rehetra mamatotra koa izany

Rehefa niantso olona hafa indray iJesoa dia mbola niala tsiny izy ireo fa tsy afaka ny hamaly izany avy hatrany , ny iray handevina ny rainy hono , ny faharoa kosa mbola hanao veloma ny ao an-tranony. Amin’ny lafiny iray dia endriky ny fandavana ny antso ataon’ny olona izany, fa noho ny henamaso na zavatra hafa dia mody tsy maneho fandavana mivantana fotsiny ny olona.Mety hihevitra ny hanaraka koa anefa izy ,saingy mbola ampandeferiny aloha izany antso izany . Eo anatrehan’izany dia mamaly mivantana sy mahitsy avy hatrany i Jesoa fa ny antson’ny Tompo no tokony ataon’ny olona vaindohan-draharaha .

Fanontaniana :

Azo ampandeferina manoloana ny filan’ny olona ve ny antson’ny Tompo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Talata 26 Septambra 2023

Asan’ny Apostoly 13,1-12

1- Mifidy sy maniraka mpanompo ny Tompo

Ambaran’ny Soratra Masina eto fa nanatanteraka fanompoam-pivavahana narahina fifadian-kanina ny Fiangonana. Ny tiana ambara amin’izany dia tsy hoe izany no filamatra ka tokony hanao tahaka izany avokoa ny Fiangonana hafa rehetra. Ny zava-misy mantsy dia hita fa sodokan’ny endrika ivelany sy ny fombafomban-javatra ihany ny maro mandritra ny vavaka atao. Tsarovy tsara anefa ilay hoe « « fanompoam-pivavahana » , izany hoe : manompo an’Andriamanitra mihitsy no atao amin’izany vavaka tanterahina izany. Izay tiana ambara eto àry dia izao : nanatanteraka vavaka tamin’ny fo feno tahotra sy fanajana an’Andriamanitra ny Fiangonana, vavaka tsy misy fihatsarambelatsihy, lavitry ny fiheboheboan’ny olona sy ny fanarahana fombafomba ivelany fotsiny ihany. Ny tahaka izany no fanompoam-pivavahana takiana sy valian’Andriamanitra.

2- Manao asa misiona ny iraka

Samy manana ny iraka tandrify azy avokoa ny mpanompon’Andriamanitra rehetra ary Izy Tompo mihitsy no manondro izay tandrify sy sahaza ny tsirairay. Mazava tsara mantsy eto ny teny hoe « hanao ny asa izay efa niantsoako azy« . Ny Tompo Andriamanitra izany dia efa nanomana ny tsirairay sy ny fikambanana koa ho amin’izany asa fanompoana tandrify izany.

3- Milaza ny fahazavana amin’izay mila izany ny iraka

Mahavariana ihany ny filazana eto hoe : Sergio Paolo dia olona manam-pahefana sady hendry nefa dia nanaiky an’i Elyma mpaminany sandoka. Tsy avelan’Andriamanitra ho voafatotra mandrakariva anefa ireny fa indro Izy maniraka olona hitory ny Filazantsara marina.

Fanontaniana

Valian’ny Tompo ve ny fanompoam-pivavahana rehetra? Iza ary hanao inona ny iraky ny Tompo amin’izany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM