Alatsinainy 28 Aogositra 2023

Titosy 1,10-16

10 Fa maro no maditra, mpitaria foana sy mpamitaka, indrindra fa avy amin’ny voafora

11 tsy maintsy hotampenam-bava ireo izay mampivadika ny mpianakavy maro, fa mampianatra izay tsy mety, mba hahazoany harena maloto.

12 Hoy ny anankiray amin’ireny, izay mpaminany teo aminy: ‘Mpandainga mandrakariva ny Kretana, biby ratsy, kamo be tenda.’

13 Marina izany vavolombelona izany. Ary noho izany dia anaro mafy izy mba hatanjaka amin’ny finoana,

14 tsy mitandrina ny anganonganon’ny Jiosy sy ny didin’ny olona izay mivily miala amin’ny fahamarinana.

15 Madio avokoa ny zavatra rehetra raha amin’ny olona madio; fa raha amin’ny olona voaloto sady tsy mino kosa dia tsy misy madio na inona na inona; fa voaloto na ny sainy na ny fieritreretany.

16 Manaiky fa mahalala an’Andriamanitra izy, nefa mandà Azy amin’ny asany, dia olona vetaveta sady tsy manaraka ary olona tsy izy, izay tsy manao asa tsara na inona na inona.

Tomoera tsara amin’ny finoana

1-Satria niely ny fampianaran-diso

Raha notanisan’i Paoly ny tokony toetran’ny Mpitandrina eo amin’ny and.5-9, dia teny hentitra kosa no nataony raha milaza ny amin’ny fampianaran-diso. Sokajiany ho mpitaria foana, mpamitaka ireo mpanao izany. Tsy sarahin’i Paoly amin’ny fampianarana ataony ny fitondran-tena sy fomba fiainana. Ireo mpivoy fampianaran-diso anefa dia ratsy fitondran-tena, ary mikendry mandrakariva ny hahazoany tombontsoa manokana, izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra hoe harena maloto, izay mifanohitra tanteraka amin’ny fampianarana marina. Isika izay efa nandray an’i Jesoa Kristy, ilay iorenan’ny finoantsika dia asain’ny Tenin’Andriamanitra hiambina fa maro ny fampianaran-diso izay miely amin’izao vanim-potoana iainantsika izao. Tomoera tsara amin’ny finoana.

2-Satria maro ny miseho ho mahalala an’Andriamanitra nefa mandà Azy

Ireo izay mpivoy ny fampianaran-diso dia sokajian’i Paoly ho olona mahalala an’Andriamanitra nefa mandà Azy (and.16). Faritan’i Paoly ho olona vetaveta, mpanimbazaimba, miseho mahalala Azy amin’ny fisehony ampahibemaso ho mpino, kanefa tsy manjàka ao ampo Izy. Raha tsy mitoetra amin’ny finoana marina isika dia toy ireo olona izay miseho ho mahalala an’Andriamanitra fotsiny nefa mandà amin’ny asany. Tsy tena miaina amin’ny Teniny. Manao ny fanompoana ho toy ny fombafomba fotsiny ka lasa mihebohebo sy mirehareha. Tomoera tsara amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy mba tsy finoana antendromolotra sanatria fa finoana marina arahina asa tsara.

Fanontaniana:

Inona no tokony hataon’ny Kristiana manoloana ny fampianaran-diso miely eto amin’ny firenentsika?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2025

Jona: AN'NY TOMPO NY FAHEFANA

| | 01. Ala. VI man. Paska
2 Tan.25. 1-12 | Mat.10. 26-31 | Jak.4. 11-17

| | 08. PENTEKOSTA - Sekoly FJKM
Ezekiela 39. 25-29 | Jaona 15, 26-27 | Asan'ny Apostoly 2, 14-21

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY MPIASA FOIBE FJKM 2025