Zoma 04 Aogositra 2023
Filemona 4-7
Ny olona mijoro amin’ny finoana
1-Tsara laza amin’ny finoana an’i Jesoa Tompo.« Reko ny fitiavanao sy ny finoana izay anananao hoan’i Jesoa » (and4).
Niharihary teo amin’ny mpiara-manompo sy ireo mpiara-monina ny hafanam-po tao amin’ i Filemona sy ny firedaredan’ny finoany an’i Jesoa. Ny nataon’i Paoly dia ny nampiako izany laza tsara izany hitamberina amin’ny Filemona. Jesoa ihany koa dia sahy nanontany ny mpianatra hoe : Ataon ‘ny olona ho iza moa ny Zanak ‘olona ? » (Mat 16,13). Tamin’izany dia samy nilaza ny maha – izy ny hafa na i Jesoa na i Petera.Maneho laza tsara. Ambarao amin’ny namanao ny mampiavaka azy.
2-Mitondra fahazotoana
« Mba hiasa mafy hoan’i Kristy ny fiombonana avy amin’ny finoana » (and 6).Akony tsara eo amin’ny mpiara manompo ny fijoroana amin’ny finoana. Mahatonga azy ireo hazoto, tsy hitarain-tana- miempaka, tsy hitandro hasasarana satria misy alain-tahaka. « Ny soa fianatra » hoy ny fitenenana.
3-Mitondra fifaliana
« Fa manana fifaliana sy fiononana anmin’ny fitiavanao aho » (and.7). Fifaliana ho an’i Paoly ary fifaliana ho an’ny mpiara-manompo ny mahita ny mpino namany izay mijoro amin’ny finoana.
Mahatonga ny hafa hitraka sy ho velom-panantenana lalandava ary hiorina amin ‘ny finoana izany.Mahatonga ireo mandalo fotoan-tsarotra hiatrika am-pahavononana ny hazo fijaliany. Misy tokoa ireo mpino izay tonga fitaovana mahomby eo am-pelatanan’ny Tompo hanatanteraka ilay hafatra hoe: « Koa hatanjaho ny tanana miraviavy sy ny lohalika malemy » (leb 12,12).
Fanontaniana
Lazao izay fantatrao momba an iFilemona.
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM