Talata 01 Aogositra 2023
MIJOROA AMIN’NY FINOANA
Romana 11: 13-21
Ny fifandraisana amin’ny Tompontsika
1- Ananany fahefana feno ny hitohizany na tsia.
« Marina ihany izany, ny tsy finoany no nanapahana azy… » (and 20a). Rehefa niala nenina tamin’ireo Jiosy sasany i Paoly ka niziriziry tsy hanaiky ny Filazantsara izy ireo, dia niantefa ho any amin’ny Jentilisa indray ny fitoriana Vaovao Mahafaly. I Paoly izay Apostolin’ny Jentilisa dia nanambara fa « notapahina ny sampana sasany » (and 16). Araka izany dia tafasaraka amin’ny tena foto-boaloboka ireo Jiosy sasany ireo. Hazavain’i Paoly fa ny tsy finoany no nanapahana azy (and 20). Araka izany, na iza na iza milaza azy ho vahoakan’Andriamanitra, na iza na iza misora-tena ho Kristiana kanefa miala na tsy manaiky ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo dia tapahin’ny Tompo ny fifandraisana aminy, toy ny sampana tafasaraka aman-taho
2- Miroborobo amin’ny alalan’ny finoana
Nampitandrina i Paoly hoe: « Aza mirehareha amin’ny sampany, fa raha mirehareha ianao, tsy ianao no mitondra ny fakany, fa ny fakany no mitondra anao » (and 18). Jesoa Kristy Tompo no toy ny foto-boaloboka. Izy no mahatonga ny mpino hiaina sy ho velona. Ny finoana Azy no antoka hahatonga antsika ho tafatoetra. Izany no mahatonga an’i Paoly hiteny hoe: Ianao izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina fandrao ho lavo » (IKor 10, 12). Tano mafy ary ny finoana, miorena tsara, aza miova. Aza atao ambanin-javatra ny vavaka, ny fandalinana Soratra Masina sy ny fiainana izany isanandro isanandro.
Fanontaniana:
Zava-dehibe ny fikolokoloana ny finoana, nahoana?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM