Alatsinainy 31 Jolay 2023

I Tesaloniana 5. 23 – 28

Ny olona nantsoin’ Andriamanitra

1- Hamasininy

«Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka” (and. 23)

Firariantsoa na vavaka nataon’i Paoly Apostoly ho an’ny kristiana tany Tesalonika mba hanamasinan’Andriamanitra azy reo. Ny fanamasinana, tahaka ny fanamarimana, dia asan’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fahasoavany ao amin’ Kristy. Kanefa, tokony hivoatra tsikelikely izany ka hita taratra amin’ny fomba fiainan’ny olona, ka i Jesoa Kristy no ohatra amin’ izany. Ny toetran ny olona eo amin’ ny fiainana andavanandro no ahafantarana azy na masina na tsia. Ataon’Andriamanitra miavaka amin’ny mpanao ratsy ny toetran’ny olona efa nohamasininy. Amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy ihany no itomboana izany. Koa mifikira amin’i Jesoa Kristy dia hitombo amin’ny fahamasinana tsika.

2- Arovany

«ka aoka harovana (…) tsy hanan-tsiny amin’ny fihavian’i Jesosy Kristy Tompontsika.» (and. 23)

Ny matoanteny hoe «harovana» eto dia azo adika ihany koa hoe «hitahiry » Izany hoe Andriamanitra no mitahiry ny olona nohamasininy ho voatahiry tsy manan-tsiny, tsy misy pentina, tsy misy kilema mandra-pihavin’i Jesoa Kristy indray. Tsy efan’ny ezaka ataon’ny olona fotsiny ihany ny haharitra amm‘ny finoana sy ny fanompoana an’Andriamanitra. Asan’ Andriamanitra madiodio ny mampaharitra ny olona amin’ny fanompoana Azy. Noho izany, adidin’ny mpino ny mangataka amin’Andriamanitra, hitahiry, haharetana hatramin’ ny farany amin‘ny finoana sy ny fanompoana an’i Jesoa Kristy.

Fanontaniana

Ahoana ny fomba iainanao ny fanamasinana avy amin’Andriamanitra?

SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE FJKM

93

Alahady 30 Jolay 2023


Matio 28 16-20


Jesoa Kristy maniraka ny mpianany


1- Manome baiko azy hampianatra

«koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra
(and. 19a)

Iraka sy baiko nomen’i Jesoa Kristy ny mpianany taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty ny hampianatra ny firenena rehetra
Hampianatra ny firenena rehetra hiaina ny finoana an’i Jesoa Kristy ny iraka nampanaovina azy ireo. Ny fiainana ny finoana an’i Jesoa Kristy izay manomboka amin’ny libebahana, mitohy amin’ny fankatoavana ny tenin’i Jesoa Kristy sy ny faharetana amin’izany. Ary izany baikon’i
Jesoa Kristy izany no iorenan’ny asa misiona ataon’ny Fiangonana sy
ny kristiana rehetra ao aminy. Mitaona ny olona rehetra tsy ankanavaka
hino an’i Jesoa Kristy sy hitandrina ny fampianaran’i Jesoa Kristy.


2-Manome baiko hanao Batisa

«manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina» (and. 19a)

Tsy afa-misaraka ny fanaovana ho mpianatra ny firenena rehetra sy ny
fanaovana Batisa. Ampianarina ny Soratra masina sy ny tenin’ Andriamanitra aloha ny olona izay vao atao Batisa. Ny fanaovana
Batisa dia vavolombelon’ny fandraisan’ny olona ny fampianarana. Tsy maintsy efa nandray ny fampianarana avy amin’ny Soratra Masina aloha ny olona izay vao atao tombokase amin’ny alalan’ny fandraisana ny Sakramentan’ny Batisa. Mariky ny fandraisana ny finoana avy
amin’ny tenin’Andriamanitra ny Batisa. Ary indrindra fanehoana fahavononana hiaina ny famonjen’i Jesoa Kristy izay naseho ho hita maso tamin’ny nandraisana ny Sakramentan’ny Batisa. Fanehoana ny
fandraisana ny famonjen’i Kristy ny Sakramentan’ny Batisa.

Fanontaniana
Ahoana ny fomba iainanao ny famonjen’i Kristy?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM




Sabotsy 29 Jolay 2023

Ezekiela 3. 4 – 14


Andriamanitra maniraka ny olom-boafidiny


1-Mampahery azy

« ka aza matahotra azy na mivadi-po noho ny tarehiny fa taranaka maditra izy »

Nirahin’Andriamanitra ho any amin’ny taranak’Isiraely I Ezekiela.
Taranaka maditra, tsy mety mihaino.Tsy mety mihaino an’ I Ezekiela izy ireo satria tsy mety mihaino an’ Andriamanitra. Nanoloana izany ,nohamafisin’ Andriamanitra ny handrin’i Ezekiela mba afaka hiatrika ireto vahoaka maditra ireto. izany. Araka izany, Andriamanitra no mampahery ny olom – boafidiny izay irahiny hitondra hafatra ho any amin’ny olona maditra. Manafaka ny tahotra ao anatiny lzy. Tsy ny olona masiaka sy maditra no tokony hatahoran’ ‘ny olom- boafidin’ Andriamanitra fa ny tsy fankatoavana ny Tenin Andriamanitra. Koa mahereza ao amin’ I Jesoa Kristy.


2- Mankato ny irak’Andriamanitra

« Dia mandehana.. mitenena aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah Tompo na hihaino izy na tsy hihaino » (and 11)

Nirahin’Andriamanitra hitondra hafatra ho any amin’ny vahoaka babo I Ezekiela. Tsy voatery hihaino ny hafatra nampitondraina azy anefa ny vahoaka izay anirahana azy fa ny zava-dehibe dia ny fankatoavany ny
tenin’ Andriamanita maniraka azy. Noho izany, ny irak’ Andriamanitra dia manatanteraka izay ampanaovina azy. Tsy midika akory izany fa hahomby ny fitoriana izay atao fa ny andrasana aminao dia ny
fankatoavana. Mety ho tsy arakaraka ny fankatoavan’ny iraka ny fahombiazan’ny asa. kanefa tanteraho ny fanompoanao. Jesoa Kristy no mpaniraka ny kristiana hitory filazantsara. Mariky ny finoana Ilay
mpaniraka ihany koa ny fankatoavana avy hatrany ny iraka ampanaoviny.
Fanontaniana

Inona no antony mahatonga anao tsy mankato avy hatrany ny iraka ampanaovin ‘i Jesoa Kristy anao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe FJKM


Zoma 28 Jolay 2023

1 SAMOELA 10.17-27

Ny Mpanjaka eo amin’ny firenena

1-Andriamanitra no mifidy azy

« Hitanareo va izay nofidin’i Jehovah , fa tsy misy tahaka azy eo amin’ny vahoaka rehetra »(and 24a).Teny nataon’i Samoela teo anatrehan’ny vahoaka tamin’ny fametrahana an’i Saoly ho mpanjaka izany .Naseho teo anatrehan’ny vahoaka i Saoly ary hita fa izy no lava indrindra , ary nambaran’i Saoly koa fa izy no nofidin’i Jehovah .Na dia somary nanahirana ihany ny adihevitra momba ny fahazoana mpanjaka dia nofidin’i Jehovah i Saoly .Rehefa miziriziry amin’ny heviny ny vahoaka ny amin’izay tiany hitondra azy , eken’Andriamanitra izany . Andriamanitra manome mpitondra ho an’ny vahoaka avy aminy ny mpitondra. Noho izany , mila mangataka mpitondra hendry sy mino an’i Jesoa Kristy ny vahoaka mba hitondra azy .

2-Mendrika fanajana

« dia nihoby ny vahoaka rehetra ka nanao hoe : ho ela velona anie ny mpanjaka » (and 24b). Rehefa nasehon’i Samoela ny vahoaka i Saoly ary nambarany fa io no mendrika ho mpanjaka hitondra ny vahoaka , dia nihoby ny vahoaka .Mariky ny fifaliana sy fanjakan’ ny mpanjaka izany , satria sarobidy ny fanomezana avy tamin’i Jehovah dia nifaly tamin’izany ny vahoaka. Manoloana izany , ny kristiana ihany koa dia tokony hifaly sy hanaja ny mpitondra azy satria fanomezana avy tamin’Andriamanitra izany .Olom-boafidin’Andriamanitra ny mpitondra ka tokony hohajaina indrindra .Tsy ny mpitondra fanjakana ihany anefa fa ny mpitondra fivavahana ihany koa. Koa manajà ny mpitondra fa olom-boafidin’Andriamanitra izy ireny . Jesoa Kristy rahateo mitarika sy mampianatra antsika ho amin’izany fanajana ny mpitondra izany .

Fanontaniana :

Inona no mahatonga ny vahoaka tsy hanaja ny mpitondra?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alakamisy 27 Jolay 2023

DEOTERONOMIA 10.12-19

Ny olona nofidin’Andriamanitra

« koa forao ny fonareo, fa aza mafy hatoka intsony ianareo » (and16) .Efa zatra ary nanaja ny fitsipika momba ny famorana ny zanak’Israely saingy endrika ivelany fotsiny ihany fa tsy lalim-paka tao am-po ny toetra naterak’izany .Eto dia takiana amin’ny zanak’Israely mba hamorany ny fony , izany hoe : hiaina amin’ny fahatsoram-po sy fahamarinana araka ny didin’Andriamanitra .Ny olom boafidin’Andriamanitra araka izany dia manana ny toetra sy fomba mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra .Tsy olona maditra na mpanohitra ny sitrapon’Andriamanitra akory ny olona nofidiny fa olona mpanatanteraka ny sitrapony. Ao amin’i Jesoa Kristy irery ihany no hahafahana miaina ny sitrapon’Andriamanitra .

2-Tia ny olona rehetra

« Koa tiava vahiny , fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Egypta ianareo« (and19) .Toetran’Andriamanitra ny tia ny olona rehetra ,tsy mizaha tavan’olona.Tian’Andriamanitra ho tahaka izany ihany koa ny zanak’Israely dia ny fitiavana ny mahantra sy ny vahiny. Andriamanitra rahateo mihaino ny feon’ny olona mahantra sy ampahoriana ka mamaly heloka. Noho izany , tsy maintsy tia ny karazan’olona rehetra ny olom-boafidin’Andriamanitra satria izany no toetran’Andriamanitra . Mila mitovy toetra amin’Andriamanitra ny olom-boafidiny .Tsy ho hain’ny olona amin’ny fiezahan’ny tenany manokana anefa izany fa mila ny asan’ny Fanahin’i Kristy .Jesoa Kristy irery no manana izany toetra tsy mizaha tavan’olona izany ka izay rehetra te-hanana izany toetra izany dia tsy maintsy mino Azy .Koa minoa an’i Kristy dia hahay hitia ny olona rehetra ianao .

Fanontaniana :

Inona no sakana ka tsy itiavanao ny sokajin’olona rehetra?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alarobia 26 Jolay 2023

LIOKA 6.12-16

Jesoa Kristy mifidy mpianatra

1-Mivavaka

« ary naharitra nivavaka tamin’Andriamanitra nandritra ny alina Izy » (and12) .Nitokana tanyan-tendrombohitra nivavaka nandritry ny alina i Jesoa mialohan’ny hifidianany ny Apostoly . Nametraka ny fifidianana ireo Apostoly tamin’Andriamanitra i Jesoa . Araka izany , rehefa hanao fifidianana dia tsara raha ialohavan’ny vavaka , ary mila maharitra mivavaka ihany koa ho fametrahana izany amin’Andriamanitra indrindra raha hifidy olona izay hanao ny asan’Andriamanitra .Mila mivavaka mialohan’ny hiatrika fifidianana mba tsy ho dio safidy hifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny safidy ary indrindra hahatanteraka ny andraikitra nokendren’Andriamanitra azy ny oona voafidy amin’izany .

2-Manome anarana azy

« ...ka nifidianany roa ambin’ny folo lahy izay nataony hoe: Apostoly » (and13). Nanana mpianatra maro nanaraka Azy i Jesoa Kristy : lehilahy, vehivavy, antitra, tanora (Asa 1.21-22). Nifidy Apostoly roa ambin’ny folo tamin’ireo i Jesoa Kristy. Ny hoe : Apostoly dia « iraka », »ambasadaoro » sady ho mpitarika ny fivavahana kristiana. Anarana nomen’i Jesoa Kristy ny mpianatra izany . Mariky ny fananan’i Jesoa fahefana amin’izy ireo izany . Araka izany , ny olom-boafidin’i Jesoa Kristy ho irany dia hananany fahefana .Tsy ny safidin’ny olona voafidy no ataony fa ny sitrapon’ny manana fahefana aminy ,dia i Jesoa .Koa raha manao ny asan’Ansdriamanitra amin’ny maha-olomboafidin’ny Tompo ianao dia maneke koa ny fahefany .

Fanontaniana:

Inona ny fomba hanehoanao ny fanekena ny fahefan’i Kristy ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM