Lalaon ‘ny Nosy 2023
Fanatanjahan-Tena sy Fampaherezam-Panahy
Reseo amin’ny soa ny ratsy !
Hotanterahina eto Madagasikara ny 25 Aogositra 2023 ka hatramin’ny 03 Septambra 2023 ny Lalaon’ny Nosy andiany faha-11. Firenena 7 no handray anjara amin’izany dia Comores, La Réunion, Maldives, Maurice, Mayotte, Seychelles, ary Madagasikara mpampiantrano. Taranja 17 no hilalaovana ka hibahan-toerana ny athlétisme miampy ny football, volley-ball, basket-ball (5×5 sy 3×3), handball, rugby à 7, pétanque, tennis, tennis de table, badminton, natation, karate, judo, lutte, boxe, haltérophilie, ary ny cyclisme. Ireo no tapaka tamin’ny fivorian’ny filankevitra iraisam-pirenena momba ny Lalaon’ny Nosy izay natao teto Antananarivo ny faran’ny herinandro teo.
Amin’ny fandraisana lalao iraisam-pirenena toy itony dia fifaliana ho an’ny firenena mpampiantrano hatrany ny fampahafantarana ny tsara rehetra ao aminy sy ny fahaiza-manaony amin’ny lafiny rehetra mba hitondra fahombiazana eo amin’ny lafiny ara-barotra sy fizahantany ary ara-tantara manoloana ny fandalovan’ny vahiny mpandray anjara maro. Amin’ny maha hetsika lehibe ara-panatanjahantena azy aloha dia tsy maintsy ny taranja hilalaovana sy ny fotodrafitrasa handraisana ny lalao no voaresaka voalohany. Amin’ny ankapobeny dia maro no tsy afapo tamin’ny fanapahan-kevitry ny filankevitra iraisam-pirenena momba ny Lalaon’ny Nosy satria nahena be ny isan’ny taranja hilalaovana ary ny fotodrafitrasa eto Antanananarivo ihany no hampiasaina.
Ho antsika Malagasy manokana dia tokony ho fotoana fanararaotra hahazoana traikefa amina lalao iraisam-pirenena ny fampiantranoana tahaka izao, kanefa maro izany ny atleta tsy afaka handray anjara, dia mety ho maro koa ny medaly tokony ho azo nefa votsotra, raha tsy hilaza afa-tsy ny beach soccer sy ny rugby à XV sy ny kick boxing ohatra, izay tsy misy olana akory ny fotodrafitrasa. Anisan’ny nitaraina sy naneho ny alahelony koa ny solotenan-ndry zareo avy atsy La Réunion ka nilaza fa tsy mitombina ny fanesorana ireo taranja filalao an-dranomasina toy ny surf sy ny voile, amin’ny maha -nosy antsika rehetra. Araka ny fanazavan’ny filankevitra dia ny tsy fahampian’ny fotoana nanomanana sy ny tsy fandriampahalemana mandritra ny fivezivezena no antony namerana ny isan’ny taranja.
Ankoatran’izay dia manana olana koa ny sehatra ara-barotra sy ny fizahantany araka izany satria tsy afaka hiala lavitra ny renivohitra ny vahiny kanefa any amin’ny faritra no tena ahitana ny ankamaroan’ny tontolo mahasarika ny mpizaha tany. Taorian’ny vanim-potoana nahamafy ny aretina Covid teo dia iaraha-mahalala fa nihena be ny fampidiram-bola amin’ny alalan’ny fizahan-tany, izao no tokony fotoana hanarenana miandalana izany kanefa dia tsy afa-manoatra indray.
Tsy ireo ihany no feo miiba re amin’ity Lalaon’ny Nosy ity, fa niteraka resabe eo amin’ny lafiny serasera sy fifandraisana koa ny hira faneva izay arahana resaka politika aty ambadika, sy ny nandokoana ilay maki hita amin’ny sary famantarana ho araka ny lokon’ny LGBT. Mbola sarotra amintsika mihitsy hatreto ny tsy mampiditra resaka politika ny zavatra hafa rehetra.
Hetsika hampiakarana avo ny fanatanjahantena sy hampiraisana ny olona rehetra ny Lalon’ny Nosy, saingy voasemban’ny firongatry ny tsy fandriampahalemana sy ny fanomezan-toerana tsikelikely ny framasao ary ny ambadika politika. Manome endrika ratsy ho an’ny mpitondra sy ny firenena manontolo ary ny fanatanjahantena izany,
Tsotra ny hafatry ny Filazantsara amin’izany rehetra izany: “Aza mety ho resin’ny ratsy ianao, fa reseo amin’ny soa ny ratsy” (Rom. 12, 21). Jesoa Kristy no fampihavanana, ao Aminy no anorenana ny asa tsara rehetra; Satana kosa manao izay handavoana sy hampifandrafy ny olona amin’ny fomba rehetra. Satana sy ny asa ratsiny rehetra anefa dia fahavalo efa resin’i Jesoa, izay nandray Azy dia efa nomeny Hery mba ho mpandresy tahaka Azy. Raiso ny Fanahy Masina, aoka ho mpandresy ianao.
Niry Rakoto